Deoterônômy

Toko faha-9

1 Mihainoa, ry vahoaka Israely o! Efa hiampita an'i Jordana ianareo izao, ary hiroso handroaka firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianareo, sady hahafaka tanana lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra.

2 Soritana manokana ny Hanakita, firenena lehibe sady olona ranjanana, izay fantatrareo sy renareo laza hoe: <Iza no hahatohitra ny taranak'i Hanaka?

3 Ho tsapanareo anio fa ny TOMPO Andriamanitrareo no efa hiampita eo alohanareo tahaka ny afo mandevona, ka Izy mihitsy no handringana ireny firenena ireny sy hampietry azy eo anoloanareo; dia handroaka azy ianareo ka hamongotra azy faingana, araka izay nampanantenain'ny TOMPO taminareo.

4 Rehefa voatosiky ny TOMPO Andriamanitrareo teo anoloanareo ireny firenena ireny, dia aoka ianareo tsy hanao anakampo hoe: <Ny fahamarinanay no nampidiran'ny TOMPO anay haka ity tany ity ho fanananay! Tsy izany, fa ny haratsiam-panahin'ireo no nandroahan'ny TOMPO azy teo anoloanareo.

5 Tsy ny fahamarinanareo na ny hitsimponanareo no mahamendrika anareo hiditra haka ny taniny ho fanananareo; fa ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no handroahan'ny TOMPO Andriamanitrareo azy eo anoloanareo, ary koa mba hahato ny fampanantenana izay nianianan'ny TOMPO tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razambenareo.

6 Koa aoka ho fantatrareo fa tsy ny fahamarinanareo no anomezan'ny TOMPO Andriamanitrareo izany tany soa izany ho fanananareo. Vahoaka mafy hatoka manko ianareo.

7 Tsarovy ny nampahatezeranareo ny TOMPO Andriamanitrareo; aza hadinoinareo mihitsy izany! Hatreo amin'ny andro nialanareo tany Ejipta ka hatramin'izao nahatongavanareo teto amin'ity toerana ity izao, dia tsy nitsahatra niodina tamin'ny TOMPO ianareo.

8 Tany Horeba aza, dia nampahatezitra mafy ny TOMPO tokoa ianareo ka saiky haringany.

9 Niakatra tao an-tendrombohitra manko aho handray ny takela-bato, dia ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana nataon'ny TOMPO taminareo; ary nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.

10 Dia nomen'ny TOMPO ahy ny takela-bato anankiroa, voasoratry ny rantsan-tanan'Andriamanitra ka nirakitra ny didy rehetra nolazain'ny TOMPO taminareo; avy tao anatin'ny afo no nilazany an'ireny tao an-tendrombohitra fony ianareo vory ho fivondronambe.

11 Tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina, vao nomen'ny TOMPO ahy ny takela-bato anankiroa, izany hoe ireo takela-bato nirakitra ny fanekempihavanana.

12 Tamin'izay dia hoy ny TOMPO tamiko: <Miala teto ianao, ka ndeha midina faingana; fa nihasimba ilay vahoaka izay nafahanao avy tany Ejipta, nalaky nivily niala tamin'ny sori-dalana efa nasaiko nizorany ka nanao sarin-tsampy ho azy tamin'ny metaly nempoina!

13 Dia hoy koa ny TOMPO tamiko: <Efa hitako fa vahoaka mafy hatoka ity vahoaka ity!

14 Avelao Aho handringana azy ka hanafoana ny fahatsiarovana azy eto amin'izao tontolo izao, fa ianao kosa no hataoko firenena mahery sy lehibe noho ity vahoaka ity.

15 Dia nihodina aho nidina niala teo amin'ny tendrombohitra izay toa nirehitra afo. Teny an-tanako roa ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana.

16 Nijery aho ka indreo tokoa fa nanota tamin'ny TOMPO ianareo, satria nanao ombilahikely tamin'ny metaly nempoina mba ho sampinareo ary nalaky nivily niala tamin'ny sori-dalana izay efa nasain'ny TOMPO nizoranareo.

17 Noho izany, dia noaingako mafy ireo takela-bato anankiroa ka nazerako avy teny an-tanako ho vakivaky teo imasonareo.

18 Ary niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha indray aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ny fahotana rehetra vitanareo tamin'ny nanaovanareo izay ratsy teo imason'ny TOMPO ka nampahatezeranareo Azy no anton'izany.

19 Fa natahotra aho nahita ny fahatezerana sy fahavinirana nirehetan'ny TOMPO taminareo ka saika handringanany anareo; saingy mbola nihaino ahy indray IZY tamin'izany andro izany.

20 Tezitra mafy tamin'i Aharona koa ny TOMPO ka saika handringana azy; saingy nifona ho an'i Aharona koa aho tamin'izany andro izany.

21 Ary nalaiko ny fahotana vitanareo, dia ilay ombilahikely volamena, ka nodorako dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin'ny ranon-driaka izay midina avy any amin'ny tendrombohitra.

22 Tao Tabehera sy Masa ary Kibroty-Taava dia nampahatezitra ny TOMPO koa ianareo.

23 Ary fony nampandehanin'ny TOMPO niala tao Kadesy-Barnea ianareo ka nataony hoe: <Miakara ka alaovy ho fanananareo ny tany izay omeko anareo, dia nolavinareo ny tenin'ny TOMPO; fa tsy nino Azy ianareo na nihaino ny feony.

24 Eny, hatramin'ny andro nahalalako anareo no ho mankaty, dia niodina tamin'ny TOMPO hatrany ianareo.

25 Noho ny TOMPO efa nilaza handringana anareo, dia niankohoka teo anatrehany aho ary tsy nitsahatra mihitsy nandritra izany efapolo andro sy efapolo alina izany.

26 Nifona tamin'ny TOMPO aho ka nanao hoe: <Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, aza aringanao ny vahoaka fanananao, izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao sy navoakanao avy tany Ejipta tamin'ny fiarovanao mahery.

27 Tsarovy i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba mpanomponao; fa aza jerenao ny ditran'ity vahoaka ity na ny haratsiam-panahiny na ny fahotany,

28 fandrao izay monina any amin'ilay tany namoahanao anay hanao hoe: <Tsy hain'ny TOMPO ny nampiditra azy any amin'ny tany nampanantenainy azy; tsy tiany velively ireo, ka izany no namoahany azy mba hahafaty azy any an-taniefitra.

29 Kanefa, Tompo o, ireo no vahoaka fanananao, izay navoakanao avy tany Ejipta tamin'ny herinao lehibe sy fahefanao tsy hay tohaina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0591