Ohabolana
Toko faha-12
1 Izay tia fananarana tia fahalalana; fa adaladala izay mankahala tsikera.2 Ny tsara fanahy dia mahazo sitraka avy amin'ny TOMPO, fa izay manana sain-dratsy kosa helohiny.
3 Tsy haratsiam-panahy no mahatafaorina ny olona; fa ny marina kosa mamaka tsy misy mahozongozona.
4 Satroboninahitry ny vadiny ny vehivavy tsara fanahy, fa homamiadana mikiky azy kosa ny vehivavy tsy mendrika.
5 Ny olo-marina mihevitra ny rariny; fa ny olon-dratsy kosa misaina fitaka.
6 Ny tenin'ny olon-dratsy dia fandrika mahafaty; ny lazain'ny olo-marina kosa mamonjy ny hafa.
7 Raha miongana ny olon-dratsy, dia tsy misy tafajanona; fa ny ankohonan'ny olo-marina kosa maharitra hatrany.
8 Ny fahaizan'ny olona no hiderana azy, fa izay adaladala kosa hatao tsinontsinona.
9 Aleo olon-tsotra manana mpanompo anankiray, toy izay mpirehaka ho maro mpanompo nefa tsy manan-kohanina.
10 Ny olo-marina mahalala mitsimbina ny bibiny; fa ny olon-dratsy kosa masiaka hatramin'ny atiny.
11 Izay miasa ny taniny ho voky hanina, fa izay manao hevi-dravina kosa tsy ampy saina.
12 Ny olon-dratsy maniry tombontsoa tsy ara-drariny; fa ny olo-marina kosa maharitra sy mamokatra.
13 Ny olon-dratsy voafandriky ny laingany ihany; fa ny olo-marina kosa afa-miala amin'ny fahoriana.
14 Ny tenin'ny olona no ahazoany fahombiazana sy andraisany ny vokatr'izay asan'ny tanany.
15 Ny adala dia mihevitra ho mahitsy toetra; fa hendry kosa ny olona izay mandray torohevitra.
16 Ny adala maneho hatezerana eo noho eo, fa ny hendry alaim-baraka kosa mahatsindry fo.
17 Izay milaza ny marina no manambara ny rariny; fa fitaka kosa no ambaran'ny vavolombelona mandainga.
18 Izay mitsaontsaona dia mety handratra toy ny sabatra; fa ny tenin'ny hendry kosa dia fanasitranana.
19 Ny teny marina dia mitombina hatrany; fa ny lainga kosa dia indray mipi-maso ihany.
20 Fitaka no ao am-pon'izay miteti-dratsy;fa fifaliana kosa ho an'izay misaina fihavanana.
21 Tsy misy ratsy manjo ny olo-marina; fa ny olon-dratsy kosa heniky ny loza.
22 Mankahala ny mpandainga ny TOMPO, fa mankasitraka kosa ny olona mahatoky.
23 Ny olona malina tsy mampideradera ny fahalalany; fa ny fon'ireo adala kosa mamoaka hafokana.
24 Ny olona mazoto miasa no homena fitondrana; fa ny olona kamo kosa dia hampanaovina asa an-terivozona.
25 Ny ahiahy mandreraka ny fon'ny olona; fa ny teny soa kosa mahafaly azy.
26 Ny olo-marina dia mpitari-dalana ny namany; fa ny toetran'ny olon-dratsy kosa mamery azy.
27 Ny mpihaza kamo tsy mba manana haza hatono; fa soa sarobidy kosa ny olona mazoto miasa.
28 Ny lalan'ny fahamarinana no misy ny fiainana; fa ny lalam-paharatsiana kosa mankany amin'ny fahafatesana.