Deoterônômy
Toko faha-18
1 Ny Levita mpisorona sy ny hafa rehetra anisan'ny fokon'i Levy dia tsy mba hanana zaratany na anjara miaraka amin'ny Israelita namany; fa ny ho fihinany dia ny sorona sy anjara atolotra ho an'ny TOMPO.2 Tsy hanana anjara eo anivon'ny mpiray firenena aminy tsy akory ny Levita: ny TOMPO no anjarany, araka izay nampanantenainy taminy.
3 Izao no zo ananan'ny mpisorona amin'ny vahoaka, izany hoe amin'ireo olona manolotra omby na ondry na osy hatao sorona: homena ho an'ny mpisorona ny sorok'ilay biby sy ny valanoranony ary ny vavoniny;
4 homenareo azy koa ny voaloham-bokatrareo na vary na divay na menaka; ary homenareo azy ny volon'ireo ondry aman'osy voalohany hetezanareo.
5 Fa ny taranak'i Levy no voafidin'ny TOMPO Andriamanitra tamin'ny foko israelita rehetra hanao lalandava ny fanompoam-pivavahana amin'ny anaran'ny TOMPO.
6 Raha misy Levita maniry mafy hiala ny tanana nonenany, na aiza na aiza manerana an'i Israely, ka mandeha any amin'ilay toerana izay hofidin'ny TOMPO,
7 dia hanao fanompoam-pivavahana amin'ilay TOMPO Andriamaniny izy, tahaka ny ataon'ny Levita rehetra mpiray foko aminy eo anoloan'ny Toeramasina.
8 Ary anjara mitovy amin'ny an'ireo ihany no ho fihinany, na dia misy aza izay azony tamin'ny fivarotana ny fananan-drainy.
9 Rahatrizay ianareo tafiditra eo amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo, dia aza mianatra maka tahaka ny fomba mahatsiravina fanaon'ireo firenena monina ao ireo.
10 Aoka eo aminareo tsy hisy olona mpandefa ny zanany lahy na ny zanany vavy hatao sorona, na mpimasy, na mpanandro, na mpisikidy na mpamosavy;
11 aoka eo aminareo tsy hisy manao fandraikiraikena na manadina ny olona tsindrian-javatra, na mamoha angatra, na manontany ny maty,
12 fa izay rehetra mpanao ireny zavatra ireny dia mahatsiravina eo imason'ny TOMPO; ary izany no handroahan'ny TOMPO Andriamanitrareo an'ireny firenena ireny eo anoloanareo.
13 Aoka ianareo hifikitra tanteraka amin'ny TOMPO Andriamanitrareo.
14 Ireo firenena izay efa horoahinareo ireo no mihaino ny mpanandro sy ny mpimasy; fa ianareo kosa tsy avelan'ny TOMPO Andriamanitrareo hanao izany.
15 Mpaminany anankiray tahaka ahy izao, mpaminany hipoitra avy amin'ny mpiray firenena aminareo, no hatsangan'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anareo; izy no hohenoinareo.
16 Izany indrindra no nangatahinareo tamin'ny TOMPO Andriamanitrareo fony ianareo tafavondrona tany Horeba ka nitenenanareo hoe: Aoka tsy ny feon'ny TOMPO Andriamanitray intsony no ho henonay, ary aoka tsy ho hitanay intsony izany afo lehibe izany, fandrao maty izahay.
17 Dia hoy ny TOMPO tamiko: Tsara ny nilazany an'izany.
18 Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin'ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan'io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin'ireo mpiray firenena aminy.
19 Izay rehetra tsy mihaino ny teny izay holazain'io mpaminany io amin'ny anarako, dia Izaho no hampamoaka azy ny amin'izany.
20 Fa ny mpaminany izay sahy hilaza amin'ny anarako zavatra tsy nasaiko nambarany, na izay miteny amin'ny anaran'andriamani-kafa, dia hatao maty izany mpaminany izany.
21 Ianareo angamba hanao anakampo hoe: Ahoana no hahafantaranay ny teny tsy nolazain'ny TOMPO!
22 Raha hoe miteny amin'ny anaran'ny TOMPO ilay mpaminany, kanefa tsy mitranga na tsy tanteraka ny zavatra nolazainy, dia teny tsy nolazain'ny TOMPO izany: fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany ka aoka tsy hampihontsina anareo izy.