Ohabolana

Toko faha-26

1 Diso toerana toy ny oram-panala fahavaratra na orana amin'ny fotoam-pijinjana ny voninahitra omena ny adala.

2 Manidina tsy tafapetraka ny fody sy ny sidintsidina; toy izany koa ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra akory izany.

3 Ny karavasy dia ho an'ny soavaly, ny lamboridy ho an'ny boriky ary ny tsorakazo ho an'ny lamosin'ny adala.

4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.

5 Valio araka ny hadalany ny adala fandrao mihevi-tena ho hendry izy.

6 Izay mampitondra hafatra ny adala dia toy ny olona manapa-tongotra ny tenany ka tonga miboboka fahavoazana.

7 Ny ohabolana lazain'ny adala dia mikolepaka tahaka ny malemy tongotra.

8 Toy ny mamatotra vato amin'ny antsamotady ny manome voninahitra ny adala.

9 Ny ohabolana lazain'ny adala dia toy ny tsilo hazonin'ny mamo.

10 Ny mpampiasa manarama adala sendra mandalo dia mandratra ny olona rehetra.

11 Ny alika miverina amin'ny loany ary ny adala miverina amin'ny hadalany.

12 Raha mahita olona mihevi-tena ho hendry ianao, dia ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.

13 Hoy ny kamo: "Misy liona ao an-dalana, misy biby masiaka atsy an'arabe."

14 Ny varavarana mihodina amin'ny saviliny ary ny kamo mivadibadika eo am-pandriany.

15 Mangarona ny sakafo ao an-doviany ny kamo nefa mandreraka azy ny hampakatra izany ao am-bavany.

16 Ny kamo dia mihevi-tena ho hendry mihoatra noho ny olona fito kinga famaly.

17 Ny mpandalo izay misalovana amin'ny adin'ny hafa dia toy ny misambotra alika amin'ny sofiny.

18 Ny olona mamitaka ny namany ka manao aminy hoe: "Vazivaziko ihany izany", dia tahaka ny olona adala mandefa forohana sy zana-tsipika mahafaty.

20 Rehefa tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; ary rehefa tsy misy mpanendrikendrika intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.

21 Ny arina mitaiza vainafo, ny kitay mitaiza afo ary ny olona liana ady mandrehitra fifandirana.

22 Toa hani-matsiro ny tenin'ny mpanendrikendrika, ka any anaty kibo no mikorotsaka.

23 Toy ny ankoso-bolafotsy amin'ny tanimanga ny teny mandodoka manafina fo ratsy.

24 Teny mihatsaravelatsihy no ataon'ny mpankahala, kanjo ny ao anatiny mikotrika fitaka;

25 koa na dia miteny amim-pitiavana aza izy, dia aza matoky azy fa feno rikoriko ny fony;

26 mahay manafim-pankahalana izy, nefa hiharihary ampahibemaso ny haratsiany.

27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay manakodia vato no hikodiavany.

28 Ny mampahory olona amin'ny lainga dia fankahalana azy; ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551