Deoterônômy
Toko faha-26
1 Rahatrizay ianareo tafiditra ao amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo ho anjaranareo ka hahazo azy ho fanananareo sy hiorim-ponenana eo,2 dia maka ampahan'ny voaloham-bokatra rehetra azonareo avy amin'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, ka ataovy an-tsobika izany. Dia mankanesa amin'ny toerana izay hofidin'ny TOMPO Andriamanitrareo mba hipetrahan'ny voninahiny;
3 ary samia ianareo manatona ny mpisorona mpanao raharaha amin'izany andro izany, ka milaza aminy hoe: Manambara amin'ny TOMPO Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin'ny tany izay nianianan'ny TOMPO tamin'ny razambentsika homena antsika.
4 Dia horaisin'ilay mpisorona kosa ny sobika eny an-tananareo ka hapetrany eo anoloan'ny alitaran'ny TOMPO Andriamanitrareo.
5 Ary samy hiteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin'olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
6 Ratsy fitondra anay ny Ejiptianina ka nampahory anay sy nampanao anay fanompoana mafy.
7 Dia nitarainanay ilay TOMPO Andriamanitry ny razambenay, ka nohenoiny ny feonay ary hitany fa nahantra sy nijaly sady nampahorina izahay.
8 Fiarovana mahery sy fahefana tsy hay tohaina omban'ny fampatahorana goavana sy famantarana ary zava-mahagaga no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta;
9 ary nentiny hiditra teto amin'ity tany ity izahay ka nomeny anay ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10 Koa ankehitriny, TOMPO o, inty aho mitondra ny voaloham-bokatr'ilay tany izay efa nomenao ahy. Dia samy hametraka izany zavatra izany eo anoloan'ny Toeramasin'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo sady hiankohoka hitsaoka ny TOMPO Andriamanitrareo.
11 Avy eo noho ny soa rehetra izay nomen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia hifaly ianareo miaraka amin'ny Levita sy ny vahiny eo aminareo.
12 Isaky ny telo taona no fanangonana ny fahafolon-karena. Ka rehefa tapitra voaavakareo ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrareo, dia omeo ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izany mba hananany hanin-kahavoky azy ao an-tanananareo;
13 ary samia ianareo miteny eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrareo hoe: Efa navoakako niala ny tranoko, TOMPO o, ny zavatra voatokana ho Anao ka nomeko ny Levita sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena, araka ny didy manontolo izay nampitainao tamiko; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao ny amin'izany.
14 Ireo zavatra ireo tsy nisy nohaniko fony aho nisaona, na navoakako ny tranoko fony aho naloto ara-pivavahana, na nomeko hatao fanatitra noho ny maty; fa efa nihaino ny feonao aho, ry TOMPO Andriamanitro, ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
15 Tsinjovy avy ao amin'ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio ilay Israely vahoakanao sy ilay tany izay nomenao anay araka ny fianianana nataonao tamin'ny razambenay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
16 Anio no andidian'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo hanatanteraka ireo lalana amam-pitsipika ireo; koa himasoanareo hotanterahina amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ireo.
17 Efa nampiteneninareo ny TOMPO androany fa ho Andriamanitrareo Izy, ary ianareo hanaraka ny sori-dalany ka hitandrina ny lalanany sy didy amam-pitsipiny ary hihaino ny feony.
18 Efa nampitenenin'ny TOMPO kosa ianareo androany fa ho vahoaka fananany sarobidy indrindra ianareo, araka izay nampanantenainy taminareo, sady hitandrina ny didiny rehetra.
19 Eny, tiany hasandratra ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony ianareo na amin'ny voninahitra na amin'ny laza na amin'ny famirapiratana; dia ho vahoaka voatokana ho an'ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy.