Ohabolana

Toko faha-17

1 Aleo tapa-mofo maina hanina amim-piadanana, toy izay fanasam-be ao amin'ny trano misy fifandirana.

2 Ny mpanompo hendry hisongona ny zanaka manala baraka, ka handray anjara lova eo amin'ny mpirahalahy.

3 Misy ny memy fisedrana ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ny volamena, fa ny TOMPO no mizaha toetra ny fon'ny olona.

4 Ny mpanao ratsy manongilan-tsofina amin-dresaka lainga, ary ny mpandainga mihaino ny tenim-panaratsiana.

5 Izay maneso ny mahantra miteny ratsy ny Mpanao azy; ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia hofaizina.

6 Satroboninahitry ny antitra ny zafikeliny; ary reharehan'ny zanaka ny rainy.

7 Tsy an'ny ketrina mihitsy ny hanao teny mihaja, ary vao mainka tsy an'ny olo-manankaja ny hilaza lainga.

8 Ny kolikoly dia heverina hanambinany mpanolotra azy, ka hampahomby ny zavatra rehetra hataony.

9 Izay mitady fihavanana manadino ny hadisoana; fa izay mamoha fota-mandry mampisaraka ny mpisakaiza.

10 Mandaitra kokoa ny anatra iray amin'ny olona misaina noho ny kapoka injato amin'ny olona adala.

11 Ny maditra dia fatra-pitady ny hanao ratsy, ka handefasan'ny Tompo iraka lozabe hamely azy.

12 Aleo tojo orsa vavy very anaka, toy izay sendra adala mihetsika hadalana.

13 Izay olona mamaly ratsy ny soa dia tsy hialan'ny ratsy ao an-tranony.

14 Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky toha-drano; koa ajanony izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.

15 Samy halan'ny TOMPO avokoa na ny fanamarinana ny olo-meloka na ny fanamelohana ny olo-marina.

16 Hatao inona ny vola eo an-tanan'ny adala? Hamidy fahendrena ve? Tsy manan-tsaina hanao izany izy.

17 Ny namana dia izay tia amin'ny fotoana rehetra, ka miseho toy ny mpiray tampo izy amin'ny fahoriana.

18 Olona tsy ampy saina izay mipai-tanana manaiky hiantoka ny trosan'ny hafa.

19 Izay tia fifandirana tia fahotana; ary izay manana hambom-po diso tafahoatra dia mitady fahavoazana ho an'ny tenany.

20 Izay be hafetsen-dratsy dia tsy hahita hasambarana; ary izay miolakola-piteny nohianjadian'ny loza.

21 Izay miteraka adala, hahazo alahelo; fa ny rain'ny ketrina tsy mba ho faly.

22 Ny fo falifaly mahasoa ny vatana; fa ny fahakiviana mahamaina ny taolana.

23 Mandray kolikoly mangingina ny olon-dratsy hamadihany ny fizotran'ny ara-drariny.

24 Misoritra amin'ny endriky ny manan-tsaina ny fahendrena, fa ny mason'ny adala mibirioka any am-paran'ny tany.

25 Ny zanaka adala manome alahelo ny rainy ary fahoriana mangidy ny reniny.

26 Tsy tsara ny manasazy olo-marina; tsy ara-drariny ny mamely olona manan-kaja.

27 Izay mahalanjalanja ny teniny no feno fahalalana; ary izay mahatsindry fo no olona manan-tsaina;

28 na ny adala aza, rehefa tsy miteny, dia toy ny hendry; rehefa mikombom-bava izy, dia toa manan-tsaina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574