Ohabolana
Toko faha-9
1 Nanangana ny tranony ny Fahendrena , rehefa avy nipaika ireo andry fito.2 Novonoiny ireo bibiny, noharoharoiny ny divainy ary namboariny ny latabany.
3 Ireo mpanompovaviny no nirahiny eny amin'ny toerana avo indrindra ao an-tanana mba hiantsoantso izao fanasana izao:
4 Ianareo kely saina, mankanesa aty. Ireo bado koa dia nampilazany hoe:
5 "Avia mihinana amin'ny mofoko ary misotro amin'ny divay nomaniko.
6 Ialao ny hakelezan-tsaina, dia ho velona ianareo! ka mizora amin'ny lalan'ny fahaiza-manavaka. "
7 Izay mananatra ny mpaniratsira dia hahazo fanarabiana; ary izay manaraka ny olon-dratsy dia ho afa-baraka.
8 Aza mananatra ny mpaniratsira, fandrao hankahala iny ianao; fa ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
9 Manomeza ho an'ny hendry, dia hihahendry izy; ampianaro ny olo-marina, dia hitombo traikefa izy.
10 Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena ; ny fahalalana Ilay Masina no tena fahaiza-manavaka.
11 Eny, izaho Fahendrena no mahamaro ny andronao sy mampahalava ny taona hiainanao.
12 Raha hendry ianao, dia tombontsoa ho anao izany. Fa raha miavonavona kosa ianao, dia ianao ihany no hilanja ny vokany.
13 Ny Fahadalana dia toy ny vehivavy mpitabataba, kely saina ary tsy manam-pahalalana.
14 Mipetraka amin'ny seza izy eo am-baravaran'ny tranony, eny amin'ny toerana avo ao an-tanana,
15 mba hiantso ny mpandalo izay mizotra amin'ny alehany avy hoe:
16 Ianareo kely saina, mankanesa aty. Hoy koa izy tamin'ireo bado:
17 Mamy ny rano nangalarina ary matsiro ny mofo hani-miafina.
18 Tsy fantatr'ireo fa ny maty no ao, ary efa any amin'ny toeran'ny maty no mihitsoka ireo nasain'ny fahadalana.