Deoterônômy
Toko faha-14
1 Zanak'ilay TOMPO Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo na manaratra ny volon-doha eo ambonin'ny handrinareo noho ny amin'ny maty.2 Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo; ianareo no efa nofidiny tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany mba ho vahoaka fananany sarobidy indrindra.
3 Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.
4 Izao no biby ho fihinanareo: ny omby, ny ondry aman'osy,
5 ny diera, ny gazela, ny kapreola, ny osidia, ny ombimanga, ny antilopa ary ny ropikapra;
6 izany hoe ny biby rehetra mivaky kitro sady mandinika.
7 Kanefa ny biby mandinika fotsiny na mivaky kitro fotsiny dia tsy hohaninareo, fa maloto aminareo ireny, ohatra: ny rameva sy ny bitro ary ny hiraka, satria mandinika ihany ireo saingy tsy mba mivaky kitro;
8 ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro ihany izy saingy tsy mba mandinika. Koa aza haninareo ny henan'ireo biby ireo ary aza kasihinareo akory ny fatiny.
9 Amin'ny biby rehetra ao anaty rano dia izao no ho fihinanareo: ny biby rehetra misy vombony sy kirany.
10 Tsy ho fihinanareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, fa ho maloto aminareo.
11 Ny vorona madio rehetra dia ho fihinanareo.
12 Kanefa ireto kosa no vorona tsy fihinanareo: ny voromahery sy ankoay isan-karazany;
13 ny fanindry sy papango isan-karazany;
14 ny goaika isan-karazany;
15 ny vorombe, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany,
16 ny vorondolo, ny vorondolobe, ny gisabe,
17 ny sama, ny arosy, ny manarana,
18 ny takatra, ny vano isan-karazany, ny takodara ary ny ramanavy.
19 Ny bibikely rehetra manana elatra dia ho maloto aminareo ka tsy ho fihinanareo,
20 afa-tsy ny bibikely manana elatra saingy madio.
21 Aza mihinam-biby maty ho azy fa omeo ho an'ny vahiny izay ao an-tanananareo izany mba hohaniny, na amidio amin'ny olona hafa firenena. Ianareo manko dia vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
22 Havahanareo ny ampahafolon'ny vokatra rehetra avy amin'ny voa nafafinareo, izany hoe ny vokatry ny sahanareo isan-taona.
23 Dia eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo, eo amin'ny toerana izay hofidiny mba hipetrahan'ny voninahiny, no hihinananareo ny ampahafolon'ny vary sy divay ary menaka vokatry ny taninareo, ary koa hihinananareo ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman'osinareo. Izany no hianaranareo hanaja mandrakariva ny TOMPO Andriamanitrareo.
24 Rehefa notahin'ny TOMPO Andriamanitrareo tamin'ny famokarana ianareo, dia mety tsy hahazaka ny ampahafolon-bokatrareo hankany amin'ny toerana izay hofidiny mba hipetrahan'ny voninahiny, satria lavitra loatra ho anareo ny lalan-kaleha.
25 Amin'izay, dia hamidinareo ny ampahafolom-bokatrareo, ka ny vola vidiny no hataonareo tsara fihina mankany amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo.
26 Io vola io no hividiananareo izay sakafo rehetra irinareo, na omby na ondry na osy na divay na zava-pisotro hafa misy alikaola; eny, hovidinareo avokoa izay rehetra tianareo, dia eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo no hihinana izany an-kafaliana ianareo mbamin'ny ankohonanareo.
27 Aza ataonareo tsirambina ny Levita izay ao an-tanananareo, satria tsy mba manana zaratany na anjara miaraka aminareo ny Levita.
28 Isan-telo taona, dia havahanareo ny ampahafolon'ny vokatra rehetra azonareo amin'izany taona izany, ka hatobinareo ao an-tanananareo.
29 Ary ho avy hizarana an'izany ny Levita (izay tsy manana zaratany na anjara miaraka aminareo) sy ny vahiny ary ny kamboty mbamin'ny mpitondratena izay eo an-tanananareo; dia hihinana ireo ka ho voky, mba hitahian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo amin'ny asa rehetra izay ataonareo.