Deoterônômy
Toko faha-20
1 Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.2 Iny vonon-kanafika iny ianareo, dia hohatonin'ny mpisorona ka hilazany hoe:
3 Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany.
4 Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin'ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.
5 Avy eo dia hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: Iza aminareo no nahavita trano vaovao nefa mbola tsy nitokanany? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hitokana ny tranony.
6 Ary iza aminareo no efa namboly voaloboka nefa tsy mbola nioty vokatra taminy? Aoka hiverina any an-tranony izy fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hioty ny vokatra.
7 Ary iza aminareo no manana fofombady nefa tsy mbola nampakatra azy? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao maty any amin'ny ady, ka olon-kafa no hampakatra ny vadiny.
8 Dia mbola hiteny amin'ny miaramila ireo manamboninahitra mpamory azy ka hanao hoe: Iza aminareo no matahotra ka rera-po? Aoka hiverina any an-tranony izy, fandrao ho rera-po tahaka azy koa ny namany.
9 Rehefa tapi-niteny tamin'ny miaramila ireo manamboninahitra ireo, dia hanendry mpifehy hitarika antoko miaramila.
10 Rehefa mby akaikin'ny tanana hiadiana ianareo, dia taomy hanao raharaham-pihavanana ny mponina.
11 Raha manaiky ireo ka mampandroso anareo, dia ho mpandoa hetra ho anareo sy ho mpanomponareo ny olona rehetra ao.
12 Raha tsy manaiky hanao raharaham-pihavanana kosa ireo, fa hiady aminareo, dia ataovy fahirano.
13 Ary rehefa atolotry ny TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo ilay tanana, dia hovonoinareo amin'ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra ao.
14 Fa hoentinareo ho anareo kosa ny babo rehetra ao, dia ny zaza amam-behivavy sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra ao an-tanana; ary hitompoanareo ny babo azo tamin'ny fahavalonareo, satria omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo.
15 Toy izany no hataonareo amin'ny tanana rehetra tena lavitra anareo, ka tsy tananan'ireto firenena ho lasanareo tany ireto.
16 Fa ny tananan'ireto firenena ireto, tanana izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia tsy havelanareo hisy miangana izay olona sy mananaina rehetra ao.
17 Hataonareo ringana tanteraka ireto firenena ireto, dia ny Hetita sy ny Amorita ary ny Kanahanita mbamin'ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita; hataonareo ringana tanteraka ireo, araka izay nandidian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo,
18 mba tsy hampianarany anareo hanao ny zavatra mahatsiravina rehetra fanaony amin'ny andriamaniny, ka tsy hanotanareo amin'ilay TOMPO Andriamanitrareo.
19 Raha ela no hanaovanareo fahirano ny tanana izay tafihinareo halaina, dia aza simbana kapaina amin'ny famaky ny hazo fihinam-boa eny manodidina, fa hisy voany hohaninareo; koa aza kapaina, fa tsy olona natao hiadiana tsy akory ny hazo fihinam-boa any an-tsaha.
20 Saingy ny hazo izay fantatrareo fa tsy fihinam-boa dia ho azonareo kapaina ihany ka hanamboaranareo fitaovana hamelezana ny tanana izay miady aminareo, mandra-paharesiny.