Deoterônômy

Toko faha-30

1 Ho tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia ny fampanantenam-pitahiana sy fanambaran-doza izay nataoko teo anoloanareo. Ary any amin'ny firenena rehetra handroahan'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hotsarovanareo ao am-ponareo izany,

2 ka hiverina amin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo; eny, hanaiky Azy ianareo sy ny taranakareo, hanaiky Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo araka ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio.

3 Dia haverin'ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin'ny firenena rehetra nampielezany anareo.

4 Na misy voaroaka any am-paran'ny tany aza ianareo, dia avy any no hangalan'ny TOMPO Andriamanitrareo azy sy hanangonany azy

5 mba hampidiriny ao amin'ny tany izay fananan'ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin'ny razambenareo;

6 dia hodiovin'ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon'ny taranakareo hitiavanareo AZY amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo.

7 Ary hampiharin'ny TOMPO Andriamanitrareo amin'ny fahavalo mpankahala sy mpanenjika anareo ireny ozona rehetra ireny.

8 Dia hanaiky ny TOMPO indray ianareo ka hanatanteraka ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio.

9 Ary hataon'ny TOMPO Andriamanitrareo manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo: hambininy avokoa ny asanareo; ho maro anaka ianareo; ho maro taranaka ny biby fiompinareo; ary hiavosa ny vokatry ny taninareo. Araka izay nifalian'ny TOMPO nanasoa ny razambenareo no hifaliany hanasoa anareo koa,

10 satria manaiky ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka mitandrina ny didy aman-dalany, izay voasoratra amin'ity bokin'ny Lalana ity, ary satria iverenanareo amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ny TOMPO Andriamanitrareo.

11 Fa izao didy ampitaiko aminareo izao dia tsy saro-pantarina aminareo na ivelan'ny takatrareo.

12 Tsy any an-danitra izany ka hanaovanareo hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba hotanterahintsika?

13 Tsy any ampitan'ny ranomasina izany ka hanaovanareo hoe: Iza no hiampita ny ranomasina haka azy ho antsika sy hampahafantatra azy antsika mba harahintsika?

14 Fa eo akaikinareo tokoa ny teny, dia eo am-bavanareo sy ao am-ponareo, mba harahinareo.

15 Ry Israelita, indro ataoko eo anoloanareo anio ny fiainana sy ny soa ankilany ary ny fahafatesana sy ny loza andaniny.

16 Raha ankatoavinareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, izay ampitaiko aminareo anio, ka hotiavinareo Izy sy hizoranareo ny sori-dalany ary hotandremanareo ny didy aman-dalany mbamin'ny fitsipiny, dia ho velona ianareo ka hihamaro, ary hotahin'ny TOMPO Andriamanitrareo any amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana.

17 Fa raha mivily kosa ny fonareo, ka tsy mankato ny TOMPO ianareo fa voataona hiankohoka eo anatrehan'ny andriamani-kafa sy hanompo azy,

18 dia ambarako aminareo dieny izao fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana, rehefa tafita ny ony Jordana ianareo.

19 Miantso ny tany amana habakabaka aho anio ho vavolombelona aminareo fa ataoko eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny ozona: koa fidio ny fiainana, mba ho velona ianareo sy ny taranakareo.

20 Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba razambenareo fa homena azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0627