1 Makabeo

Toko faha-15

1 Avy teo amin'ireo nosy grika no nandefasan'i Antiokosa zanakalahin'i Demetry taratasy ho an'i Simona mpisorombe sy mpifehy ny Jiosy ary koa ho an'ny firenena manontolo.

2 Io taratasy io dia mirakitra izao hafatra izao: "Izaho Antiokosa mpanjaka no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simona mpisorombe sy mpifehy ary koa ry firenena jiosy.

3 Noho ny nahazoan'ireo olon-dratsy ny fanjakan'ny razako, dia tiakony haka azy indray, mba hamerenako azy amin'ny toetrany taloha. Ka efa namory miaramila betsaka aho sy nanomana sambo mpiady maro,

4 ary nikendry hiantsona ao amin'izany tany izany aho ka hiakatra hamaly ny ratsy nataon'ireo olona nandringana azy sy nandrava tanana marobe teo amin'io fanjakako io.

5 Hamafisiko aminao indray ankehitriny, ry Simona, ny fanafoanan-ketra rehetra neken'ireo mpanjaka talohako mbamin'ny tombontsoa hafa rehetra nomeny anao.

6 Omeko lalana ianao hanefy vola misy ny sarinao ka hanan-kery amin'ny taninao.

7 Aoka hizaka tena i Jerosalema sy ny tempoly; ary aoka hipetraka ho fanananao avokoa ny fiadiana voaangonao sy ny tanana mimanda naorinao sady mbola tazoninao.

8 Manomboka izao no mankany koa ianao dia afahana amin'ny zavatra rehetra tsy maintsy aloa na mbola haloa ho an'ny tahirin'ny mpanjaka.

9 Rehefa ho azoko indray ny fanjakako, dia homeko voninahitra lehibe ny tenanao sy ny firenenao ary ny tempolin'i Jerosalema, ka hiharihary amin'izao tontolo izao ny voninahitrareo."

10 Tamin'ny taona faha-174 dia niainga ho any an-tanindrazana i Antiokosa; ary nirohotra nomba azy avokoa ny miaramila, hany ka olom-bitsy no sisa tafajanona teo amin'i Trifona

11 Nenjehin'i Antiokosa ary i Trifona, ka niezaka nandositra nankany Dora, teo amoron-dranomasina,

12 tsapan'i Trifona manko fa zava-dratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny rahateo nandao azy.

13 Tonga nitoby teo anoloan'i Dora kosa i Antiokosa nitondra mpiantafika nisy andiany 12 ary mpitaingin-tsoavaly nisy andiany valo.

14 Notemeriny ny tanana, sady nanatona avy any an-dranomasina koa ny sambo; ary voateriny an-tanety sy an-dranomasina ny mponin'i Dora, ka tsy nisy navelany hiditra na hivoaka ny tanana.

15 Tamin'izany no tafaverina avy any Roma i Nomeniosa sy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny faritany maro, dia taratasy nirakitra izao teny izao:

16 "Izaho Losiosa, mpifehy ny Romanina, dia manoratra ho anao sy miarahaba anao, ry Ptolemeo.

17 Tonga taty aminay ny masoivoho jiosy, izay sakaizanay sy mpiara-miasa aminay. I Simona mpisorombe mbamin'ny vahoaka jiosy no naniraka azy hanavao ny fisakaizana sy fiaraha-miasa natao taloha.

18 Nitondra ampinga volamena nilanja 44 kilao ireo iraka ireo.

19 Noho izany, sitrakay ny manorata taratasy ho an'ny mpanjaka sy ho an'ny faritany maro mba tsy hanahirana ny Jiosy na hiady aminy, na hamely ny tananany sy ny fireneny, na koa hanampy an'izay miady aminy.

20 Noheverinay fa mety ny handraisanay izany ampinga natolotry ny Jiosy izany.

21 Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana niala tao Jodea ka tonga aty aminareo, dia atolory an'i Simona mpisorombe izy ho faiziny araka ny lalanany."

22 Izany taratasy izany dia nalefa koa hoan'i Demetry mpanjaka sy ho an'i Atala ary ho an'i Ariarata sy ho an'i Arsaky.

23 Nandefasana azy koa ireto faritany rehetra ireto, dia i Sampsame, i Sparta, i Delosa, i Mindosa, i Sisiona, i Karia, i Samo, i Pamfilia, i Lisia, i Halikarnasy, i Roda, i Faselida, i Kosy, i Side, i Arado, i Gortina, i Knido, i Sipra, ary i Sirena.

24 Ny kopian'izany taratasy izany dia nalefa koa tamin'i Simona mpisorombe.

25 Mbola teo amin'ny zana-bohitr'i Dora i Antiokosa mpanjaka no nitoby nanao fahirano an'io tanana io; ka narosony hatrany ny miaramilany hamely an'i Dora sady namboatra milina fandrobahan-drindrina izy. Voahidin'i Antiokosa tao i Trifona, ka tsy nisy olona afa-niditra na nivoaka ny tanana.

26 Tamin'izay i Simona no nandefa fanampiana ho any amin'ny mpanjaka, dia miaramila voafantina andiany anankiroa mbamin'ny volafotsy sy volamena ary koa fitaovana be ihany.

27 Tsy vitan'ny hoe tsy nety nandray izany i Antiokosa, fa nofoanany koa ny fifanekena rehetra nataony taloha tamin'i Simona sady nihatahany izy.

28 I Atenoby, anankiray amin'ireo "sakaizan'ny mpanjaka", no nirahin'i Antiokosa mba hampita amin'i Simona izao teny izao: -Ianareo efa mitana an'i Jopa sy i Gezera ary ny toera-mafin'i Jerosalema; samy tanana anisan'ny fanjakako ireo,

29 saingy noravanareo ny faritra manodidina azy. Zavatra betsaka ihany koa no simbanareo teo amin'ny tany ary toerana maro anisan'ny fanjakako no lasanareo.

30 Koa ankehitriny, avereno amiko ny tanana nalainareo ary efao amiko ny hetran'ny toerana lasanareo ivelan'ny faritanin'i Jodea.

31 Raha lavinareo ny hanao izany, dia manomeza ianareo volafotsy 1300 kilao ho solon'ireo tanana ireo, ary volafotsy toraka izany koa ho setrin'ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin'ireo tanana ireo. Fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay.

32 Rehefa tonga tany Jerosalema i Atenoby, "sakaizan'ny mpanjaka", dia gaga tokoa nahita ny firentirentin'i Simona sy ny lalimoara feno fanaka volamena amam-bolafotsy ary ny fitaovana marevaka nananany. Nampitain'i Atenoby ny tenin'ny mpanjaka,

33 fa novalian'i Simona hoe: -Tsy naka tanin'olon-kafa izahay na nahalasa zavatr'olona; fa ny lovan-drazanay, izay voatanan'ny fahavalonay nandritra ny fotoana vitsivitsy, no nalainay.

34 Nanararaotra fotoana manambina izahay mba hahazoana ny lovan-drazanay.

35 Ary raha ny amin'i Jopa sy i Gezera izay takinao, dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanana roa ireo, kanefa hanome volafotsy 2600 kilao ihany izahay ho solon'ireo tanana ireo. Tsy namaly i Atenoby na indraim-bava aza,

36 fa lasa niverina an-katezerana ho any amin'ny mpanjaka. Dia nolazainy tamin'i Antiokosa ny valinteny azony sy ny firentirentin'i Simona mbamin'ny zavatra rehetra hitany; ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany.

37 Niondrana an-tsambo kosa i Trifona ka nandositra ho any ortosia.

38 Ka dia i Kendebeo no notendren'ny mpanjaka Antiokosa ho komandin-tafika teo amin'ny faritra amoron-dranomasina sady nomeny miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly.

39 Ary nodidian'i Antiokosa izy hiorin-toby tandrifin'i Jodea ary koa hanorina indray ny tanana Kedrona sy hanamafy ny vavahadiny mba hahazoana miady amin'ny vahoaka jiosy.

40 Dia nankany Jamnia i Kendebeo ka nanomboka nanelingelina ny Jiosy, fa nitsofotsofoka tao Jodea sy nanao sambo-belona na namono nahafaty olona.

41 Naoriny indray i Kedrona, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, izay hivoaka hisafo eny an-dalamben'i Jodea araka ny nandidian'ny mpanjaka azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0576