Deoterônômy

Toko faha-28

1 Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo;

2 eny, raha ekenareo ny TOMPO Andriamanitrareo, dia ho tonga aminareo sy ho azonareo ireto fitahiana isan-karazany ireto:

3 Hotahina ianareo na ny ao an-tanan-dehibe na ny any ambanivohitra.

4 Ho maro anaka ianareo, hiavosa ny vokatry ny taninareo ary ho maro taranaka ny biby fiompinareo, dia ny omby sy ondry aman'osinareo.

5 Hotahina ianareo ka ho feno voankazo ny haronareo ary ho feno lafarinina ny vata fitahirizan-tsakafonareo.

6 Hotahina ianareo na miditra na mivoaka ny tranonareo.

7 Hatolotry ny TOMPO horesenareo ny fahavalo izay mitsangana hiady aminareo; ka raha lalana iray no handrosoany hiady aminareo, dia lalana fito kosa no handosirany hiala eo anoloanareo.

8 Handidy ny fitahiany ho aminareo ny TOMPO Andriamanitrareo, ka hambenany ny sompitrareo ary hampanjariany avokoa izay rehetra ataon'ny tananareo; eny, hotahiny ianareo any amin'ny tany izay omeny anareo.

9 Raha tandremanareo ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo ka tanterahinareo ny sori-dalany, dia hasandrany ho firenena voatokana ho Azy ianareo araka izay efa nianianany taminareo;

10 dia hahita avokoa ny firenena fa ny anaran'ny TOMPO no antsoina aminareo, ka hatahotra anareo izy rehetra.

11 Hataon'ny TOMPO manana amby ampy ny soa hafafiny aminareo, any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razambenareo homena anareo: ho maro anaka ianareo, ho maro taranaka ny biby fiompinareo ary hiavosa ny vokatry ny taninareo.

12 Hovohan'ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin'ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo.

13 Hataon'ny TOMPO ho lohalaharana ianareo fa tsy ho farany, ary hiroso ho ambony hatrany fa tsy ho ambany, satria ekenareo sady imasoanareo harahina ny didin'ny TOMPO Andriamanitrareo, didy izay ampitaiko aminareo anio;

14 eny, ny didy rehetra izay ampitaiko aminareo anio dia aza ialana mihitsy mba hanarahana sy hanompoana andriamani-kafa.

15 Raha tsy ekenareo kosa ny TOMPO Andriamanitrareo ka tsy imasoanareo hotanterahina ny didy aman-dalanany rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia ho tonga sy hianjady aminareo ireto ozona rehetra ireto:

16 Ho voaozona ianareo na ny ao an-tanan-dehibe na ny any ambanivohitra.

17 Tsy hisy voankazo ny haronareo ary tsy hisy lafarinina ny vata fitahirizan-tsakafonareo.

18 Tsy ho maro anaka ianareo; tsy hiavosa ny vokatry ny taninareo, ary tsy ho maro taranaka ny omby sy ondry aman'osinareo.

19 Ho voaozona ianareo na miditra na mivoaka ny tranonareo.

20 Amin'izay rehetra ataonareo, dia ozona sy tahotra aman'ahiahy no halefan'ny TOMPO aminareo; ka ho ringana sy ho levona faingana ianareo satria ratsy tokoa ny nataonareo tamin'ny nandaozanareo Azy.

21 Hataon'ny TOMPO azon'ny areti-mandringana ianareo ka ho lany ritra tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.

22 Areti-mahasaozanina sy tazo mahamay ary fanaintainana no hamelezan'ny TOMPO anareo; hasiany amin'ny andro mihantona sy vary main'ny rivotra na maty fotsy ianareo; dia hanjohy anareo ireny rehetra ireny ka ho lany ritra ianareo.

23 Ho mafy toy ny varahina ny lanitra eo ambony lohanareo, ary ho mafy toy ny vy ny tany eo ambany tongotrareo.

24 Toy izay ranonorana, dia vovoka sy fasika no halefan'ny TOMPO ho amin'ny taninareo; avy eny amin'ny habakabaka no hilatsahan'izany vovoka sy fasika izany aminareo, mandra-paharinganareo.

25 Hatolotry ny TOMPO horesen'ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany.

26 Ary hihinana ny fatinareo ny voro-manidina rehetra sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

27 Hamelezan'ny TOMPO anareo, tahaka ny hamelezany an'i Ejipta, ny vay isan-karazany sy ny hatina ary ny hazaka tsy andairam-panafody;

28 hamelezan'ny TOMPO anareo koa ny fahadalana sy ny fahajambana ary ny fahaverezan-tsaina.

29 Dia hitsapatsapa ianareo na dia amin'ny mitataovovonana aza, tahaka ny jamba mitsapatsapa ao anaty haizim-pito; tsy hahomby amin'ny zavatra hirosoanareo ianareo; hampahorin'ny sasany sy hobaboiny mandrakariva ianareo, fa tsy hisy hamonjy.

30 Hisy vehivavy efa fofombadinareo fa lehilahy hafa no hahazo azy; hanao trano ianareo, fa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka ianareo, fa tsy handray ny vokany.

31 Ny ombinareo hovonoina eo imasonareo, fa tsy hihinananareo; ny borikinareo halaina an-keriny eo anatrehanareo, fa tsy haverina aminareo; ny ondry aman'osinareo hafoy ho an'ny fahavalonareo, fa tsy hisy hamonjy anareo;

32 ny zanakalahinareo sy zanakavavinareo hafoy ho an'ny firenena hafa ka ny masonareo hipitrapitra sy ho valalanina manontolo andro noho ny alahelo azy, fa tsy hahefa na inona na inona ny tananareo.

33 Ny vokatry ny taninareo sy izay rehetra efa nisasaranareo dia hohanin'ny firenena izay tsy fantatrareo; ary hampahorin'ny sasany sy homongomongoiny mandrakariva ianareo.

34 Dia hanjary adala ianareo eo am-pijerena ny zavatra izay ho hitan'ny masonareo.

35 Hamelezan'ny TOMPO anareo ny vay ratsy, izay tsy andairam-panafody, dia vay ratsy hahavoa ny lohalikareo sy ny fenareo, ary hanenika ny tenanareo manontolo hatreo an-tampon-doha ka hatrany am-paladia.

36 Hoentin'ny TOMPO ianareo sy ny mpanjaka hatsanganareo ho filohanareo mba ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrareo na ny razambenareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa, dia vato aman-kazo voasokitra.

37 Ho figagan'ny olona sy ho ambentinteniny ary ho fihomehezany ianareo any amin'ny firenena rehetra izay hitondran'ny TOMPO anareo.

38 Voan-javatra betsaka no hoentinareo hafafy any an-tsaha, fa kely kosa no vokatra hangoninareo, satria ho lanin'ny valala ireny.

39 Hamboly voaloboka ka hikolokolo azy ianareo, nefa tsy hisotro divay akory; tsy hioty voaloboka akory aza ianareo, satria hohanin'ny fositra ireny.

40 Hanana fototr'oliva manerana ny faritaninareo ianareo; nefa tsy hisy menaka hihosoranareo akory, satria hihintsana tsy mbola matoy ny olivanareo.

41 Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianareo; nefa tsy ho anareo ireny, satria ho lasan-ko babo.

42 Ny hazonareo sy ny vokatry ny taninareo dia ho lanin'ny valala avokoa.

43 Ny vahiny eo aminareo no hisandratra ho ambony dia ambony noho ianareo, fa ianareo kosa ho ambany dia ambany.

44 Ireo no hampisambo-bola anareo fa tsy ianareo intsony no hampisambotra azy. Ireo no ho lohalaharana fa ianareo ho farany.

45 Dia ho tonga aminareo ireo ozona rehetra ireo, fa hanjohy anareo sy hianjady aminareo mandra-paharinganareo, satria tsy nekenareo ny TOMPO Andriamanitrareo sady tsy notandremanareo ny didy aman-dalana izay nampitainy taminareo.

46 Ho famantarana sy fampitandremana hatrany hatrany ireny ho anareo sy ho an'ny taranakareo.

47 Noho ianareo tsy manompo amin-kafaliana sy risipo ilay TOMPO Andriamanitrareo, fony ianareo nanam-be tamin'ny zavatra rehetra,

48 dia ho mpanompon'ny fahavalo halefan'ny TOMPO hamely anareo, ka hianjadian'ny hanoanana sy hetaheta ary hihafy amin'ny fitafiana sy ny zavatra isan-karazany. Hanisy zioga vy eo an-tsorokareo ny Tompo, mandra-pandringany anareo.

49 Firenena avy lavitra, firenena avy any am-paran'ny tany sady tsy fantatrareo ny fiteniny, izany no hoentin'ny TOMPO hiady aminareo; tahaka ny voromahery miantonta hipaoka remby no hiavian'izany firenena izany aminareo:

50 dia firenena masiaka endrika, tsy hanaja ny antitra na hiantra ny tanora,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0713