Deoterônômy

Toko faha-13

1 Imasoy hotanterahina avokoa ny didy izay ampitaiko aminareo ka aza anampiana izany ary aza anesorana.

2 Mety hisy mpaminany na mpahita mipoitra eo anivonareo ka hilaza famantarana na zava-mahagaga aminareo.

3 Na dia tanteraka aza ny famantarana na zava-mahagaga nolazainy taminareo, kanefa avy eo izy manainga anareo hanaraka sy hanompo andriamani-kafa saingy andriamanitra tsy fantatrareo,

4 dia aza henoinareo ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany. Mizaha toetra anareo manko ny TOMPO Andriamanitrareo hahalalany raha tia Azy TOMPO Andriamanitra amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo.

5 Ilay TOMPO Andriamanitrareo no harahinareo sy hohajainareo; ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.

6 Izany mpaminany na mpahita izany kosa ataovy maty, satria efa nanao teny mampikomy anareo amin'ny TOMPO Andriamanitrareo. Izy TOMPO no efa nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nanavotra anareo tamin'ny toera-nanandevozana anareo. Ataovy maty izany olona izany satria mitaona anareo hiala amin'ny sori-dalana izay nasain'ny TOMPO Andriamanitrareo hizoranareo. Dia izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.

7 Mety misy aminareo hotaomin'ny mpiray tampo na zanaka na vady na sakaiza tsy foy, ka hataony hoe: Andeha isika hanompo andriamani-kafa! Tsy fantatrareo na ny razambenareo ireny andriamani-kafa ireny,

8 dia ny andriamanitry ny firenena manodidina anareo, na ny akaiky na ny lavitra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny.

9 Koa aza manaiky na mihaino ny havana aman-tsakaiza toy ireny ianareo. Ary aza mba angorahana izy na amindrana fo na arovana,

10 fa vonoy ho faty mihitsy; ny tanan'izay olona notaominy no hiainga voalohany hamely torabato azy, vao ny tanan'ny vahoaka rehetra.

11 Torahy vato izy ho faty, satria efa nitady hitaona anareo hiala amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.

12 Ary handre izany ny Israelita rehetra, dia hatahotra ka tsy hanao ratsy toy izany intsony.

13 Mety anankiray amin'ny tanana nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo honenanareo, no holazaina hoe:

14 Nisy olona tena ratsy fanahy mpiray firenena aminareo ka nahataona ny mponina tao an-tananany hanompo andriamani-kafa!. Tsy fantatrareo ireny andriamani-kafa ireny; ka raha misy filazana toy izany,

15 dia dinihonareo sy anontanio ary fotory tsara. Raha nisy marina ka natao teo anivonareo izany zavatra mahatsiravina izany,

16 dia asio amin'ny sabatra ho faty ny mponina sy ny biby fiompy amin'io tanana io ka ataovy levona tanteraka ny tanana sy izay rehetra eo aminy:

17 angony eo afovoan'ny kianja ny entana rehetra voababo, ka dory avokoa na ny tanana sy ireo entana ireo mba hafoy ho an'ny TOMPO Andriamanitra; dia ho tanana aolo lalandava izany tanana izany ka tsy haorina intsony.

18 Aoka tsy hisy hataon'ny tananao fihi-mamba ny zavatra efa nafoy holevonina, mba hitsaharan'ny TOMPO amin'ny fahatezerany mirehitra; dia hamindrany fo tokoa ianareo ary hohamaroiny araka ny nampanantenainy ombam-pianianana tamin'ny razambenareo,

19 raha hohenoinareo ny feon'ny TOMPO Andriamanitrareo ka hotandremanareo ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo mba hanatanterahana izay mahitsy eo imasony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0598