Ohabolana
Toko faha-29
1 Izay mafy hatoka tsy laitra anarina dia ho montsana tampoka tsy hisy fanafana.2 Rehefa ny olo-marina no mitondra , dia faly ny vahoaka; fa rehefa ny olon-dratsy no mifehy, dia misento ny vahoaka.
3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; izay miaraka amin'ny mpivarotena kosa mandany harena.
4 Ny mpanjaka mpandala ny rariny no mampiorina mafy ny tany; fa izay mitaky hetra mihoa-pampana kosa no mampikorosy fahana izany.
5 Izay olona mandodoka ny namany dia mamela-pandrika ho an'ny tenany.
6 Ny olon-dratsy mamandri-tena amin'ny fahotany, fa ny olo-marina kosa mientanentan-kafaliana.
7 Ny olo-marina mahafantatra ny zon'ireo mahantra, fa ny olon-dratsy kosa tsy manana fahalalana izany.
8 Mampisavorovoro ny iray tanana ny mpaniratsira, fa mampitony fahatezerana kosa ny hendry.
9 Raha olon-kendry no manana ady amin'adala, dia ho tezitra na hihomehy ity adala, ka tsy hisy filaminana mihitsy.
10 Ny olona lian-dra mankahala ny olom-banona, fa ny olo-mahitsy kosa miahy ny ainy.
11 Manampatra hatezerana ny adala, fa mahatsindry fo kosa ny hendry.
12 Raha mihaino lainga ny mpitondra, ho tonga ratsy avokoa ny olom-peheziny.
13 Izao no iraisan'ny mahantra sy ny mpampahory; samy omen'ny TOMPO maso hijerena izy roa tonta.
14 Manamafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany ny mpanjaka izay mitsara marina ny mahantra.
15 Manome fahendrena ny tsorakazo sy ny fananarana, fa henatra ho an-dreniny kosa ny zaza avela hanaram-po.
16 Raha maro ny olon-dratsy, dia mitombo ny heloka; fa ny olo-marina kosa ho vavolombelon'ny fianjerany.
17 Faizo ny zanakao, dia hahafinaritra anao izy ary hanome fahafaham-po anao.
18 Rehefa tsy misy fanambaran'ny mpaminany, dia mivarilavo ny vahoaka; fa sambatra kosa izany vahoaka izany raha mitandrina ny lalanan'ny Tompo.
19 Tsy amin'ny teny no amaizana ny mpanompo; fa na azony aza izany, dia tsy hankatoaviny.
20 Raha mahita olona miteny tsy amim-piheverana ianao, dia ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.
21 Izay mampihanta ny mpanompony hatry ny fahakely dia hampahaditra azy amin'ny farany.
22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; izay mora misafoaka mampiavosa hadisoana.
23 atra ny antokon-tafika sivy; noratrainy sy noboriny kosa ny ankabeazan'ny
24 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra, dia fahavalon'ny tenany; nandre ny ozona mety hihatra izy, kanefa tsy milaza ny mpangalatra.
25 Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny Tompo kosa no voaaro.
26 Maro no mila sitraka amin'ny mpitondra; fa ny TOMPO ihany no mitsara ny olona tsirairay.
27 Halan'ny olo-marina ny olona mpivadi-bolana; ary halan'ny olon-dratsy ny mahitsy fitondrantena.