1 Makabeo

Toko faha-13

1 Ren'i Simona fa namory tafika lehibe i Trifona mba hankany Jodea sy handrava io faritany io.

2 Nony hitan'i Simona fa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka jiosy, dia niakatra tany Jerosalema izy, niantso ny vahoaka hivory

3 sy nampirisika azy nanao hoe: -Fantatrareo tokoa ny zava-drehetra nataon'ireo rahalahiko sy ny tenako ary ny fianakavian-draiko manontolo mba hiarovanany lalana amam-tempolintsika; fantatrareo ny ady natrehinay mbamin'ny fahoriana niaretanay.

4 Izany fiarovana an'i Israely izany no nahafatesan'ireo rahalahiko rehetra; ary izaho no hany sisa.

5 Koa ankehitriny, sanatriaviko ny hitsitsy ny aiko na inona na inona voina mihatra, satria tsy sarobidy mihoatra noho ny an'ireo rahalahiko ny aiko.

6 Fa ny tiako dia ny hiaro ny fireneko sy ny tempoly ary ny vady aman-janakareo, satria tafakambana handrava antsika ny hafa firenena rehetra noho ny fialonany antsika.

7 Nirehitra indray ny hafanam-pon'ny vahoaka, nony nandre izany teny izany,

8 ka namaly an'i Simona tamim-pihobiana izy nanao hoe:-Ianao no lehibenay, dimbin'i Joda sy i Jonatana rahalahinao.

9 Tariho izahay amin'ny ady hatrehinay, fa hotanterahinay avokoa izay holazainao.

10 Dia novorin'i Simona tamin'izay ny vatan-dehilahy rehetra afaka hiady; nohafainganiny ny famitana ny mandan'i Jerosalema ary nohamafisiny ny manodidina io tanana io.

11 Nalefany ho any Jopa i Jonatana zanakalahin'i Absaloma , nitondra miaramila maromaro; ka noroahin'io Jonatana io ny mponina tao, dia izy no nitoetra tao an-tanana.

12 Niala tao Ptolemaida i Trifona, nitondra tafika lehibe hankany Jodea; nentiny niaraka taminy koa i Jonatana voafatotra.

13 I Simona kosa niorin-toby tao Hadida , teo anoloan'ny lemaka.

14 Nony fantatr'i Trifona fa hoe i Simona no nandray ny fanapahana, nandimby an'i Jonatana rahalahiny sady efa nivonon-kiady taminy, dia nandefa iraka ho any aminy izy hilaza hoe:

15 -Ny andraikitr'i Jonatana rahalahinao dia tokony nandoavany vola ho an'ny tahirin-drakitry ny mpanjaka; noho izy tsy nanefa izany no itanako azy ho voafatotra.

16 Koa votsoriko ho afaka izy, raha toa ianao mandefa volafotsy 2700 kilao mbamin'ny zanany roa lahy mbola kely hatao antoka mba tsy hivadihan'i Jonatana hamely anay rehefa afaka izy.

17 Fantatr'i Simona fa ny hamitahana azy no nitenenan'ireo iraka ireo taminy toy izany. Kanefa nasainy nalaina ihany ny vola mbamin'ireo zaza roa lahy; natahotra manko izy sao hiharan'ny fankahalana lehibe avy amin'ny vahoaka israelita izay mety hilaza hoe:

18 Ny tsy nandefasan'i Simona ny volafotsy 2700 kilao sy ireo zaza roa no nahafaty an'i Jonatana.

19 Dia nalefany ary ireo zaza sy ny volafotsy 2700 kilao; kanjo nivadi-bolana tokoa i Trifona fa tsy namotsotra an'i Jonatana.

20 Taorian'izany i Trifona no niroso hanafika sy handrava an'i Jodea. Nisafelika izy sy ny miaramilany ka nihazo ny lalana mankany Adora; kanefa notanahin'i Simona sy ny tafiny hatrany ireo, na taiza na taiza nalehany.

21 Nandefa iraka ho any amin'i Trifona ny olona nitoby tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema, nangataka azy hihazo any an-taniefitra ka ho tonga faingana hitondra sakafo ho azy.

22 Dia nanomana ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra i Trifona hankanesany any; kanjo latsaka be dia be ny vongam-panala tamin'io alina io, ka tsy afaka nankany Jerosalema izy noho ny vongam-panala; dia lasa izy nankany Gilehada.

23 Nony mby teo akaikin'i Baskama izy, dia nampamono an'i Jonatana ho faty sy nampandevina azy teo.

24 Ary nitodi-doha i Trifona ka lasa nody ho any amin'ny taniny.

25 Dia naniraka olona i Simona haka ny fatin'i Jonatana rahalahiny, ary nandevina azy tao Modina tananan-drazany.

26 Nisaona azy fatratra ny Israelita rehetra; ary naharitra andro maro no nitomaniany azy.

27 Izany fasan-drainy aman-drahalahiny izany dia nanorenan'i Simona rafi-bato avo mba ho tazan-davitra; ka nataony vato voalama na teo anoloany na teo ivohony.

28 Piramida fito mifanila koa no nasainy natsangana teo ambonin'ny fasana mba ho an-drainy aman-dreniny sy ho azy efa-dahy rahalahiny.

29 Ireo piramida ireo kosa nasainy nohodidinina andry avo; ary nohaingoina fitaovam-piadiana ireto andry avo ireto mba hahatsiarovana mandrakizay ny Makabeo; sady teo anilan'ny fitaovam-piadiana tsirairay dia nasiana sambo voasokitra natao tazan'izay rehetra miantsambo eny amin'ny ranomasina.

30 Toy izany no fasambe nasain'i Simona natsangana tao Modina, fasambe izay mbola ao mandraka androany.

31 Tamin'izay koa no nanaovan'i Trifona hafetsena i Antiokosa, mpanjaka tanora, ka novonoiny ho faty.

32 Dia izy no tonga mpanjaka nandimby azy sy nitondra ny satro-piandrianana maha mpanjakan'i Azia ary nampidi-doza lehibe tamin'ny tany.

33 I Simona kosa nanorina indray ireo tanana mimandan'i Jodea, ka nohodidininy tilikambo avo sy manda matevina ary vavahady misy hidy mafy sady nametrahany hanina fitahiry.

34 Nifidy olona koa izy nirahiny ho any amin'i Demetry mpanjaka, mba hangataka fanafoanan-ketra ho an'i Jodea, satria raharahan-tonta kely avokoa ny nataon'i Trifona.

35 Dia nasain'i Demetry mpanjaka nomena valinteny mifanaraka amin'izany i Simona, ka toy izao ny taratasy nosoratany ho azy:

36 Izaho Demetry mpanjaka no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simona mpisorombe sady sakaizan'ny mpanjaka" sy ry loholona amam-pirenena jiosy.

37 Voarainay ny fehiloha volamena sy ny sampan-drofia nampitondrainareo; ka vonona izahay hanao fanekem-pihavanana ankapobe aminareo sy hanoratra amin'ny mpiasam-panjakana mba hanomezany anareo fanafoanan-ketra samihafa.

38 Izay rehetra efa tinapakay ny aminareo aloha dia tsy miova ; ary aoka ho fanananareo ny tanana mimanda naorinareo!

39 Avelanay avokoa ny hadisoana sy fandikan-dalana vitanareo hatramin'izao andro izao; toy izany koa ny hasin'andriana tokony haloanareo. Ary raha nisy hetra hafa notakina tao Jerosalema dia tsy hotakina intsony izany.

40 Raha misy aminareo mazoto hilatsa-tena ny ho anisan'ny miaramila mpiambina ahy, aoka izy hilatsaka! Ny fihavanana anie no ho tanteraka eo amintsika!"

41 Tamin'ny taona faha-170 no nahafahan'i Israely teo amin'ny fifehezan'ny hafa firenena.

42 Ka ny vahoaka israelita dia nanomboka nanoratra tamin'ny raki-tsoratra amam-pifanekena hoe: "Tamin'ny taona voalohany nanapahan'i Simona mpisorombe sy mpitari-tafika ary mpifehy ny Jiosy. "

43 Tamin'izany andro izany i Simona dia nanao fahirano an'i Gezera. Nasainy nanemitra io tanana io ny miaramilany; dia nampanangana tilikambo azo akodia izy, ka nampandroso izany hanakaiky ny tanana; ary notonafany vato ny tilikambo anankiray teo amin'ny manda ka azony.

44 Dia nirotsahan'ireo mpanafika i Gezera, ka loza ny hatairana vokatr'izany.

45 Ary niakatra teny ambony manda ny mponina, nomban'ny vady aman-janany, dia nandriatra fitafiana ary nandefa feo fitarainana mafy nangataka an'i Simona hanao raharaham-pihavanana

46 sady niteny hoe: "Aza valiana araka ny haratsiam-panahinay izahay fa araka ny indrafonao."

47 Nifandamina tamin'ny Gezerita ihany i Simona ka tsy namely azy intsony. Kanefa noroahiny hiala ny tanana ireo, nodioviny ny trano nisy sampy; dia niditra an'i Gezera tamin-kira fiderana amam-pisaorana an'Andriamanitra izy.

48 Nony voaesotr'i Simona tao an-tanana ny fahalotoana rehetra ara-pivavahana, dia nametrahany olona mpankato ny lalana i Gezera sady nohamafisiny ny mandany ary nanorenany trano ho azy koa.

49 Ireo olona voahitsoka tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema dia tsy nahazo nivezivezy teo amin'ny faritany manodidina mba hividy na hivarotra zavatra; ka voan'ny mosary mafy ireo, ary maro no matin'ny hanoanana.

50 Niantso vonjy tamin'i Simona izy mba hanao raharaham-pihavanana; dia nekeny tokoa izany. Saingy noroahin'i Simona hiala tao amin'ny toera-mafy ireo; ary ny toerana kosa nodioviny ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra ara-pivavahana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057