Deoterônômy

Toko faha-33

1 Rehefa nadiva ho faty i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia izao no tsodrano nataony tamin'ny Israelita:

2 Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehira no nisehoany tamin'ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Parana no namirapiratany. Otronin'ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin'ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalana.

3 Eny, tia ireo fokon'i Israely ianao, ry Tompo! Ambany fifehezanao avokoa ny olona voatokana ho Anao; miankohoka eo an-tongotrao ireo ka samy mandray ny teninao.

4 Ny Lalana naroson'i Mosesy tamintsika no lovan'ny taranaka narovan'i Jakoba;

5 ary tonga mpanjakan'i Jesorona ny Tompo fony tafangona ny lehiben'ny vahoaka mbamin'ireo foko israelita rehetra.

6 Ny amin'ny taranak'i Reobena, dia hoy i Mosesy hoe: Aoka ho velona ny fokon'i Reobena fa tsy ho faty, ary aoka ho tsy tambo isaina ny olony!

7 Ny amin'ny taranak'i Joda dia izao no voalazan'i Mosesy; TOMPO o, henoy antso ny fokon'i Joda! Ento izy hifandray amin'ireo mpiray firenena aminy; ny tanany no hiadiany ho an'ny fokony ka ampio izy hamely ny mpandrafy azy.

8 Ny amin'ny taranak'i Levy, dia hoy i Mosesy hoe: Tompo o, ny Orimanao sy Tomimanao dia nankininao amin'ireto olona mahatoky Anao ireto, izay efa nozahanao toetra tany Masa sy nanarinao mafy teo amin'ny ranon'i Meriba.

9 Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po tamin'ny ray aman-dreniny ireo, na nifikitra tamin'ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka, fa nitandrina ny teninao sy nitana ny fanekempihavananao.

10 Ireo no mampianatra ny fitsipika aman-dalananao amin'ny Israelita namany sy manolotra vovo-javamanitra eo anatrehanao ary mitondra sorona dorana manontolo eo amin'ny alitaranao.

11 TOMPO o, tahio ny ezaka vitany ary aoka ho sitrakao ny asa ataony; folahy ny herin'izay mitsangan-kanohitra azy, ary aoka tsy hiarina intsony izay mankahala azy.

12 Ny amin'ny taranak'i Benjamina, dia hoy i Mosesy hoe: Foko malalan'ny TOMPO ianareo ka monina feizay eo akaikiny; miaro anao isan'andro vaky Izy sady monina eo anivon'ny havoanareo.

13 Ny amin'ny taranak'i Josefa, dia hoy i Mosesy hoe: Hotahin'ny TOMPO anie ny taninareo, ka hahazo ny ando fanomezan-tsoan'ny lanitra sy ny rano misoko avy any ambany lalina any,

14 handray ny zava-tsoa entin'ny masoandro sy ny zava-tsoa matoy isam-bolana,

15 ho rakotry ny voka-tsoan'ny tendrombohitra sy ny voka-tsoan'ny havoana hatrizay hatrizay!

16 Enga anie ny zava-tsoan'izany tany mahavokatra izany sy ny fanambinan'Ilay nitoetra tao amin'ny Roimemy hitosaka eo amin'ny taranak'i Josefa, dia ny taranak'ilay navahana tamin'ny rahalahiny!

17 Homem-boninahitra anie ny taranak'i Josefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin'ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin'ny fokon'i Efraima sy ny miaramila arivoarivon'ny fokon'i Manase.

18 Ny amin'ny taranak'i Zebolona sy i Jisakara, dia hoy i Mosesy hoe: Mifalia, ry fokon'i Zebolona, amin'ny varotra ataonao; mifalia, ry fokon'i Jisakara, ao an-dainao.

19 Firenena maro no antsoinareo hankeo an-tendrombohitra mba hanolotra sorona araka ny voalahatra, satria angoronanareo harena ny ranomasina sy ny zava-tsoa miafina ao amin'ny fasika.

20 Ny amin'ny taranak'i Gada, dia hoy i Mosesy hoe: Hankalazaina anie ny Tompo Izay manome faritra malalaka ho an'ny fokon'i Gada! Tahaka ny liona no amitsahan'ny fokon'i Gada, dia liona vonon-kamiravira ny sandrin'ny rembiny mbamin'ny lohany koa aza.

21 Nahazo ny zaratany tsara indrindra ho azy izy, dia anjara voatokana ho an'ny mpifehy; avy eo niaraka tamin'ny lehiben'ny vahoaka izy ka nanao ny marina soritan'ny TOMPO sy ny fitsipiny hanasoavana an'i Israely.

22 Ny amin'ny taranak'i Dana, dia hoy i Mosesy hoe: Ny fokon'i Dana dia tahaka ny vanton-diona izay miantoraka avy ao Basana.

23 Ny amin'ny taranak'i Naftaly, dia hoy i Mosesy hoe: Ry fokon'i Naftaly, tototra tombontsoa ianao sady heniky ny fitahian'ny TOMPO. Aoka hitatra miankandrefana sy mianatsimo ny faritany anananao!

24 Ny amin'ny taranak'i Asera, dia hoy i Mosesy hoe: Hotahina anie ny fokon'i Asera, eo amin'ny samy taranak'i Jakoba! Hotiavin'ny mpiray firenena aminy anie izy! Aoka hitobaka ny menak'olivany ka hisy hanobohany ny tongony!

25 Azo antoka ny varavaranao fa ho vy amam-barahina ny hidiny. Ny herinao anie haharitra toy ny androm-piainanao!

26 Dia hoy koa i Mosesy hoe: Ry Jesorona, tsy misy tahaka an'ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon'ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.

27 Andriamanitra, hatrizay hatrizay, no fialofana; ny heriny, hatrany hatrany, no miasa ety ambany ety. Mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy ary mandidy anao handringana an'ireo.

28 Mandry feizay ny Israelita; monina milamina ny taranak'i Jakoba eo amin'ny tany be vary sy divay, tany izay ipariahan'ny andon'ny lanitra.

29 Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin'ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1177