Ohabolana

Toko faha-5

1 Anaka, tandremonao ny tenim-pahendreko ary anongilano sofina ny tenim-pahalalako,

2 mba hitandroanao ny fisainana mazava ary mba hitenenanao amim-pahaizana.

3 Eny, mamy toy ny tantely avy amin'ny tohotra ny firesaky ny vehivavy ratsy fitondrantena; ary malama noho ny menaka aza ny fiteniny.

4 Nefa ny farany mafaitra toy ny hazo mangidy ary mandratra hoatra ny sabatra roa lela.

5 Fa midina ho amin'ny fahafatesana ny fizotran'izany vehivavy izany; ary miafara any amin'ny toeran'ny maty ny diany.

6 Tsy manaraka ny lalana ho amin'ny fiainana izy fa diso lalana tsy mahafantatra izay alehany.

7 Koa ankehitriny, anaka, henoinao Aho; aza miala amin'ny teniko.

8 Halaviro ny lalanao ny vehivavy toy izany ary aza manakaiky ny tokonam-baravarany,

9 fandrao homeny ny hafa ny voninahitrao ary ho voagejan'izay lehilahy lozabe ny taonanao.

10 Ka vahiny no hivoky amin'ny fanananao, olon-kafa no hitavana amin'ny vokatry ny asanao;

11 dia hitoloko ianao amin'ny farany, rehefa mihaosa ny tenanao ama-nofonao.

12 Dia iny ianao fa hilaza hoe: "Nahoana re no nankahala famaizana aho sy naniratsira fananarana,

13 ka tsy nihaino ny tenin'ireo mpanabe ahy ary tsy nanongilan-tsofina tamin'ireo mpampianatra ahy?

14 Efa saiky rembin'ny faharatsiana isan-karazany aho ary saiky voailiky ny fiangonana sy ny fiaraha-monina."

15 Ny vadinao dia tahaka ny loharano madio sy toy ny fantsakana ho anao; koa misotroa aminy.

16 Fa aza avela hikoriana sy hipariaka eny an-dalambe fotsiny ny ranony.

17 Aoka ho anao samirery izany fa aza ikambanana amin-kafa!

18 Hotahina anie izany loharano madio izany, dia ilay vadinao hatry ny fahatanoranao, ka mifalia aminy mandrakariva.

19 Fa toy ny diera vavy maha te ho tia sy toy ny gazela mahafinaritra ny vadinao. Hahafeno haravoana anao anie ny hatsaram-bikany ary hahasambatra anao mandrakariva ny fitiavany!

20 Koa nahoana ianao, anaka, no ho raiki-pitia amin'izay vehivavy vadin'olon-kafa ka manolo-tena hanafosafo azy?

21 Fa izay toetran'ny lehilahy tsirairay dia eo imason'ny TOMPO hatrany ka dinihiny avokoa izay izorany.

22 Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.

23 Ho fatin'ny tsy fahaiza-mifehy tena izy, ka ho very noho ny hadalany mihoa-pampana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558