Ohabolana
Toko faha-27
1 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; fa izay hiseho anio aza tsy fantatrao akory.2 Aoka ny olon-kafa na ny vahiny no hidera anao, fa tsy ny tenanao no hisoka-bava hanao izany.
3 Mavesatra ny vato ary manan-danja ny fasika; fa manoatra noho izy roa tonta ny lolom-pon'ny adala.
4 Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan'ny fialonana?
5 Aleo fampitandremana tsy misorona toy izay fitia afinafenina.
6 Ny tsikera ataon-tsakaiza dia itokiana hahasoa fa ny oroky ny fahavalo kosa mamitaka.
7 Izay voky tsy mahahinan-tantely, fa izay noana kosa mankamamy sakafo mangidy.
8 Toy ny vorona miriorio lavitry ny akaniny ny olona mirenireny lavitry ny fonenany.
9 Ny menaka fanosotra sy ny ilo manitra dia mahafaly ny fo; fa ny fahoriana mampisafotofoto ny fanahy.
10 Aza mahafoy ny sakaizanao na ny naman-drainao. Raha tojo fahasahiranana ianao, aza mankany amin'ny rahalahinao, fa tsara kokoa ny mpifanila akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11 Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12 Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery, fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13 Raha misy olona sahy miantoka trosan'olona vahiny, dia tano ny akanjony ho antoka ny amin'io olon-tsy fantatra io.
14 Izay manaitra namana vao maraina be, satria niarahaba azy tamim-peo mahery, dia tahaka ny manozona azy.
15 Ny vehivavy tia ady dia toy ny fantsona izay tsy mitsaha-mitete amin'ny andro manorana;
16 izay misakana azy dia toy ny misakan-drivotra na mamihina menaka amin-tanana ila.
17 Ny vy no andranitana ny vy; dia toy izany koa ny olona ihany no andranitana ny sain'olon-kafa.
18 Izay mikolokolo ny aviaviny hihinana ny voany; ary izay mikarakara ny tompony homem-boninahitra.
19 Tahaka ny itarafanao ny tandindonao anatin'ny rano no itarafanao ny tenanao anatin'ny fonao.
20 Tsy mba mety voky ny fonenan'ny maty, ary tsy mba mety afa-po ny mason'olombelona.
21 Misy ny memy fisedrana ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ny volamena, fa ny lazany kosa no itsarana ny olona.
22 Na dia totoinao toy ny vary an-daona aza ny adala, dia tsy ho afaka aminy akory ny hadalany.
23 Fantaro tsara ny toetoetry ny ondry aman'osinao ary tandremo fatratra ireo biby fiompinao;
24 satria ny harena akory tsy haharitra mandrakizay ary ny satroboninahitra tsy hateza hampitaina amin'ny taranaka mifandimby.
25 Tapaho ny ahitra eny an-tsaha, ka mandritra ny itsirian'ny solofony, dia angony ny vilo-maina eny an-tendrombohitra.
26 Manana ondry hahazoanao fitafiana, manana osilahy hahafahanao mividy saha;
27 ary hanome ronono be ny osivavinao ka hisy hamelomanao ny tenanao sy ny ankohonanao ary ny mpanompovavinao.