Ohabolana

Toko faha-15

1 Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.

2 Ny fitenin'ny hendry manosaka fahalalana mahasoa; fa ny vavan'ny adala kosa mampiely fahadalana.

3 Ny mason'ny TOMPO dia mijery eny rehetra eny ka mahita ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.

4 Ny teny mamy dia mitondra aina; fa ny vava ratsy kosa mandrera-po.

5 Ny adala manamavo ny fananaran-drainy; fa izay mandray tsikera no hita ho hendry.

6 Harem-be no ao an-tranon'ny olo-marina; fa mampiahiahy kosa ny harikaren'ny olon-dratsy.

7 Ny tenin'ny hendry mampiely fahalalana; fa hafa noho izany kosa ny fon'ny adala.

8 Halan'ny TOMPO ny sorona aterin'ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.

9 Halan'ny TOMPO ny fitondrantenan'ny olon-dratsy; fa tiany kosa ny mpandala ny fahamarinana.

10 Hofaizina mafy izay mandao ny toetra tsara; fa ho faty tokoa izay mankahala anatra.

11 Fantatry ny TOMPO na dia izay miseho any amin'ny toeran'ny maty aza; koa mainka fa ny ao am-pon'ny olona.

12 Tsy tian'ny mpaniratsira ny hotsikeraina, ka izany no tsy mba anatonany ny olon-kendry.

13 Ny fo falifaly mahamiran-tava; fa ny fo malahelo maharera-panahy.

14 Ny manan-tsaina mikatsaka fahalalana; fa ny adala kosa miletra fahadalana.

15 Ratsy avokoa ny andron'ny olona ory; fa fety lava kosa ny fiainan'ny olona sambatra.

16 Aleo manan-kely ombam-panajana ny TOMPO, toy izay manan-karembe difotra ahiahy.

17 Aleo mihinana anana ombam-pitiavana, toy izay hena matavy laroam-pankahalana.

18 Ny olona mora tezitra no mihantsy ady; fa izay mahatsindry fo kosa mampitony fifandirana.

19 Ny lalan'ny kamo dia feno korontan-tsilo; fa ny lalan'ny olo-marina kosa milamina tsara.

20 Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; fa ny zanaka adala manamavo ny reniny.

21 Ny fahadalana no mahafaly ny olona tsy ampy saina; fa ny manan-tsaina kosa mahitsy fitondrantena.

22 Foana ny fikasana tsy ampy mpanolotsaina; fa tanteraka kosa izany, raha maro ireny.

23 Fifaliana ho an'ny olona ny fahaiza-mamaly; ary fatratra ny teny atao amin'ny ilana azy.

24 Ny lala-miakatra ho amin'ny fiainana no alehan'ny hendry ka idifiany ny toeran'ny maty any ambany.

25 Ny tranon'ny mpiavonavona dia ravan'ny TOMPO; fa arovany kosa ny tanin'ny mpitondratena.

26 Halan'ny TOMPO ny fikasan-dratsy; fa madio aminy kosa ny teny tsara atao.

27 Ny olona adalam-bola dia mampikorontana ny ankohonana; fa izay mankahala risoriso no hovelona.

28 Ny olo-marina mieritreritra vao mamaly; fa ny olon-dratsy kosa manely fanaratsiana.

29 Ny TOMPO manalavitra ny olon-dratsy, fa mihaino kosa ny vavaky ny olo-marina.

30 Ny endrika sariaka maharavo ny fo; ary ny vaovao mahafaly mamelombelona ny aina.

31 Izay manongilan-tsofina hihaino anatra mahavonjy no hiara-monina amin'ny olon-kendry.

32 Izay manda anatra manamavo ny tenany; fa izay mihaino tsikera mahazo fahalalana.

33 Ny fanajana ny TOMPO dia fianaram-pahendrena ; ary tokony hanetry tena alohan'ny hisondro-boninahitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551