Ohabolana

Toko faha-7

1 Anaka, tandremonao ny teniko ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.

2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; ary tandremo toy ny anakandriamaso ny fampianarako.

3 Ataovy toy ny peratra amin'ny rantsan-tananao ireo ary soraty ao am-ponao toy ny amin'ny vato fisaka.

4 Hevero toy ny anabavinao ny fahendrena ary toy ny havanao ny fahalalana;

5 ireo no hiaro anao amin'ilay vehivavy mpanitsakitsa-bady dia vehivavy hafa mpanao teny manangoly.

6 Raha teo am-baravarankelin'ny tranoko aho no mba nitazantazana indray andro,

7 dia nahita tovolahy maromaro; ary tamin'ireo no nisy anankiray kely saina,

8 dia tanora maivan-doha izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny fonenan'izany vehivavy izany ka nizotra nankany an-tranony.

9 Efa somambisamby ny takariva tamin'izay ary efa manakaiky ny alina sy ny haizina.

10 Indro tamy nitsena azy ilay vehivavy sady nanao fitafin'ny mpivarotena no feno hafetsifetsena ao am-po.

11 Sahisahy sady tsy mahatombin-tsiraka izy ka tsy mety tafapetraka ao an-tranony.

12 Fa mbetika eny an-dalambe, mbetika eny an-kianja no mamitsaka miandriandry izy eny amin'ny zoron-trano rehetra eny.

13 Dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy ary nisolantsolana nilaza taminy hoe:

14 "Efa nivoady tamin'Andriamanitra aho fa hanatitra sorom-pihavanana; ary androany no nanefako izany.

15 Koa nivoaka ny tranoko hitsena anao aho; te hahalala anao aho, ka dia nahita anao.

16 Ny fandriako efa novelarako firakotra, dia lambam-pandriana avy any Ejipta

17 ka nasiako miora sy aloesy ary kanelina hanamanitra azy.

18 Andeha isika hivoky fitia mandra-paharain'ny andro ka hiara-mankafy ny fahafinaretana vokatr'izany.

19 Fa tsy ao an-trano ny vadiko fa lasa nandeha lavitra.

20 Kitapo feno vola no nentiny, ka tsy hiverina izy raha tsy fenomanana indray ny volana."

21 Teny mamy no nandreseny lahatra ilay tovolahy ary resaka manodoka no nitaomany azy.

22 Koa nanaraka an-dravehivavy teo noho eo izy tahaka ny ombilahy entina ho vonoina: adala voafatotra toy izany izy no hofaizina

23 mandra-pitsatoky ny zana-tsipika amin'ny fony; tahaka ny vorona miriotra mankamin'ny harato izy, ka tsy mahalala fa hahafaty azy izany.

24 Koa ankehitriny henoinareo aho, rey anaka, ary tandremo tsara ny teny aloaky ny vavako.

25 Aoka tsy ho babon'ny vehivavy toy izany ny fonareo, ary aza mania mankany amin'ny sakeli-dalany.

26 Fa maro no efa naratrany ka simbany ary tsy tambo isaina ireo rehetra efa matiny.

27 Ny tranony no lalana ho amin'ny toeran'ny maty, dia lala-midina any am-ponenan-dRafahafatesana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0778