Ohabolana
Toko faha-24
1 Aza mitsiriritra ny ratsy fanahy na maniry hiaraka aminy.2 Fa tsy misaina afa-tsy fandravana ny fony, ary tsy miteny afa-tsy faharatsiana ny molony.
3 Ilana fahendrena ny fanorenan-trano, ilana fahaizana ny hahamafy azy;
4 ilana fahalalana ny famenoana azy fanaka soa sy sarobidy ao anatiny.
5 Aleo hendry toy izay matanjaka; ary aleo manam-pahalalana toy izay mihetraketraka.
6 Tetika voarindra no hitondranao ny ady; ary tolotsaina maro no ahazoam-pandresena.
7 Avo tsy takatry ny adala ireo tenim-pahendrena, ka tsy mba manoka-bava izy eo am-bavahady.
8 Izay misaintsaina ny hanao ratsy no atao hoe mpanao tetika maizina;
9 ny tetika ataon'ny adala dia fahotana, ary halan'ny olona ny mpaniratsira.
10 Raha osa amin'ny androm-pahoriana ianao, dia kely dia kely herim-po tokoa!
11 Aza misalasala mamonjy ireo voaheloka ho faty kanefa tsy mitombina ny antony amonoana azy.
12 Raha hoy ianao hoe: "Tsy fantatro izany", dia mahatakatra an-tsaina izany kosa Ilay mahita ny ao am-po tsy miloaka ary mahalala izany Ilay mandinika anao; sady ho valiany araka ny asany avy ny olona.
13 Anaka, mihinana tantely fa tsara izany; ary ho mamy am-bavanao ny tohony.
14 Aoka ho fantatrao fa toy izany koa ny hatsaran'ny fahendrena ho anao. Koa raha anananao izany, dia hisy ny ho avy handrandrainao ary tsy ho foana ny fanantenanao.
15 Ry ilay olon-dratsy, aza anaovanao otrika eo akaikin'ny tranon'ny olo-marina, ary aza ravanao ny fonenany;
16 satria mety lavo impito ny olo-marina, kanefa tafarina ihany, fa ny olon-dratsy kosa mianjera rehefa injay idiran-doza.
17 Aza mifaly, raha lavo ny fahavalonao; ary aza mibitaka, raha mianjera izy.
18 Fandrao hitan'ny TOMPO ka tsy sitrany izany, ary tsy ho tezitra amin'ny fahavalonao intsony Izy.
19 Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy ary aza mialona ny olon-dratsy;
20 fa tsy mba manana ho avy handrandraina ireo ary ho faty toy ny jiro mitsilopy ny fiainany.
21 Anaka, manaja ny TOMPO ary koa ny mpanjaka; aza ikambananao ireo mitady hikomy aminy.
22 Fa hanjo azy tampoka ny antambo; ary iza no mahalala izay loza hataon'ny Tompo sy ny mpanjaka aminy?
23 Izao koa dia mbola avy amin'ny hendry: Tsy tsara ny manao fitsara-mitanila.
24 Izay mpitsara manao amin'ny meloka hoe: "Tsy manan-tsiny ianao", dia hozonin'ny vahoaka ary hankahalain'ny firenena.
25 Fa izay mpitsara manameloka ny diso kosa dia ho finaritra sy hiantefan'ny laza tsara.
26 Porofom-pihavanana tena izy ny valinteny omena am-pahatsorana.
27 Vitao aloha ny asanao any ivelany ary ataovy vonon-kamokatra ny saha, vao izay ianao no manangana ny tranonao.
28 Aza mety ho vavolombelom-poana hanameloka tsy amin'antony ny namanao; sa ianao ve te hamitaka amin'ny teninao?
29 Aza manao hoe: "Hataoko aminy izay nataony tamiko, ho valiako araka ny asany iny olona iny!"
30 Nandalovako, indray andro, ny sahan'ny kamo sy ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.
31 Indro tsilo sy ahidratsy sisa no hitako hatraiza hatraiza; ary ny fefy vato manodidina dia nirodana.
32 Nandinika ny zavatra hitako aho ka nahazo lesona avy aminy:
33 matory kely ianao, rendremana kely, dia mitsotsotra kely manohon-tanana;
34 amin'izay anefa dia hamely anao tampoka toy ny mpisodisody ny fahantrana ary toy ny jiolahy ny fahoriana.