1 Makabeo
Toko faha-6
1 Tamin'izay i Antiokosa mpanjaka dia nitety ireo faritra avoka nandre fa hoe ao Elimaida , any Persia, dia misy tanana anankiray malaza ho manan-karena, be volafotsy sy volamena,2 io tanana io dia manana tempoly feno zava-tsarobidy sady mirakitra fitaovana volamena fitondra an'ady sy akanjo vy fiarovan-tena ary fiadiana izay navelan'i Aleksandra zanakalahin'i Filipo sy mpanjaka masedonianina nanjaka voalohany tamin'ny Grika.
3 Dia nankany amin'ilay tanana i Antiokosa ka nitady haka sy hambabo azy, kanjo tsy nahomby. Nahalala ny fikasany manko ireo tompon-tanana,
4 ka nitsangan-kiady taminy; dia vaky nandositra ity mpanjaka, sady nihataka tamin'alahelo lehibe mba hiverina any Babilona.
5 Tamin'izay no nisy iraka tonga tany Persia nilaza tamin'i Antiokosa ny faharesen'ireo miaramila nalefa tany Jodea.
6 Nandroso nitondra tafika matanjaka dia matanjakai Lisia, kanefa voatery nandositra teo anoloan'ny Jiosy; ireo kosa nampitombo hery tamin'ny fiadiana sy fitaovam-panafihana ary babo azony tamin'ny tafika izay resiny tanteraka.
7 Noravany ilay zava-mahatsiravina natsangan'ny mpanjaka teo ambonin'ny alitara fisoronana tao Jerosalema; nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; ary nohamafisiny toy izany koa i Bety-Tsoro , anankiray amin'ireo tananan'i Antiokosa.
8 Rehefa nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nandraiki-mararin'alahelo sy nidaboka teo amin'ny fandriany, satria tsy araka ny naniriany azy ny fandehan-javatra.
9 Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava nianjadian'ny fahorian-tsaina lalina; ary noheveriny fa efa antomotra ny hahafatesany.
10 Dia niantso ireo rehetra nomeny anarana hoe "sakaizan'ny mpanjaka " izy sy nilaza taminy hoe: -Tsy afa-matory intsony aho sady rera-po azon'ny tebiteby,
11 ka hoy aho anakampoko: Alahelo lehibe manao ahoana ity mahazo ahy, ary onja goavana manao ahoana ity ihitsohako ankehitriny? Kanefa sambatra sy notiavina aho, fony aho mbola nahery fahefana.
12 Saingy tsaroako izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema; fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy izay tao, ary nisy tafika nalefako mba handringana tsy amin'antony ny mponina rehetra tany Jodea.
13 Koa fantatro fa noho izany no niharan'izao loza izao amiko; ary indro aho fa ho faty amin'alahelo lehibe aty an-tanin'olona aty.
14 Dia nantsoin'i Antiokosa i Filipo, izay anankiray amin'ireo "sakaizan'ny mpanjaka", ary notendreny hitondra ny fanjakany manontolo.
15 Nomeny azy ny satroboninahiny sy ny fanamiany ary ny peratra misy fitomboka; nasainy koa izy hampianatra an'i Antio kosa zanany lahy sy hanabe azy hitondra ny fanjakana.
16 Dia maty teo amin'izany toerana any Persia izany i Antiokosa mpanjaka, tamin'ny taona faha-149.
17 Rehefa ren'i Lisia ny nahafatesan'ny mpanjaka, dia natsangany handimby azy i Antiokosa zanany lahy, izay notezainy hatramin'ny fahazazany sy nomeny fanampin'anarana hoe Eopatora.
18 Ny miaramila izay tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema dia nisakana ny Israelita tsy hivezivezy manodidina ny tempoly sy nanao mandrakariva izay hahasosotra azy ary nitady kosa izay hanamafisan-toerana ny hafa firenena.
19 Tapa-kevitra i Joda Makabeo ny handringana ireo miaramila ireo, ka namory ny tafiny manontolo hanao fahirano azy.
20 Dia nivory izy rehetra ary nanao fahirano ilay toera-mafy, tamin'ny taona faha-150 ; nanorenany tilikambo fandefasam-bato teo ary koa milina fandrobahan-drindrina.
21 Kanefa nisy afa-nandositra ihany ireo fahavalo natao fahirano sady nisy Israelita vitsivitsy mpankahala fivavahana koa niara-dia taminy
22 nankany amin'ny mpanjaka Antiokosa Eopatora ka nilaza taminy hoe: -Miandry mandra-pahoviana ianao vao hampihatra famaizana amin'ny fahavalonay ary hamaly ny ratsy natao tamin'ny namanay?
23 Nilatsaka an-tsitrapo tamin'ny fanompoana an-drainao izahay, ka nanefa izay nolazainy ary nanatanteraka ny didiny.
24 Izany no nahatonga ny mpiray firenena aminay ho fahavalonay ; izay rehetra anisanay ka tafalatsaka eo an-tanany dia voavono ho faty avokoa ary voaroba fananana.
25 Ary tsy izahay ihany no naninjirany tanana, fa ny faritany rehetra mifanolotra aminay koa.
26 Indro mitoby eo anoloan'ny toera-mafin'i Jerosalema izy ankehitriny ka mikendry hahazo azy; ary efa nohamafisiny rahateo ny tempoly ary koa ny tanana Bety-Tsoro.
27 Raha tsy sakananao faingana izy, dia handroso hatrany ka tsy hoazonao tohaina intsony.
28 Nentin-katezerana i Antiokosa mpanjaka, rehefa nandre izany; ka nantsoiny avokoa ny "sakaizan'ny mpanjaka" sy ny mpitari-tafika mbamin'ireo mpifehy ny mpitaingin-tsoavaly.
29 Tonga teo aminy koa ny miaramila mpikarama, avy amin'ny fanjakana hafa sy avy amin'ny nosin-dranomasina.
30 Izao no isan'ny tafiny: miaramila an-tongotra andiany zato, mpitaingin-tsoavaly andiany roapolo, ary elefanta zatra ady 32.
31 Nandroso nihazo an'i Idomea ny mpanjaka sy ny tafiny, dia nanao fahirano an'i Bety-Tsoro ka niady andro maromaro teo; namboatra milina fandrobahan-drindrina ireo, fa nivoaka ny tanana ny Jiosy ka nandoro ireny ary nanohitra tamin-kerimpo lehibe.
32 Tamin'izay i Joda no nandao ny fahiranon'ny toera-mafin'i Jerosalema ka lasa nitoby tao Bety-Zakaria , tandrifin'ny tobin'ny mpanjaka.
33 Nifoha vao maraina i Antiokosa, ka nampiainga tampoka ny tafiny hihazo ny lalana mankany Bety-Zakaria; ary nivonon-kamely sy nampaneno trompetra ny miaramilany.
34 Norosoany ranom-boaloboka sy ranom-boaroihazo mifangaro koa ny elefanta mba harisika hiady.
35 Nozaraina hatao eo afovoan'ny antoko miaramila ireo biby ireo, ka isan'elefanta dia notronin'ny miaramila vondron-tafikairay samy manana akanjo vy fiarovan-tena sy satroka halimo; ary nisy mpitaingin-tsoavaly dimanjato voafantina nilahatra teo anilan'ny elefanta tsirairay.
36 Ireo an-tsoavaly ireo dia raikitra mandrakariva ho eo amin'izay misy ilay biby; izay alehan'io no alehan'ireo koa, fa tsy manalavitra azy na oviana na oviana ireo.
37 Eo ambonin'ny elefanta tsirairay avy, dia nasiana tilikambo hazo mafy nafatotra anja-koditra manodidina ny tenany, ka niaro ny mpiady efatra sy ny mpitarika elefanta, izay samy tao anatin'io tilikambo hazo io.
38 Ny mpitaingin-tsoavaly sisa kosa nalahatr'i Antiokosa ho eo an-daniny roa amin'ny tafiny mba hanaritaka ny fahavalo sy hiaro ny antoko miaramilany.
39 Nony nitaratra tamin'ny ampinga volamena sy halimo ny tana-masoandro, dia namirapiratra kosa ny tendrombohitra tarafin'ny ampinga ka nanjelanjelatra hoatra ny fanilo afo.
40 Voalahatra hiady izany tafiky ny mpanjaka izany, ka nisy ampahany teo an-tendrombohitra avo ary nisy ampahany teo an-dohasaha; tamim-pahasahiana sy tamim-pirindrana no nandrosoany.
41 Nivadi-po avokoa ny olona noho ny akora lavan'izany vahoaka zavon-tany izany sy ny firodorodon'ny famindrany ary ny fikitrakitran'ny fiadiany; tafika goavana sy mahery tokoa izany.
42 Nandroso kosa i Joda sy ny tafiny mba hiady; ka enin-jato lahy tamin'ny tafiky ny mpanjaka no nitsingidina maty.
43 Ary i Elehazara , izay natao hoe koa Avarana, dia nahatazana iray tamin'ireo elefanta niravaka firongom-pitaovan'andriana sady avo mihoatra noho ireo namany; ka nihevitra izy fa tao ny mpanjaka.
44 Izany no nanaovany vy very ny ainy mba hamony ny fireneny sy hahazoan'ny tenany laza maharitra mandrakizay.
45 Niezaka an-kasahiana i Elehazara nanatona ilay elefanta, ka namaky ny antoko miaramila sady namono ny teo ankavanany sy teo ankaviany; dia nisava nankeo an-daniny roa ny fahavalo teo anoloany.
46 Ary nitsorofoka izy nankao ambanin'ny elefanta, dia notrabarany io ka matiny; fa nidaraboka nanindry azy kosa ilay elefanta, ka maty teo i Elehazara.
47 Saingy nahita ny hery amam-pifofofofon'ny tafi-panjakana ny Jiosy, ka nihataka teo anoloany.
48 Niakatra ho any Jerosalema tamin'izay ireo miaramilan'ny tafiky ny mpanjaka, mba hifanehatra amin'ny Jiosy; dia niorin-toby hamely an'i Jodea sy ny tendrombohitra Tsiona i Antiokosa.
49 Nanaovany Fanekem-pihavanana ny Jiosy tao Bety-Tsoro; dia nivoaka ny tanana ireo, fa efa tsy nanan-kanina ho enti-mihiboka ao intsony, satria taona fampialan-tsasatra ny tany tamin'izay.
50 Izany no nahazoan'ny mpanjaka an'i Bety-Tsoro sy nametrahany miaramila hiambina azy.