Ohabolana
Toko faha-6
1 Anaka, niantoka trosan'ny namanao ve ianao ka nandray tanan'olon-kafa ho marik'izany?2 Namatotra sy naningotra anao ve ny teny sy fampanantenana voalazanao?
3 Raha eny, dia izao no ataovy, anaka, mba hahafaka ny tenanao izay efa mby eo an-tanan'ny namanao: mandehana mitalaho mafy aminy.
4 Aza miala sasatra mihitsy na matory mandra-panaikin'io namanao io.
5 Afaho ny tenanao, ka tahafo ny gazela sy ny vorona izay afa-miala amin'ny fandrika nihazonana azy.
6 Mankanesa any amin'ny vitsika, ry ilay kamo ; diniho ny fanaony, ka mba hendre.
7 Tsy manana komandy na mpifehy na mpibaiko izy,
8 nefa mamory ny haniny raha faha varatra ary manangona ny sakafony raha fararano.
9 Fa ianao kosa, ry ilay kamo, mandra-pahoviana no mbola handrianao? Rahoviana ihany ianao vao hifoha?
10 Mbola hatory kely sy ho rendremana kely ianao ary hanohon-tanana kely eo am-pandriana ihany.
11 Amin'izay anefa dia hamely anao tampoka toy ny mpisodisody ny fahantrana ary toy ny jiolahy ny fahoriana.
12 Tsy valahara sady tsy misy ilana azy ny olona mpamafy lainga.
13 Mipi-maso hamitaka ny hafa izy sady miantso amin'ny tongony no manao famantarana amin'ny rantsan-tanany.
14 Hafetsifetsena no mameno ny fony ka mampihevi-dratsy azy mandrakariva sy mahatonga azy hamafy ady.
15 Izany no hampiavy tampoka ny faharavany; fa ho potika vetivety tsisy fanafana izy.
16 Misy zavatra enina izay halan'ny TOMPO ka tsy zakany mihitsy, dia ireto:
17 ny fijery miavonavona, ny fiteny mandainga, ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny,
18 ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy,
19 ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika. Fa misy koa zavatra fahafito, dia ny olona mpamafy ady amin'ny rahalahiny.
20 Anaka, tandremo ny didin-drainao ary aza lavina ny fampianaran-dreninao.
21 Araiketo mandrakariva ao am-ponao ireo, ary kajio toa firavaka fiambozonanao.
22 Hitari-dalana anao izy raha mandeha ianao, hiambina anao raha matory ianao ary hanoro hevitra anao raha mifoha ianao.
23 Fa tahaka ny jiro ny didy toy ny fanilo ny fampianarana, ary toy ny sori-dalam-piainana ireo famaizam-panabeazana,
24 ka hiaro anao amin'ny vehivavy ratsy fitondrantena sy amin'ny fanangolen'ny vehivavy vadin'olon-kafa.
25 Aza mitsiriritra ny hatsaran-tarehiny ianao ary aza babon'ny masony mitsipalopalotra.
26 Vidin-tapa-mofo no ahazoan-dehilahy ny vehivavy mpivarotena iray; fa mihaza remby lafo vidy kosa ny vehivavy mpanitsakitsa-bady.
27 Misy olona mitondra afo amin'ny paosin'akanjony ve ka tsy hirehitra akanjo?
28 Misy olona manitsaka vain'afo ve ka tsy ho may tongotra?
29 Dia toy izany fa tsy hieren-doza izay mandry amin'ny vadin'ny namany.
30 Tsy omen-tsiny akory ny mpangalatra, raha toa ka mandroba hampitony hanoanana.
31 Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny ka hanome izay ananany rehetra ao an-tranony.
32 Adala izay lehilahy mangala-badin'olona; manimba tena ny manao izany.
33 Fa hijinja aretina sy fahafaham-baraka izy ka tsy ho afa-kenatra mandrakizay.
34 Satria ny fahasaro-piaro dia hampisafoaka ny vadin'izany vehivavy izany; ka tsy hiantra rafilahy izy amin'ny andro hamaliany faty.
35 Tsy hanaiky handray onitra izy ary tsy hety hilefitra mihitsy, na dia ho tambazana fanomezana be aza.