Ohabolana

Toko faha-8

1 Injany fa miantso ny Fahendrena ary manandra-peo ny fahaiza-manavaka.

2 Eo an-tampon-kavoana amoron-dalana sady eo am-pihaonan-tsakelidalana no ijoroany.

3 Eo anilan'ny vavahady fidirana ny tanana sy toeram-pandalovan'olona no iantsoantsoany hoe:

4 "Ianareo anie, rey olona, no antsoiko; ianareo rehetra no iantefan'ny teniko.

5 Ry kely saina, fantaro ny fahendrena, ry adala, hamafiso ny fahalalana.

6 Henoy fa zava-dehibe no ho lazaiko ka hiteny tsy misorona aminareo aho.

7 Eny, ny marina ihany no lazain'ny vavako fa halan'ny molotro ny faharatsiana.

8 Rariny avokoa izay tenin'ny vavako, fa tsy misy lainga na fitaka.

9 Mazava avokoa izy ho an'ny mahira-tsaina ary mahitsy ho an'ny manam-pahalalana.

10 Ny fampianarako no raiso fa tsy ny volafotsy ary aleo fahalalana toy izay ny volamena voafantina.

11 Satria Izaho Fahendrena dia tsara noho ny perla; tsy misy zava-tsarobidy azo ampitahaina amiko."

12 "Izaho Fahendrena no manana ny fahamalinana ka nahazo ny fahaiza-manao drafitrasa.

13 Ny fankahalana ny ratsy no fanajana ny TOMPO. Samy halako na ny fiavonavonana na ny fireharehanana ny fitondrantena ratsy na ny vava fandainga.

14 Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra; Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.

15 amin'ny alalako no anjakan'ny mpanjaka, sy ahazoan'ny mpitondra manao didy ara-drariny;

16 amin'ny alalako no ifehezan'ireo mpifehy sy anaovan'ireo loholona fitsarana ara-drariny.

17 Izaho dia tia izay tia ahy; ary izay mikatsaka ahy no hahita ahy.

18 Miaraka amiko ny harena sy ny voninahitra, dia fananana mateza sy fanambinana sahaza.

19 Izay omeko dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny volamena madio indrindra; ary izay azo avy amiko dia tsara noho ny volafotsy voafantina.

20 Ny soritry ny fahamarinana no izorako dia ny lalana anjakan'ny rariny,

21 mba hampahazoako zava-tsoa ireo tia ahy ka hamenoako ny tranon-drakiny.

22 Nateraky ny TOMPO ho voalohan'asany aho, dia talohan'ny asa nataony hatry ny elabe."

23 Natokany hatramin'ny fahagola aho, eny, natokany hatrany am-piandohana, dia fony tsy mbola nisy akory ny tany.

24 Fony tsy mbola ary ny rano lalimbe no efa teraka aho, dia fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika.

25 Talohan'ny niorenan'ny tendrombohitras y talohan'ny havoana no efa teraka aho,

26 dia fony tsy mbola nataon'Andriamanitra na ny tany na ny saha midadasika eo aminy na ny vovotany singany voalohany teo amin'izao tontolo izao.

27 Efa teo aho, fony Andriamanitra namorona ny lanitra, sy namaritra ny faravodilanitra teo ambonin'ny rano lalimbe.

28 Nampivangongo ny rahona eny ambony Izy ary nampiboiboika ny loharano lalina;

29 nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy , dia faritra tsy azony hihoarana, ary nametraka ny fanorenan'ny tany.

30 Tamin'izany asa rehetra nataony izany dia nanampy azy toy ny mpanao mari-trano aho ka sady antom-piravoravoany isan'andro isan'andro no nibita-kafaliana tsy tapaka teo anatrehany;

31 nibita-kafaliana aho teo amin'ny tany noariny ary naharavoravo ahy teo amin'ny olombelona."

32 "Ary ankehitriny henoinareo aho, rey anaka; fa sambatra ianareo manaraka ny sori-dalako.

33 Henoy ny anatro ary aza lavina fa hampahendry anareo izany.

34 Sambatra izay olona mihaino ahy ka miandry isan'andro eo am-baravarako sy miambina eo an-tokonako!

35 Izay mahita ahy dia mahita ny fiainana sady mahazo sitraka amin'ny TOMPO.

36 Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany, ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana. "

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.058