Deoterônômy

Toko faha-2

1 Avy eo niverin-dia kely isika, ka nandeha an-taniefitra nizotra ny lalana mankany amin'ny Ranomasin'ny Volotara, araka izay nolazain'ny TOMPO tamiko; ary naharitra ela ihany isika teny amin'ny manodidina ny tendrombohitra Sehira.

2 Dia niteny tamiko ny TOMPO nanao hoe:

3 Ampy izay nahateto amin'ny manodidina ity tendrombohitra ity izay, fa mizora mianavaratra ianareo.

4 Koa izao no baiko homenao ny vahoaka: Efa tomorinareo ny tanin'ny taranak'i Hesao havanareo izay eo amin'ny faritr'i Sehira. Atahorany ianareo; nefa mitandrema tsara

5 mba tsy hila ady aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny na eram-paladia akory aza, satria efa nomeko ho fananan'ny taranak'i Hesao ny faritra havoanan'i Sehira.

6 Koa ny sakafonareo hovidinareo vola aminy, ary na dia ny rano hosotroinareo aza.

7 Eny, Izaho TOMPO Andriamanitrareo efa nitahy anareo tamin'izay rehetra nataonareo. Fantatro ny nandehananareo namaky ity taniefitra midadasika ity; satria efapolo taona izay no momba anareo Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy nanan-java-mahory ianareo.

8 Dia nialantsika ny taranak'i Hesao havantsika mponina any Sehira; nandalovantsika ny lalana amin'ny lohasaha Haraba, izany hoe ny lalana miakatra avy any Elata sy Hetsiony-Gebera; ary nivily nihazo ny lalana mankany amin'ny taniefitr'i Moaba isika.

9 Dia hoy ny TOMPO tamiko: Aza mandrafy ny Moabita ianareo na mila ady aminy fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria ny faritr'i Hara dia nomeko ho fananan'ny taranak'i Lota.

10 Ny mponina tao Moaba fahiny dia ny Emita, izay firenena lehibe sy maro isa ary olona ranjanana tahaka ny Hanakita.

11 Nisy nihevitra azy ireo ho Refaita, tahaka ny Hanakita; fa ny Moabita no niantso azy hoe Emita.

12 Ny faritany Sehira kosa fahiny dia nonenan'ny Horita, saingy ny taranak'i Hesao no nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany ary nonina nisolo azy. Toy izany koa no nataon'ny Israelita teo amin'ny tany nomen'ny TOMPO azy ho fananany.

13 Ankehitriny, miainga ianareo ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zahareda. Dia nita ny lohasahan-driaka Zahareda isika.

14 Naharitra 38 taona ny diantsika niainga hatreo Kadesy-Barnea ka hatramin'ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zahareda, izany hoe mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin'izany taranaka izany, araka izay efa nianianan'ny TOMPO taminy.

15 Ary ny TOMPO mihitsy no namely azy mba handringana azy tsy ho eo amin'ny toby, mandra-pahalany ritra azy.

16 Rehefa lany ritra tsy teo anivon'ny vahoaka israelita intsony ny mpiantafika rehetra,

17 dia niteny tamiko ny TOMPO nanao hoe:

18 Izao ianareo no hiampita ny sisintanin'i Moaba ka hamaky ny faritr'i Hara.

19 Dia ho tonga ao akaikin'ny Hamonita ianareo, kanefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria nomeko ho fananan'ny taranak'i Lota izany.

20 (Nisy nihevitra izany faritany izany ho tanin'ny Refaita. Fahiny manko dia nonina tao ny Refaita izay nantsoin'ny Hamonita hoe Zamzomita.

21 Firenena lehibe sy maro isa ary olona ranjanana tahaka ny Hanakita ireo, nefa naringan'ny TOMPO tsy ho eo anoloan'ny Hamonita; dia nandroaka ny Zamzomita ka nonina nisolo azy ny Hamonita.

22 Toy izany koa no nataon'ny TOMPO ho an'ny Edomita taranak'i Hesao, izay nonina tany Sehira, fa naringany tsy ho eo anoloan'ny Edomita ireo Horita; dia nandroaka ny Horita ny Edomita ka nonina nisolo azy mandraka androany.

23 Ny amin'ny Havita izay nonina tamin'ireo tanana mipaka hatrany Gaza kosa, dia ny Kaftorita avy tany Kaftora no nandringana azy ka nonina nisolo azy.)

24 Avy eo dia hoy ny TOMPO hoe: Mitsangana ianareo, miainga ka mita ny lohasahan-driaka Arnona. Jereonareo fa hatolotro eo an-tananareo i Sihona, mpanjaka amorita ao Hesbona, mbamin'ny taniny. Santaro ny fakana izany tany izany, ka tafiho i Sihona!

25 Manomboka anio, dia hataoko mahazo ny firenena rehetra ambany lanitra ny horohoro sy tahotra anareo; ka vantany vao reny ny lazanareo, dia hangovitra sy hipararetra noho ny aminareo izy.

26 Avy teo an-taniefitra Kedemota no nandefasako iraka hankany amin'i Sihona, mpanjaka tao Hesbona, omban'ny teny fihavanana hoe:

27 Aoka mba hamaky ny taninao izahay; ny lalambe ihany no halehanay ka tsy hivilivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia izahay.

28 Hamidinao vola aminay ny hanin-kohaninay; hatakalonao vola aminay ny rano hosotroinay; ary handalo fotsiny mandeha an-tongotra izahay.

29 Efa navelan'ireo taranak'i Hesao monina any Sehira sy ireo Moabita monina any Hara hanao toy izany izahay. Handalo fotsiny izahay mandra-pahatonganay eo amin'ny toerana hitanay ny ony Jordana ho any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitray anay.

30 Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihona mpanjaka tao Hesbona; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin'izany andro izany.

31 Dia niteny tamiko ny TOMPO hoe: Jereo fa manomboka nanolotra an'i Sihona sy ny taniny aminareo Aho. Santaro ny fakana izany tany izany mba hanananareo azy.

32 Dia niainga i Sihona mbamin'ny tafiny manontolo hiady amintsika tao Jahatsa,

33 fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika ho eo ambany fahefantsika ry i Sihona sy ny zanany lahy mbamin'ny tafiny manontolo ka noresentsika.

34 Ary afatsika tamin'izay ny tananany rehetra, ka noravantsika tanteraka; naringantsika ny lehilahy mbamin'ny zaza amam-behivavy isan-tanana ka tsy nasiantsika niangana na iray akory aza.

35 Ny biby fiompiny sy ny fananany, tao amin'ny tanana izay afatsika ihany, no nobabointsika.

36 Manomboka hatreo Harohera izay amoron'ny lohasahan-driaka Arnona sy ilay tanana hafa anatin'io lohasaha io ihany, ka miafara any Gilehada, dia tsy nisy tanana tsy afatsika; fa natolotry ny TOMPO Andriamanitsika eo ambany fahefantsika ny tanana rehetra.

37 Kanefa ny tanin'ny Hamonita kosa tsy nakekezintsika, dia ny faritra rehetra manamorona ny lohasahan-driaka Jaboka sy ireo tanana ao amin'ny havoana, toy ny toerana rehetra nosakanan'ny TOMPO Andriamanitsika tsy hakekezintsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0573