Ohabolana

Toko faha-11

1 Halan'ny TOMPO ireo mizana mandainga; fa ny lanja marina no tiany.

2 Setrin'ny fiavonavonana ny fahafaham-baraka; fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.

3 Ny toetra vanona no mitarika ny olo-mahitsy; fa ny haratsiana kosa mandringana ny mpamitaka.

4 Tsy misy ilana ny harena amin'ny andro fitsarana; fa ny fahamarinana no manafaka amin'ny fahafatesana.

5 Ny fahamarinan'ny olom-banona manamora ny fiainany; fa ny olon-dratsy kosa verin'ny faharatsiany.

6 Ny fahamarinan'ny olo-mahitsy manafaka azy; fa voafandriky ny filan-dratsy kosa ny mpamitaka.

7 Rehefa maty ny olon-dratsy, dia miara-maty aminy koa ny fanantenany, indrindra fa izay nankininy tamin'ny harena.

8 Ny olo-marina dia afahana amin'ny tebiteby; fa ny olon-dratsy kosa no hiditra hisolo azy ao.

9 Ny mpanda an'Andriamanitra dia manimba namana amin'ny teniny; fa ny fahalalana kosa no hanafahana ny olo-marina.

10 Mifaly amin'ny fahombiazan'ny olo-marina ny tanana, ary velom-pihobiana amin'ny fahafatesan'ny olon-dratsy.

11 Ny tsodranon'ireo olo-mahitsy no isandratan'ny tanana; fa ny tenin'ireo olon-dratsy kosa no aharavany.

12 Izay manambany ny namany no bado; fa aleon'ny manan-tsaina mangina.

13 Ny mpanely fanaratsiana no manambara tsiambaratelo; fa ny olo-mahatoky kosa mahay manafin-javatra.

14 Ho very ny vahoaka tsy misy mpitondra; fa raha maro mpanolo-tsaina izy no handry feizay.

15 Izay miantoka ny trosan'ny hafa dia hanenina mafy; milamin-tsaina kosa izay tsy manaiky hanao izany.

16 Ny vehivavy tsara tarehy mahazo haja; ary ny lehilahy mavitrika mahazo harena.

17 Ny olona tsara fanahy dia manasoa tena; fa ny olona masiaka kosa mampahory tena.

18 Karama manodoka no raisin'ny olon-dratsy; fa valisoa azo antoka no an'izay mamafy fahamarinana.

19 Izay mitandro fahamarinana dia ho velona; fa izay mpanaraka ny ratsy kosa ho faty.

20 Halan'ny TOMPO ny olona fetsifetsy; fa izay manan-toetra vanona kosa no tiany.

21 Azo antoka tokoa fa hofaizina ny ratsy fanahy; fa ny taranaky ny marina kosa ho voavonjy.

22 Ny hatsaran-tarehin'ny vehivavy tsy misaina dia toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa.

23 Ny soa ihany no kendren'ny olo-marina; fa ny fahatezeran'Andriamanitrao kosa no arehitry ny fanirian'ireo olon-dratsy.

24 Misy izay malala-tanana nefa mitombo harena hatrany; ary misy kahihitra loatra nefa mihamahantra ihany.

25 Hiavosam-panambinana ny olona mpanao soa, ary izay manome rano hosotroina dia ho afa-ketaheta.

26 Ozonim-bahoaka izay mitahiry ny variny fa tsofiny rano kosa izay mivarotra ny azy.

27 Izay fatra-pikatsaka ny soa dia misarika ny fanambinan'Andriamanitra; fa izay mitady ny ratsy kosa dia hahita loza.

28 Hihareraka izay mitoky amin'ny hareny, fa ho tahaka ny ravin-kazo maitso kosa no handrobonan'ny olo-marina.

29 Izay mitondra korontana ao an-tranony dia adala, ka handova rivotra sy ho tonga mpanompon'ny hendry.

30 Ny vokatry ny fahamarinana dia toy ny hazon'aina; ary ny hendry no mahataona olona.

31 Omem-balisoa ety an-tany ny olo-marina; koa ny ratsy fanahy sy ny mpanota dia vao mainka hahazo ny setry sahazao !

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556