1 Makabeo
Toko 1 I Aleksandra Lehibe, zanakalahin'i Filipo mpanjaka masedonianina, dia niainga avy ao Masedonia izay taniny mba hiantafika. Tamin'izay no nandreseny an'i Dariosa amperoran'ny Persianina sy Medianina, ka nanitarany fanjakana tamin'i Gresy aloha, ary koa nahatonga azy ho amperora nandimby an'i Dariosa.
Toko 2 Tamin'izany vaninandro izany i Matatia, zanakalahin'i Johany sy zafin'i Simehona sady mpisorona anisan'ny taranak'i Joiariba , dia nanapa-kevitra hiala tao Jerosalema ka lasa niorim-ponenana tao Modina.
Toko 3 I Joda, izay atao hoe Makabeo, no nitsangana nandimby an'i Matatia rainy.
Toko 4 Tamin'izay i Gorjia dia naka miaramila andiany dimy sy mpitaingin-tsoavaly voafantina andiany iray; ary niainga alina izany tafika izany
Toko 5 Nisafoaka mafy ireo firenena manodidina, nony nandre fa hoe voavoatra indray ny alitara fisoronan'ny Jiosy ary vita nody amin'ny toetrany taloha indray ny tempoly.
Toko 6 Tamin'izay i Antiokosa mpanjaka dia nitety ireo faritra avoka nandre fa hoe ao Elimaida , any Persia, dia misy tanana anankiray malaza ho manan-karena, be volafotsy sy volamena,
Toko 7 Tamin'ny taona faha-151 dia nitsoaka avy tao Roma i Demetry zanakalahin'i Seleokosa, ka teo amin'ny tanana anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban'olona vitsivitsy ary teo no nitononany tena ho mpanjaka.
Toko 8 Ren'i Joda Makabeo ny laza nananan'ny Romanina fa hoe mahery an'ady ireo, manisy soa an'izay rehetra miandany aminy, ary manao fihavanana amin'izay rehetra manatona azy. Eny, mahery an'ady tokoa ireo
Toko 9 Nony ren'i Demetry fa maty tamin'ny ady i Nikanora sy ny tafiny, dia nalefany ho any Jodea indray i Bakida sy i Alkima , nitondra ny vondron-tafi-panjakana kinga indrindra.
Toko 10 Tamin'ny taona faha-160 i Aleksandra, zanakalahin'i Antiokosa sady natao hoe Epifana , no niantsona tao Ptolemaida ka nahazo an'izany tanana izany; noraisin'ny mponina izy ka tao novoasandratra ho mpanjaka.
Toko 11 Tamin'izay i Ptolemeo mpanjakan'i Ejipta dia namory miaramila tsy tambo isaina hoatra ny fasika amoron-dranomasina ary koa sambo maro; ka nitady hahazo an-kafetsena ny fanjakan'i Aleksandra izy mba hakambana amin'ny fanjakany.
Toko 12 Hitan'i Jonatana fa nanambina azy ny toe-javatra; ka nifidy olona izy nalefany tany Roma mba hanamafy sy hanavao ny fihavanan'ny Jiosy amin'ny Romanina.
Toko 13 Ren'i Simona fa namory tafika lehibe i Trifona mba hankany Jodea sy handrava io faritany io.
Toko 14 Tamin'ny taona faha-172 dia novorin'i Demetry mpanjaka ny tafiny; ary nankany Mediao izy haka miaramila mpanampy mba ho entiny miady amin'i Trifona.
Toko 15 Avy teo amin'ireo nosy grika no nandefasan'i Antiokosa zanakalahin'i Demetry taratasy ho an'i Simona mpisorombe sy mpifehy ny Jiosy ary koa ho an'ny firenena manontolo.
Toko 16 Niakatra avy any Gezera i Johany, ka nilaza tamin'i Simona rainy ny nataon'i Kendebeo.