Ohabolana

Toko faha-18

1 Ny tia tena dia tsy mitady afa-tsy ny tombontsoany; fa mampisafoaka azy rehefa mety fanampiana.

2 Tsy mahaliana ny adala izay fahaiza-manavaka, fa ny haneho ny heviny hatrany no sitrany.

3 Ny haratsiam-panahy dia mahatonga fanesoana; ary ny toetra manala baraka dia arahin-kenatra.

4 Ny teny aloaky ny vavan'ny olona dia mety ho lalina toy ny ranomasina sy hamelombelona toy ny ranondriaka, ary mety ho loharanom-pahendrena.

5 Tsy tsara ny miandany amin'ny olon-dratsy mba hahatonga ny marina ho resy amin'ny fitsarana.

6 Mahatonga fifandirana ny tenin'ny adala, ary miantso kapoka ny zavatra lazainy.

7 Fandringanan-tena ny lazain'ny adala ary fandrika ho azy ny teny ataony.

8 Toa hani-matsiro ny tenin'ny mpanendrikendrika, ka any anaty kibo no mikorotsaka.

9 Izay malaina amin'ny asany dia efa naman'ny mpanimba zavatra.

10 Tilikambo mafy ny anaran'ny TOMPO, ka ny olo-marina miezaka ho ao dia voaaro tokoa;

11 ho an'ny mpanankarena kosa dia ny fananany no toa tanana mafy, ary heveriny ho manda avo miaro azy tokoa izany.

12 Ny fireharehan'ny olona no mialoha ny faharavany; fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.

13 Izay mamaly teny tsy henony akory dia hadalana sy henatra ho azy izany.

14 Ny toe-panahy mavitrika dia mandresy ny aretina; fa zovy kosa no hanarina ny toe-panahy kivy?

15 Ny fon'ny manan-tsaina maniry hahazo fahalalana, ary ny olon-kendry liana hihaino izany.

16 Ny fanomezana dia mamoha varavarana ny mpanolotra ary mampiditra azy eo anatrehan'ny lehibe.

17 Amin'ny fitsarana dia izay miteny aloha no toa marina, mandra-piavin'ny ankilany hanohitra ny voalazany.

18 Ny fanontsanan-ko dia kely mety mampitsahatra fifandirana ary mamaha olana eo amin'ny samy mahery.

19 Sarotra kokoa noho ny mananika manda ny manatona rahalahy tafintohina; ary ny fifandirana dia mafy toy ny hidin-dapa.

20 Ny vokatry ny tenin'ny olona no hamelomany tena, eny, ny vokatr'izay lazainy no hivelomany;

21 ny mahafaty sy mahavelona dia miankina amin'ny teny, ka izay mankamamy miteny no hihinana ny vokany.

22 Izay mahita vady mahita fahasambarana; sady mahazo fanambinana avy amin'ny TOMPO izy.

23 Mitalaholaho ny mahantra, rehefa miteny; fa mihenjana kosa ny mpanankarena, rehefa mamaly.

24 Izay maro namana tsy maintsy ho sahirana, nefa misy sakaiza izay mifikitra noho ny mpiray tampo aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551