Deoterônômy
Toko faha-21
1 Eo amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo, dia mety hisy maty novonoin'olona hita miampatra any an-tsaha saingy tsy fantatra izay namely nahafaty azy.2 Amin'izay, dia hiainga ny loholona ama-mpitsaranareo ka handrefy ny elanelan'ireo tanana manodidina sy ilay toerana misy ny faty,
3 mba hahafantarana ny tanana izay akaikin'ny faty indrindra. Ary ny loholon'io tanana io dia haka vantotr'ombivavy iray izay tsy mbola nampiasaina na novesaran-jioga hitarihany;
4 ka ireo ihany no hitondra azy midina amina-lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy ritra; ary ao anatin'io renirano io no hamolahan'ireto loholona ny vozon'ilay vantotr'ombivavy.
5 Dia hanatona eo ny mpisorona taranak'i Levy, satria izy no voafidin'ny TOMPO Andriamanitrareo hanompo AZY sy hitsodrano amin'ny anarany; koa araka ny tenin'ny mpisorona no handaminana ny ady sy vonoana isan-karazany.
6 Ny loholona rehetra amin'izany tanana tena akaikin'ny faty izany kosa dia hanasa ny tanany amin'ny renirano, eo ambonin'ilay vantotr'ombivavy izay efa voafolaka ny vozony;
7 dia hiloa-bava ireo ka hanao hoe: Ny tananay tsy nandatsaka aina an'io olona io, ary ny masonay tsy nahita ny zava-nitranga.
8 TOMPO o, afaho andraikitra amin'izany ilay Israely vahoaka navotanao, ary aoka ny famonoana olona tsy manan-tsiny mba tsy havelanao hanjaka eo anivony. Dia ho afaka andraikitra amin'izany famonoana olona izany ireo.
9 Izany no hialanareo andraikitra amin'ny famonoana olona tsy manan-tsiny, satria nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO ianareo.
10 Raha miainga hanafika fahavalo ianareo ary atolotry ny TOMPO Andriamanitrareo ho eo an-tananareo izy ka voababonareo,
11 dia mety hisy aminareo hahita vehivavy anankiray tsara tarehy amin'ireo babo ka ho raiki-pitia azy sy haniry hanambady azy.
12 Hoentin'io lehilahy io ho ao an-trano ravehivavy, ka hiharatra volon-doha sy hanala hoho,
13 hanaisotra ny fitafiany tamin'ny nahababo azy sy hiova akanjo, ary hitoetra ao amin-dralehilahy. Mandritra ny iray volana dia hisaona ny ray aman-dreniny ravehivavy; aorian'izany ralehilahy vao hahazo manatona azy sy hampakatra azy ary hanana azy ho vady.
14 Fa raha avy izay tsy itiavany an-dravehivavy intsony dia halefany handeha araka izay sitrapony izy; fa tsy azony amidy hatao vola aman-karena izy na andevoziny, satria efa novinadiny.
15 Mety hisy lehilahy mampirafy roa, ka ny iray tiany bebe kokoa ary ny iray tiany kelikely kokoa. Samy niteraka zazalahy aminy izy roa vavy; ary ny zanak'ilay vehivavy tiany kelikely kokoa no lahimatoa.
16 Amin'ny andro handidiany fananana ho an'ireo zanany lahy, dia tsy azon-dralehilahy atao lahimatoa ny zanak'ilay vehivavy tiany bebe kokoa, raha mbola eo ihany ny zanak'ilay vehivavy tiany kelikely kokoa, satria io no tena lahimatoany.
17 Eny, ny zanak'ilay vehivavy tiany kelikely kokoa ihany no hekeny ho lahimatoa ka homeny anjaran-droa amin'izay rehetra ananany: noho izy voalohan-janany, dia azy ny fizokiana.
18 Mety hisy olona manana zanakalahy maditra sy manohitra, ka tsy mihaino ny tenin'ny ray aman-dreniny sady tsy zakany anarina.
19 Hosamborin'ireo ray aman-dreniny izy ka hoentiny amin'ny fitsarana eo anoloan'ny loholon'ny tanana onenany;
20 ary hiteny amin'ny loholona izy mivady hoe: Ity zanakay ity dia maditra sy manohitra ka tsy mihaino ny teninay fa mpandany sy mpimamo.
21 Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tananany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo; ary handre izany ny Israelita rehetra ka hatahotra.
22 Mety hisy olona manao heloka tokony hahafaty azy ka novonoina ary nahantona amin'ny hazo ilay fatiny.
23 Tsy havelanareo hiloaka alina eo amin'ny hazo izany faty izany, fa tsy maintsy halevinareo androtriny ihany, satria voaozon'Andriamanitra ny faty mihantona amin'ny hazo; koa aza lotoina ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo.