Ohabolana

Toko faha-13

1 Ny zanaka hendry mihaino ny anatry ny rainy, fa ny zanaka mpaniratsira kosa manda fitsikerana.

2 Ny olona tsara dia mijinja ny vokatry ny teniny, fa ny mpanao ratsy kosa mivelona amin'ny herisetra.

3 Izay mahafehy ny vavany maharo ny ainy; fa izay basivava mandringan-tena.

4 Ny kamo no mitsiriritra tsy mety afa-po; fa ny mazoto kosa mahazo izay iriny.

5 Ny olo-marina dia mankahala ny lainga; fa ny olon-dratsy kosa manevateva sy manala baraka.

6 Ny fahamarinana miaro izay mizotra tsy misy tsiny; fa ny faharatsiana kosa mamery ny mpanota.

7 Misy miseho ho manankarena nefa tsy manam-bariraiventy; fa misy kosa mody mahantra nefa manana harem-be.

8 Ny haren'ny olona no antoky ny ainy; fa ny mahantra tsy matahotra fandrahonana.

9 Ny olo-marina dia toy ny hazavana tsara famiratra; fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny jiro efa ho faty.

10 Fifandirana no hany ateraky ny avonavona; fa izay mandray torohevitra kosa no misy fahendrena.

11 Ny harena azo amim-pahamaikana dia mihena an-toerana; fa izay manangona izany tsikelikely no mampitombo azy.

12 Ny fanantenana mihemo-dava dia mankarary fo; fa ny firarian-tsoa tanteraka kosa mampahazo aina.

13 Mamery tena izay manamavo ny teny; fa hahazo valisoa kosa izay manaja ny didy.

14 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina, mba hialana amin'ny fandriky ny fahafatesana.

15 Ahazoan-tsitraka ny fahalalana enti-manasoa, fa ny toetran'ny ratsy fanahy kosa mitratrevatreva.

16 Ny malina rehetra dia miasa amim-pandinihana; fa ny adala kosa mampiseho hafokana.

17 Ny iraka ratsy fanahy dia mampidi-doza; fa ny masoivoho mahatoky kosa manarin-javatra.

18 Hahantra sy ho menatra izay manda fananarana; fa homem-boninahitra kosa izay mandray tsikera.

19 Fifaliam-panahy ny firarian-tsoa izay tanteraka; maharikoriko ireo adala kosa ny hiala amin'ny ratsy.

20 Izay miaraka amin'ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin'ny adala kosa hiharatsy.

21 Loza no manjohy ny mpanota; fa hasambarana kosa no valisoan'ny olo-marina.

22 Ny olona tsara fanahy mamela lova ho an'ny taranany; fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny olo-marina.

23 Ny sahan'ny mahantra izay voaasa dia mahavokatra hanina be; fa ny olona sasany kosa ringana noho ny tsy rariny ataony.

24 Izay tsy mba mikapoka an-janany tsy tia azy; fa izay tia azy kosa tsy misalasala manafay azy.

25 Ny olo-marina dia mihinana mahalala onona; fa ny kibon'ny olon-dratsy kosa tsy mety afa-po.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574