Ohabolana
Toko voalohany
1 Ohabolan'i Salomona zanakalahin'i Davida sady mpanjakan'i Israely.2 Ireo ohabolana ireo dia hahalalan'ny olona ny fahendrena amam-panabeazana, sy hahatakarany teny hahaiza-manavaka,
3 ary hahazoany fanabeazana mahiratra momba ny fahamarinana sy rariny ary fahitsiana.
4 Anomezam-pahamalinana ho an'ny olon-tsotra ireny ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an'ny tanora.
5 Na dia ny hendry aza no mihaino ireny, dia hitombo traikefa izy, ary ny lalin-tsaina hahita torolalana
6 hahatakarana ohabolana sy fanoharana ary ny tenin'olon-kendry sy ny ankamantany.
7 Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana ; fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.
8 Henoy, anaka, ny fananaran-drainao ary aza lavina ny fampianaran-dreninao;
9 handravaka ny fiainanao izany ka toy ny fehiloha kanto eo an-dohanao ary koa toy ny rado eo am-bozonao.
10 Anaka, aza manaiky ianao, raha taomin'ny naman-dratsy
11 ka ilazany hoe: "Andao hiaraka aminay; aoka isika hanotrika handatsa-dra, ka hotampohintsika tsy ahoan-tsy ahoana hatramin'ny olon-tsy manan-tsiny aza.
12 Tahaka ny fitelin'ny toeran'ny maty no hitelemantsika azy mbola velona ka hanaovantsika azy telimoka ho toy ny olona midina any am-pasana.
13 Halaintsika avokoa ireo haren-tsarobidiny; ka ho fenointsika babo ny tranontsika.
14 Dia hiombona anjara aminay ianao fa hiraisantsika rehetra ny kitapom-bolantsika!"
15 Anaka, aza mba miara-dalana amin'ny olona tahaka izany; halaviro ny lalan-kalehany.
16 Fa mihazakazaka ho amin'ny ratsy izy sady dodona ery handatsa-dra.
17 Tsy misy vokany ny famelaram-pandrika, raha toa ka hitan'ny voromanidina izany.
18 Ireny olon-dratsy ireny kosa dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; ka mamela-pandrika hamelezan-tena.
19 Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pandroba, ka ipaohana ny ain'izay fatra-panao azy.
20 Miantso mafy eny ankalamanjana ny Fahendrena ka manandra-peo eny an-kianja malalaka.
21 Mitory eny amin'ny fihaonan-dalanabe olona izy ka manambara eo am-bavahadin'ny tanana hoe:
22 "Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo hakelezan-tsaina? Ry mpaniratsira, mandra-pahoviana no handalanareo faniratsirana? Ry adala, mandra-pahoviana no hankahalanareo fahalalana?
23 Miverena hihaino ny fananarako ianareo fa indro haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24 Efa niantso aho fa nolavinareo, efa nanolo-tanana anareo fa tsy nahoanareo.
25 Nolavinareo ny torohevitro rehetra ary tsy noraharahainareo ny anatro.
26 Izaho kosa mba hihomehy ny faharavanareo ary handatsa rehefa ho tonga aminareo ny tahotra.
27 Eny, ho tonga aminareo toy ny tafiodrivotra ny tahotra, hiantonta toy ny rivodoza ny faharavanareo, ho tonga aminareo ny zava-mampahory sy mampitebiteby;
28 amin'izay no hisy hiantso ahy fa tsy ho valiako ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.
29 Hiharan'izany tokoa ianareo, satria nankahala ny fahalalana ary tsy nifidy hanaja ny TOMPO
30 sady tsy nanaiky ny torohevitro ary naniratsira ny anatro rehetra.
31 Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.
32 Fa ny di-doha no mahafaty ny kely saina ary ny fahatokian-tena no mahavery ny adala.
33 Izay mihaino Ahy kosa dia hitoetra amin-toky; eny, handry feizay izy ka tsy hanahy fahoriana."