Ohabolana
Toko faha-16
1 Fikasana no an'ny olombelona; fa an'ny Tompo kosa ny teny farany.2 Ny olona mihevitra ny ataony ho mety avokoa; fa ny TOMPO no mitsara ny toe-panahy manesika azy.
3 Ankino amin'ny TOMPO ny asanao, dia ho tanteraka izay kasainao.
4 Samy misy antony avokoa ny zava-drehetra nataon'ny TOMPO; ka na dia ny ratsy fanahy aza dia nataony ho amin'ny androm-pamaizana.
5 Halan'ny TOMPO ny olona (miavona; azo antoka fa hofaiziny ireny.
6 Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin'ny ratsy.
7 Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan'ny olona, na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.
8 Aleo manan-kely ombam-pahamarinana toy izay ny karama be azo amin'ny tsy rariny.
9 Ny fon'ny olona no maminavina ny hizorany; fa ny Tompo kosa no mandavorary ny diany.
10 Teny ombam-pahefan'Andriamanitra no ambaran'ny mpanjaka; ka tsy mba diso ny didim-pitsarana avoakany.
11 Araka ny TOMPO ny mizana sy lela-mizana marina; ary asany avokoa ireo vato tsy mandainga ao an-kitapo.
12 Halan'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy, satria fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianany.
13 Filazana ny marina no sitraky ny mpanjaka, ary izay miteny mahitsy no tiany.
14 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraka mahafaty; fa ny hendry kosa no manao izay hitonian'izany.
15 Raha miran-tava ny mpanjaka, dia mamelombelona aina; ary ny hatsaram-pony dia toa rahona mitondra oram-pararano.
16 Aleo mahazo fahendrena toy izay mahazo volamena, ary aleo mahazo fahaiza-manavaka toy izay volafotsy.
17 Ny lalan'ny olo-mahitsy midify ny ratsy; izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy.
18 Ny fiavonavonana mialoha ny faharavana, ary ny fireharehana mialoha ny fahalavoana.
19 Aleo manetry tena miaraka amin'ny olona mahantra toy izay mizara babo miaraka amin'ny mpiavonavona.
20 Izay mahay mandini-draharaha no hahita soa; ary izay matoky ny TOMPO no ho sambatra.
21 Izay hendry fa nomban-javatra no atao hoe manan-tsaina; ary ny teny mamy no maharesy lahatra kokoa.
22 Loharanom-piainana ho an'izay manana azy ny fahaizana; fa ny hadalany ihany no manafay ny adala.
23 Ny hendry mieritreritra aloha vao miteny, ka mahatonga ny teniny haharesy lahatra kokoa.
24 Ny teny mamy dia toy ny toho-tantely, ka sady hafinaretam-panahy no fahasalamam-batana.
25 Misy toetra heverin'ny olona homahitsy kanjo mankany amin'ny fahafatesana no iafarany.
26 Ny hanoanana no mahatonga ny mpiasa hiasa, satria ny fanirian-kanina no manesika azy.
27 Mikotrika faharatsiana ny olon-tsy vanona, ary toa misy afo mandevona eo amin'ny molony.
28 Ny mpihatsaravelatsihy manangana ady, ary ny mpanendrikendrika mampisaraka ny mpisakaiza.
29 Ny olona lozabe manangoly ny namany, ka mitarika azy ho amin'ny lalan-tsy mahasoa.
30 Izay mikimpy maso sy manaikitraiki-molotra dia miteti-dratsy sy mikasa hanao izany.
31 Satroboninahitra marevaka ny volofotsy; fizorana amam-pahamarinana no ahazoana azy.
32 Ny tena mahery dia izay maharesy ny hatezerany; fa aleo mahafehy tena toy izay mahafehy tanana.
33 Ahontsankontsana ny kodia kely hahalalan-javatra, fa izay mipoitra eo kosa dia avy amin'ny TOMPO.