Deoterônômy
Toko faha-34
1 Dia niainga avy teo amin'ny lemak'i Moaba i Mosesy ka niakatra nankany amin'ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jerikao. Ary nasehon'ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr'i Gilehada tafapaka hatrany Dana;2 ny faritr'i Naftaly manontolo; ny tanin-dry i Efraima sy i Manase; ny tanin'i Joda manontolo tafapaka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea;
3 ny faritr'i Negeba; ary, ao amin'ny lohasahan'i Jordana, ny faritanin'i Jerikao (tanana be rofia), faritany izay tafapaka hatrany Tsohara.
4 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: Io tany io no nampanantenaiko ombam-pianianana tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba, fony ireo nilazako hoe: Homeko ny taranakareo ity tany ity. Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy ho tafita eny.
5 Teo no nahafatesan'i Mosesy, ilay mpanompon'ny TOMPO, dia teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'ny TOMPO.
6 Ary nalevin'Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Bety-Pehora izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7 Efa 120 taona i Mosesy no maty; ary tsy pahina ny masony na nihena ny heriny.
8 Nitomanian'ny Israelita teo amin'ny lemak'i Moaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.
9 I Josoa, zanakalahin'i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan'i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain'ny TOMPO tamin'i Mosesy.
10 Teo amin'i Israely, dia tsy mba nisy intsony mpaminany tahaka an'i Mosesy, izay fantatry ny TOMPO nifanatrika.
11 Tsy manan-tsahala i Mosesy satria izy no nirahin'ny TOMPO tany Ejipta hanao famantarana sy zava-mahagaga isan-karazany teo anatrehan'ny Farao sy ny tandapany ary ny taniny manontolo;
12 ary tanana omban-kery no nanaovan'i Mosesy an'ireny zavatra goavana sy mampahatahotra isan-karazany ireny, teo imason'ny Israelita rehetra.