Ohabolana

Toko 1 Ohabolan'i Salomona zanakalahin'i Davida sady mpanjakan'i Israely.
Toko 2 Anaka, raisonao ny teniko ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.
Toko 3 Anaka, aza manadino ny fampianarako; ary aoka ho voatandron'ny fonao ny didiko.
Toko 4 Henoy, rey anaka, ny anatry ny ray ary milofosa hahalala ny fahaiza-manavaka.
Toko 5 Anaka, tandremonao ny tenim-pahendreko ary anongilano sofina ny tenim-pahalalako,
Toko 6 Anaka, niantoka trosan'ny namanao ve ianao ka nandray tanan'olon-kafa ho marik'izany?
Toko 7 Anaka, tandremonao ny teniko ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.
Toko 8 Injany fa miantso ny Fahendrena ary manandra-peo ny fahaiza-manavaka.
Toko 9 Nanangana ny tranony ny Fahendrena , rehefa avy nipaika ireo andry fito.
Toko 10 Ohabolan'i Salomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
Toko 11 Halan'ny TOMPO ireo mizana mandainga; fa ny lanja marina no tiany.
Toko 12 Izay tia fananarana tia fahalalana; fa adaladala izay mankahala tsikera.
Toko 13 Ny zanaka hendry mihaino ny anatry ny rainy, fa ny zanaka mpaniratsira kosa manda fitsikerana.
Toko 14 o oNy fahendren'ny vehivavy no mahamafy tokantrano; fa ny fahadalany kosa maharava izany.
Toko 15 Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.
Toko 16 Fikasana no an'ny olombelona; fa an'ny Tompo kosa ny teny farany.
Toko 17 Aleo tapa-mofo maina hanina amim-piadanana, toy izay fanasam-be ao amin'ny trano misy fifandirana.
Toko 18 Ny tia tena dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany; fa mampisafoaka azy rehefa mety fanampiana.
Toko 19 Aleo mahantra mizotra ho olom-banona toy izay mpanankarena milaza lainga.
Toko 20 Ny divay mahatonga ho mpaniratsira, ny toaka mahatonga ho mpitabataba, koa izay mimamo amin'izany tsy ho hendry.
Toko 21 Ny fon'ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin'ny tanan'ny TOMPO amin'izay tiany.
Toko 22 Aleo laza tsara toy izay harem-be; ary aleo mahazo sitraka amin'olona toy izay mahazo volamena sy volafotsy.
Toko 23 Raha miara-misakafo amin'ny manampahefana ianao, dia diniho tsara izay olona eo anoloanao.
Toko 24 Aza mitsiriritra ny ratsy fanahy na maniry hiaraka aminy.
Toko 25 Indreto koa no ohabolan'i Salomona voaangon'ny olon'i Hezekia mpanjakan'i Joda.
Toko 26 Diso toerana toy ny oram-panala fahavaratra na orana amin'ny fotoam-pijinjana ny voninahitra omena ny adala.
Toko 27 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; fa izay hiseho anio aza tsy fantatrao akory.
Toko 28 Mandositra ny olon-dratsy na dia tsy misy manenjika azy, fa ny olo-marina kosa matoky tena toy ny liona tanora.
Toko 29 Izay mafy hatoka tsy laitra anarina dia ho montsana tampoka tsy hisy fanafana.
Toko 30 Teny manan-danja nataon'i Agora zanakalahin'i Jake. Izao no teny hentitra nambaran'izany lehilahy izany tamin'i Itiela, dia tamin'i Itiela sy i Okala:
Toko 31 Izao no torohevitra izay noraisin'i Lemoela mpanjakan'i Masa tamin-dreniny:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0403