Deoterônômy
Toko faha-10
1 Tamin'izany andro izany no nilazan'ny TOMPO tamiko hoe: <Manamboara takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary manaova koa vatahazo anankiray; dia miakara ho aty amiko aty an-tendrombohitra.2 Hosoratako amin'ireo takela-bato ireo ny didy voasoratra tamin'ny takela-bato nomontsaninao; ka hataonao ao anatin'ny vata ireo takela-bato ireo.
3 Dia nanao vata tamin'ny hazo akasia aho sy nanamboatra takela-bato anankiroa tahaka ny teo, ary niakatra tao an-tendrombohitra ka nitondra ny takela-bato anankiroa teny an-tanako.
4 Dia nosoratan'ny TOMPO teo amin'ireo takela-bato ireo izay voasoratra tamin'ny takela-bato teo aloha, dia ny didy folo nampitain'ny TOMPO taminareo; tao an-tendrombohitra, avy tao anatin'ny afo, no nilazany an'ireny taminareo fony ianareo vory ho fivondronambe; dia nomen'ny TOMPO ahy ireo takela-bato ireo.
5 Nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra; ary napetraka tao anatin'ilay vata efa nataoko ireo takela-bato ireo, ka dia mbola ao ihany araka izay nandidian'ny TOMPO ahy.
6 (Niainga teo amin'ny fantsakan'i Bene-Jahakana ny Israelita ka nankany Mosera. Tao no nahafatesan'i Aharona sy nandevenana azy; ary i Elehazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
7 Nony niala teo ny Israelita, dia nankany Godgoda; avy eo nankany Jotbata, faritra be lohasahan-driaka.
8 Tamin'izay ny fokon'i Levy no natokan'ny TOMPO hanao ireto raharaha ireto: hitondra ny vata mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO; hitoetra eo anatrehan'ny TOMPO; hanao fanompoam-pivavahana aminy; hanome tsodrano amin'ny anarany. Mbola ataon'ny levita ireo raharaha ireo mandraka androany.
9 Izany no tsy ananan'ny levita zaratany na anjara eo amin'ny Israelita namany; fa ny TOMPO no anjarany, araka izay nampanantenain'ny TOMPO Andriamanitrareo taminy.)
10 Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha ihany no nitoerako tany an-tendrombohitra; ary mbola nihaino ahy koa ny TOMPO tamin'ity indray maka ity, ka tsy sitrany hofongorana ianareo.
11 Dia hoy ny TOMPO tamiko: <Miainga, ndeha mialoha lalana ny vahoaka; aoka ireo hiditra haka ny tany, izay nianianako tamin'ny razambeny homena azy!
12 Ary ankehitriny, ry Israelita, inona moa no andrandrain'ny TOMPO Andriamanitrareo aminareo, afa-tsy ny hanajanareo AZY sy ny hizoranareo amin'ny lalana rehetra soritany ary ny hitiavanareo sy hanompoanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo.
13 Andrandrain'ny TOMPO aminareo ny hitandremanareo ny didy aman-dalany, izay ampitaiko aminareo anio mba hahasambatra anareo. 14 Indro fa an'ny TOMPO Andriamanitrareo ny lanitra midadasika ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.
15 Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan'ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao.
16 Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an'ny TOMPO, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
17 Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan'olona na mandray kolikoly;
18 manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
19 Koa tiavo ny vahiny eo aminareo, fa efa mba vahiny tany Ejipta ianareo.
20 Ilay TOMPO Andriamanitrareo no hohajainareo, Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo, ary ny anarany no hianiananareo.
21 Izy no fideranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan'ny masonareo ireny.
22 Olona fitopolo ny razambenareo no nidina tany Ejipta; ankehitriny kosa efa nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo maro tahaka ny kintana eny ana habakabaka ianareo.