1 Makabeo

Toko faha-2

1 Tamin'izany vaninandro izany i Matatia, zanakalahin'i Johany sy zafin'i Simehona sady mpisorona anisan'ny taranak'i Joiariba , dia nanapa-kevitra hiala tao Jerosalema ka lasa niorim-ponenana tao Modina.

2 Nanan-janaka dimy lahy izy, dia i Johany natao hoe Gady,

3 i Simehona natao hoe Tasy,

4 i Joda natao hoe Makabeo ,

5 i Elehazara natao hoe Avarana, ary i Jonatana natao hoe Afosy.

6 Nahita ny fanimbazimbana nafitsoka eran'i Joda sy tao Jerosalema i Matatia

7 ka nanao hoe: Indrisy ity manjo ahy! Teraka hahita ny faharavan'ny fireneko sy ny faharavan'ny tanana masina ve aho? Teraka hijanom-poana eto ve aho, kanefa ity tanana eo am-pelatanan'ny fahavalo, ity toeramasina eo am-pelatanan'ny hafa firenena?

8 Ny tempoly dia tonga tahaka ny olona very haja;

9 ny fanaka izay taratry ny voninahiny dia lasan-ko babo , ny zazakely naripaka teny amin'ny kianja; ny zatovo nalavon'ny sabatry ny fahavalo.

10 Nifandimby naka fanjakana teto ny hafa firenena ary nitondra ny anjara babony tamin'ity tanana ity.

11 Ny haingony rehetra nesorina taminy; nahaleo tena izy fahiny, kanefa andevozina ankehitriny.

12 Kanto sy be voninahitra ny toeramasina nanananay, saingy noravan'ny hafa firenena sy nozimbazimbainy.

13 Ka inona intsony no mbola mahavelona anay?

14 Tamin'izay i Matatia mbamin'ireo zanany lahy dia nandriatra ny fitafiany sy nisalotra akanjo fisaonana ary nitomany mafy dia mafy.

15 Tamin'izay ny iraky ny mpanjaka, nomena andraikitra hanery ny olona hivadi-pinoana, dia tonga tao Modina mba hampanao sorona amin'ny sampy.

16 Israelita maro no niainga hitsena azy; ary i Matatia mbamin'ireo zanany lahy dia niray hina tsy niavaka.

17 Niteny tamin'i Matatia ny irak'i Antio kosa, ka nanao hoe: -Ianao no filoha voahaja sy lehibe eto amin'ity tanana ity, sady tsara tohan'ireo zanakao aman-kavanao.

18 Koa ianao no aoka hanatona voalohany hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka, toraka ny efa nataon'ny hafa firenena rehetra sy ny vatan-dehilahin'i Jodea, mbamin'ireo tafajanona any Jerosalema. Dia ho anisan'ny "sakaizan'ny mpanjaka" ianao sy ny zanakao; firavaka volamena amam-bolafotsy sy fanomezana marono hanomezam-bonina hitra ana reo.

19 Dia namaly tamim-peo avo i Matatia ka nanao hoe: -Na dia hanaiky an'i Antiokosa aza ny hafa firenena rehetra anatin'ny fanjakany, ka samy hahafoy ny fivavahan-drazana sy hanaraka an-tsitrapo ny didiny,

20 izaho sy ireo zanako aman-kavako dia hanaraka ny fanekem-pihavanana notanan'ny razanay.

21 Sanatriavinay ny hanary ny lalanan'Andriamanitra amam-pitsipiny!

22 Tsy hanaiky ny didin'ny mpanjaka izahay, ka tsy hiala amin'ny fivavahanay na hiankavia na hiankavanana.

23 Vao tapitra niteny i Matatia, dia nisy lehilahy jiosy anankiray nandroso teo imason'ny besinimaro mba hanao sorona, araka ny didin'ny mpanjaka, eo amin'ny alitara natsangana tao Modina.

24 Nony nahita izany i Matatia, dia nirehitra zotompo sady indray niontana ny tenany. Hatezerana araka ny lalana no nisondrotra tao aminy ka nampiantoraka azy namono an-dralehilahy teo amin'ny alitara.

25 Niaraka tamin'izay koa no namonoany an'ilay iraky ny mpanjaka, nanery hanao sorona; ary dia nazerany ny alitara.

26 Toy izany no nirehetan'ny zotom-pon'i Matatia hiaro ny lalanan'i Mosesy, tahaka ny nataon'i Pinehasa izay namono an'i Zimry, zanakalahin'i Salo.

27 Avy eo dia nandeha eran'ny tanana i Matatia niantso tamim-peo avo hoe: -Izay rehetra mirehitra zotompo hiaro ny lalanan'i Mosesy sy hitana ny fanekem-pihavanana nataon'Andriamanitra, samia miainga hanaraka ahy avokoa.

28 Taorian'izany i Matatia sy ireo zanany lahy dia nandositra nankany an-tendrombohitra, ary nandao izay rehetra nananany tao an-tanana.

29 Tamin'izay koa dia nisy Jiosy marobe izay nikatsaka ny fahamarinana sy nilofo tamin'ny lalanan'i Mosesy, ka nidinaho any an-taniefitra ,

30 tapa-kevitra honina tany izy ireo mbamin'ny vady aman-janany sy ny biby fiompiny, satria efa nitambesaran'ny lozam-panenjehana nanjo azy.

31 Nilazana ny manamboninahitry ny mpanjaka mbamin'ny miaramila tao Jerosalema, teo amin'ny Tananan'i Davida, fa nisy olona nitsipaka ny didin'ny mpanjaka, ary lasa nidina any amin'ny toeram-pierena any an-taniefitra.

32 Dia nirohotra nanenjika azy ny andia-miaramila; ka rehefa nahatratra azy kosa ireo, dia nitoby tandrify azy sy nivonon-kamely amin'ny andro sabata.

33 Hoy izy tamin'ireo mpandositra: -Ampy izay! Mivoaha tao ianareo; tanteraho ny didin'ny mpanjaka, dia ho velona ianareo.

34 Fa novalian'ny Jiosy hoe: -Tsy hivoaka tato izahay ary tsy hanatanteraka ny didin'ny mpanjaka, mampandika ny fepetran'ny andro sabata.

35 Niaraka tamin'izay ny miaramila dia nandraikitra ady taminy,

36 kanefa tsy namaly azy ny Jiosy na nitora-bato iray akory hanoherana azy na nanampina toeram-pierena.

37 Fa hoy izy hoe: "Aoka izahay rehetra ho faty avokoa amin'ny hitsimponay! Ny lanitra sy ny tany no vavolombelona mahita anay, fa vonoinareo ho faty tsy an-drariny izahay."

38 Dia nasian'ny fahavalo tamin'ny andro sabata izy ireo mbamin'ny vady aman-janany sy ny biby fiompiny. Tokony ho arivo no isan'ny olona maty.

39 Nalahelo mafy i Matatia sy ireo sakaizany nandre izany famonoana ho faty izany,

40 ka nifampilaza hoe: "Raha samy manao toy izany nataon'ny mpiray firenena amintsika izany avokoa isika, ka tsy miady amin'ny hafa firenena mba hiaro ny aintsika sy ny fomba amam-panaontsika, dia ho fongorany vetivety eto ambonin'ny tany isika."

41 Koa tamin'izany andro izany ihany no nanaovany izao fanapahan-kevitra izao: "Na iza na iza tonga hamely antsika amin'ny andro sabata, dia hasiantsika; fa tsy hety hovonoina ho faty fotsiny isika, tahaka ny nahafatesan'ireo mpiray firenena amintsika tao amin'ny toeram-piereny."

42 Tamin'izay ny antokon'ny Hasidianina dia nomba an-dry Matatia koa: lehilahy mahery fo tao Israely ireo sady niraiki-po avokoa tamin'ny lalanan'i Mosesy.

43 Ankoatra izany, nanatevina isa sy nampitombo hery azy koa izay rehetra nitady ho afaka amin'ny lozam-panenjehana.

44 Dia nampijoro tafika iray izy mitambatra, ka namely tamin-katezerana sy tamin-kavinirana ireo mpivadika sy tsy mpivavaka; ny sisa tsy azony kosa dia nandositra any amin'ny hafa firenena mba hanavotra aina.

45 Nanao fitetezana hatraiza hatraiza i Matatia sy ireo sakaizany mba handrava ny alitaran-tsampy.

46 Noforany avokoa ny zazalahy rehetra hitany tsy voafora teo amin'ny tanin'i Israely,

47 ary noroahiny ny mpiavonavona amin'Andriamanitra; ka nahomby ny raharaha izay notarihiny.

48 Ny lalanan'i Mosesy no narovany tamin'ny famelezana nafitsok'ireo hafa firenena sy ireo mpanjaka; ka tsy navelany hahazo vahana ilay mpanjaka mivoana.

49 Nony efa antomotra ny andro hahafatesan'i Matatia, dia hoy izy tamin'ireo zanany: -Ankehitriny, manjaka ny avonavona sy faniratsirana, ka andro fandravana sy fahatezerana mirehitra izao.

50 Anaka, aoka ianareo hanana zotompo hiaro ny lalanan'i Mosesy ary hahafoy aina ho an'ny fanekem-pihavanana notanan'ny razantsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0586