Deoterônômy
Toko faha-4
1 Ary hoy indray i Mosesy hoe: Ankehitriny, ry Israelita, henoy ny lalana amam-pitsipika izay ampianariko anareo hotanterahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy hanana ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitry ny razambenareo anareo.2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo ary aza anesorana; fa tandremo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo.
3 Efa nahita maso izay nataon'ny TOMPO noho ny amin'ilay Bahala tao Pehora ianareo; fa ny olona rehetra nanompo an'io Bahala io taminareo, dia naringan'ny TOMPO Andriamanitrareo tsy ho eo aminareo intsony.
4 Fa ianareo nifikitra tamin'ny TOMPO Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5 Araka izay nandidian'ny TOMPO Andriamanitro ahy, indro ianareo efa nampianariko lalana amam-pitsipika hotanterahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.
6 Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason'ny firenen-kafa; handre ireny lalana rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!
7 Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina?
8 Ary aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana didy amam-pitsipika marina tahaka izao fehezan-dalana arosoko eo anoloanareo anio izao?
9 Kanefa kosa mitandrema ianareo ka miambena tena fandrao hanadino ny zavatra efa hitanareo maso na hamela izany hiala tao am-ponareo, amin'ny andro rehetra hiainanareo; fa ampahafantaro ny zanakareo aman-jafinareo izany.
10 Aza hadinoinareo ny zavatra hitanareo maso tamin'ny andro nijoroanareo teo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo tany an-tendrombohitra Horeba, fony ny TOMPO nilaza tamiko hoe: Avondrony ho eto amiko ny vahoaka israelita, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hanajany Ahy amin'ny andro rehetra hiainany eto ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
11 Dia nanatona ianareo ka nijoro teo am-bodin'ny tendrombohitra; nirehitra afo manaka-danitra kosa ilay tendrombohitra sady rakotra setroka mikitroka sy rahona matevina.
12 Ary tao anatin'ny afo ny TOMPO no niteny taminareo, ka nandre Azy niteny ianareo fa tsy nahita endrika Azy akory; feo no hany renareo.
13 Dia nambarany taminareo ny fanekempihavanany, izay nodidiany harahinareo, dia ny didy folo; ary nosoratany teo amin'ny takela-bato anankiroa ireo.
14 Tamin'izany andro izany no nandidian'ny TOMPO ahy koa hampianatra anareo lalana amam-pitsipika mba hotanterahinareo any amin'ny tany izay efa hiampitanareo mba halainareo ho fananana.
15 Noho ianareo tsy nahita endrika ny TOMPO fony Izy niteny tao anaty afo taminareo tany an-tendrombohitra Horeba, dia mitandrema tena tokoa ianareo.
16 Mitandrema fandrao hihasimba toetra ianareo ka hanao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo, dia izay sarin-javatra rehetra miendrika andriamanitra, na sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17 na sarim-biby miaina ety ambonin'ny tany, na sarim-borona manidina eny amin'ny habakabaka,
18 na sarim-biby mikisaka amin'ny tany, na sarin-trondro mivelona anaty rano any ambany any.
19 Mitandrema fandrao hiandrandra hijery ny habakabaka ianareo ka hahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana mbamin'ny planeta rehetra eny ana habakabaka, dia ho voataona hiankohoka eo anatrehan'ireny sy hanompo azy; fa navelan'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaran'ny firenen-kafa rehetra eto amin'izao tontolo izao ireny fanompoan-tsampy ireny.
20 Ianareo kosa dia nalain'ny TOMPO ka nentiny niala avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, izany hoe avy tany Ejipta, mba ho vahoaka voatokana ho azy tahaka ny amin'izao anio izao.
21 Ary tezitra tamiko ny TOMPO noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.
22 Ho faty amin'ity faritany ity aho fa tsy hita an'i Jordana; ianareo kosa no hita azy ka hanana izany tany soa izany.
23 Mitandrema ianareo fandrao manadino ny fanekempihavanana nataon'ny TOMPO Andriamanitrareo taminareo, ka manao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo, araka ny endriky ny zavatra rehetra izay efa nandraran'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
24 Fa afo mandevona tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo; eny, Andriamanitra saro-piaro amin'ny maha Andriamanitra Azy Izy.
25 Rehefa ela hitoerana eo amin'ilay tany ianareo ka hiteraka sy ho loa-jafy, dia aza mihasimba toetra ka hanao sarin-javatra voasokitra ho sampinareo araka ireo endri-javatra isan-karazany ireo, na hanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO Andriamanitrareo ka hampahatezitra Azy.
26 Raha manao izany ianareo, dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio no manambara fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay efa hiampitanareo an'i Jordana mba halainareo ho fananana; tsy ho maro andro honenana eo ianareo, fa haringana tokoa.
27 Haelin'ny TOMPO any amin'ny firenen-tsamy hafa ianareo; ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'ny TOMPO anareo.
28 Asan-tanan'olombelona no andriamanitra hotompoinareo any, dia vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mihinana na manimbolo.
29 Kanefa any ianareo no hitady an'ilay TOMPO Andriamanitrareo ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo.
30 Rehefa hiharan'ireo zavatra rehetra voalazako ireo ianareo any am-parany any ka hozoim-pahoriana, dia hiverina amin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hihaino indray ny feony;
31 fa Andriamanitra mamindrafo ilay TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hahafoy anareo na handringana tanteraka anareo na hanadino ny fanekempihavanana izay efa nianianany tamin'ny razambenareo.
32 Diniho ange ny andro fahagola talohanareo, manomboka hatreo amin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olombelona tety ambonin'ny tany. Saintsaino ange ny zava-mitranga manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny. Moa efa nisy zava-dehibe niseho na re tahaka izany ve?
33 Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao anatin'ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany?
34 Moa efa nisy ve andriamanitra sampy nanandrana nanafaka firenena anankiray teo an-tanan'ny firenen-kafa mba hatokany ho azy, ka nampiasa fizahan-toetra sy famantarana ary zava-mahagaga sy ady omban'ny fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina ary fampatahorana goavana? Tsia, kanefa teo imasoanareo indrindra no nanaovan'ny TOMPO Andriamanitrareo izany rehetra izany ho anareo tany Ejipta.
35 Ianareo no nampahitany an'izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.
36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin'ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin'izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.
37 Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;
38 avy eo Izy dia nandroaka teo anoloanareo firenena maro izay lehibe sy matanjaka noho ianareo, mba hampidirany anareo amin'ny taniny sy hanomezany izany ho fanananareo, tahaka ny amin'izao anio izao.
39 Koa aoka hoekenareo anio sy haraikitrareo ao am-ponareo fa ny TOMPO no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany, sady tsy misy afa-tsy Izy.
40 Dia tandremo ny lalanany sy ny didiny izay ampitaiko aminareo anio, mba hahita soa ianareo sy ny taranaka amam-paranareo ary mba ho maro andro ianareo any amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin'ny taona rehetra.
41 Tamin'izany i Mosesy dia nanokana tanana telo tany andafy atsinanan'i Jordana
42 mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha. Ho velona izany mpamono olona izany, raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanana ireo:
43 dia i Betsera, eo amin'ny lembalemba any an-taniefitra, ho an'ny Reobenita; i Ramota any Gilehada, ho an'ny Gadita; ary i Golana any Basana, ho an'ny Manasita.
44 Izao no lalana naroson'i Mosesy tamin'ny Israelita.
45 Ireto no baiko sy lalana amam-pitsipika izay nambaran'i Mosesy taminy, fony ireo tafavoaka an'i Ejipta
46 ka tody tany andafy atsinanan'ny ony Jordana; teo an-dohasaha tandrifin'i Bety-Pehora ny Israelita tamin'izay, tao amin'ny tanin'i Sihona izay mpanjaka amorita nonina tao Hesbona. Nony tafavoaka an'i Ejipta i Mosesy sy ny Israelita, dia nandresy an'i Sihona
47 ka nahazo ny taniny mbamin'ny tanin'i Hoga mpanjakan'i Basana. I Sihona sy i Hoga no mpanjaka amorita anankiroa tamin'iny andafy atsinanan'i Jordana iny.
48 Ny tany azon'ny Israelita kosa dia manomboka any Harohera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka miafara any amin'ny tendrombohitra Siony na hoe Hermona,
49 ary mahafaoka ny faritany Haraba manontolo atsinanan'i Jordana ka tafapaka hatrany amin'ny Ranomasina Maty eo am-bodin'ny tendrombohitra Pisga.