1 Makabeo

Toko faha-10

1 Tamin'ny taona faha-160 i Aleksandra, zanakalahin'i Antiokosa sady natao hoe Epifana , no niantsona tao Ptolemaida ka nahazo an'izany tanana izany; noraisin'ny mponina izy ka tao novoasandratra ho mpanjaka.

2 Nony ren'i Demetry mpanjaka ny vaovao, dia namory tafika goavana dia goavana izy ka niroso hamely an'i Aleksandra.

3 Ankoatra izany, nandefasan'i Demetry taratasy mirakitra tenim-pihavanana i Jonatana, sady nampanantenainy fa hasandrany voninahitra.

4 Fa hoy i Demetry anakampony: "Aoka isika hanao fanekem-pihavanana faingana amin'i Jonatana, alohan'ny hifanarahany amin'i Aleksandra hamely antsika!

5 Fa mety ho tsarovany ny ratsy rehetra nataontsika taminy sy tamin'ireo rahalahiny ary tamin'ny fireneny."

6 Dia nomen'i Demetry fahefana i Jonatana mba hamory tafika sy hamboatra fitaovam-piadiana ary hitonon-tena ho mpiara-miasa amin'ny mpanjaka; nodidian'i Demetry koa ny hamerenana amin'i Jonatana ny Israelita voatana ho antoka tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema.

7 Dia nankany Jerosalema tamin'izay i Jonatana ka namaky izany taratasin'ny mpanjaka izany teo anatrehan'ny vahoaka rehetra sy teo anatrehan'ireo miaramila mpiambina ny toera-mafy.

8 Taitra dia taitra tokoa ny besinimaro, rehefa nandre fanomen'ny mpanjaka fahefana hamory tafika i Jonatana.

9 Ireto mpiambina ny toera-mafy kosa nanolotra tamin'i Jonatana ireo Israelita voatana ho antoka; i Jonatana indray nanolotra azy tamin'ny fianakaviany isany avy.

10 Dia niorim-ponenana tao Jerosalema i Jonatana, ka nanomboka namboatra sy nanavao ny tanana.

11 Nodidiany ny mpiasahandra fitra ny manda indray sy hanisy vatovoapaika manodidina ny tendrombohitra Tsiona mba hanamafisana azy; ary notanterahina izany didy izany.

12 Tamin'izay no nitsoaka ny hafa firenena nonina tao amin'ireo tanana mimanda izay naorin'i Bakida ;

13 samy nandao fonenana ireny, ka nody any amin'ny taniny avy.

14 Ny sasantsasany tamin'ny Israelita nahafoy ny didy aman-dalan'Andriamanitra ihany no nijanona tao Bety-Tsoro ; fa toy ny fialofana ho azy io tanana io.

15 I Aleksandra mpanjaka kosa dia nahare ny fampanantenana rehetra nataon'i Demetry tamin'i Jonatana; notantarain'ny olona taminy ny ady nataon'i Jonatana sy ireo rahalahiny, mbamin'ny herimpo nasehony sy ny fijaliana niaretany.

16 Ka hoy i Aleksandra hoe: "Hahita lehilahy toy izany aiza indray isika? Ka ndeha hataontsika izay hahatongavana azy ho sakaizantsika sy mpiara-miasa amintsika."

17 Ary nandefasan'i Aleksandra taratasy i Jonatana, dia taratasy voasoratra araka ireto teny ireto:

18 -Izaho, Aleksandra mpanjaka, dia miarahaba anao, ry Jonatana rahalahiko.

19 Nahare ny aminao aho fa hoe lehilahy be herimpo ianao sady mendrika ny ho sakaizako.

20 Izany no anendreko anao anio ho mpisoromben'ny firenenao sy anomezako anao ny anaram-boninahitra hoe "sakaizan'ny mpanjaka "; koa aoka hiray hevitra aminay ianao sy haharitra amin'ny fisakaizana aminay. Nampiarahin'i Aleksandra mpanjaka tamin'izany taratasy izany ny akanjo jaky mari-pahefana sy ny satroboninahitra volamena ho an'i Jonatana.

21 Dia niakanjo ny fanamiana maha mpisorombe i Jonatana tamin'ny volana fahafiton'ny taona faha-160 , tamin'ny fetin'ny Trano tomboka ; ary namory tafika koa izy sady namboatra fitaovam-piadiana betsaka.

22 Nalahelo mafy i Demetry nony nandre izany zavatra izany, ka nilaza hoe:

23 "Naninona ity isika no i Aleksandra indray no nialoha antsika nahazo fisakaizana tamin'ny Jiosy mba hanamafisany ny fahefany?

24 Izaho koa mba hanoratra ho an'ny Jiosy amin'ny teny hahataona azy sy hanolotra voninahitra ambony amam-panomezana ho azy mba hahatonga azy ho mpanampy ahy."

25 Ary nandefasan'i Demetry taratasy ny Jiosy, dia taratasy araka ireto teny ireto: "Izaho, Demetry mpanjaka, dia miarahaba ny firenena jiosy.

26 Renay sady nahafaly anay ny nitazonanareo mafy ny fifanekena nataonareo taminay sy ny nampaharetanareo ny fisakaizana taminay ary ny tsy fiandanianareo tamin'ny fahavalonay.

27 Koa ankehitriny mahareta miraiki-po aminay hatrany ianareo fa hovalianay soa izay hataonareo ho anay.

28 Hotoloranay fanafoanan-ketra betsaka sy homenay tombontsoa ianareo.

29 Izao ankehitriny izao no anafahako anareo ka ny Jiosy rehetra dia tsy ampandoaviko ny hetra na ny haban-tsirana ny vola hasin'ny mpanjaka,

30 manomboka izao anio izao ny ampahatelon'ny vokatry ny tany ary koa ny antsasaky ny vokatry ny hazo mamoa, izay samy anjarako, dia afoiko ho anareo; eny, manomboka izao anio izao sy amin'ny fotoana ho avy rehetra, dia tsy hampandoaviko ireny intsony na ny tanin'i Jodea na ny faritra telo ao Samaria izay voatambatra aminy na i Galilea.

31 Hotanana masina i Jerosalema, ka ho afaka amin'ny hetra izy sy ny faritra miankina aminy; ho azy ihany ny fahafolon-kareny sy ny haba fandoany.

32 Afoiko mbamin'ny fahefako amin'ny toera-mafy ao Jerosalema, ka omeko ny mpisorombe izany toerana izany hametrahany an'izay olona hofidiny hiambina azy.

33 Ny Jiosy rehetra, natao babo avy amin'ny tanin'i Jodea ho any amin'ny fanjakako manontolo any, dia votsorako ho afaka sady tsy mandoa onitra; izy rehetra no sitrako hafahana amin'ny hetra, na dia ny hetra momba ny biby aza.

34 Mandritra ny fety lehibe rehetra sy ny sabata mbamin'ny voalohan'ny volana sy ny fety hafa voadidy, ary koa mandritra ny andro telo mialoha sy manaraka ny fety lehibe, ny Jiosy rehetra eto amin'ny fanjakako dia ho afaka amin'ny fandoavana haba sy fanefan-trosa;

35 amin'ireo andro ireo, dia tsy misy olona mahazo manenjika Jiosy hampanefa trosa azy na manabataba azy amin-draharaha isan-karazany.

36 "Vatan-dehilahy jiosy mahatratra andiany telopolo no halatsaka amin'ny tafiky ny mpanjaka, ary homen-karama tahaka ny miaramila rehetra karamain'ny mpanjaka. Tanana mimanda vaventy, an'ny mpanjaka, no hametrahana ny sasany amin'ireo;

37 misy koa hotendrena amin'ny raharaham-panjakana ilana olo-mahatoky. Fanampin'izany, izy miaramila iray laharana eo ihany no hifidianana ny manamboninahitra hifehy azy; ka samy hanao toe-piainana araka ny lalanany izy, araka ny nandidian'ny mpanjaka azy tao amin'ny tanin'i Jodea.

38 Ny faritra telo ao Samaria, izay nakambana tamin'i Jodea, dia ho voakambana aminy tokoa sy hovoaisa ho iray aminy, ka tsy hanaiky fahefana hafa ankoatra ny an'ny mpisorombe."

39 I Ptolemaida sy ny faritra miankina aminy dia homeko ho an'ny tempolin'i Jerosalema mba hiantohana ny lany amin'ny fanompoam-pivavahana fanao ao.

40 Izaho koa isan-taona dia vonon-kanome volafotsy 200 kilao izay alaina amin'ny volam-panjakana any amin'izay toerana mety hanangonana azy.

41 Ny ambim-bola rehetra dia tsy narotsaky ny mpamory azy na oviana na oviana tamin'ny taona taloha; fa amin'ny ho avy kosa dia harotsany ho an'ny asan'ny tempoly izany.

42 Ankoatra ireo tombontsoa ireo, ny volafotsy fitopolo kilao izay nesorina tamin'ny fananan'ny tempoly araka ny vola miditra ho azy isan-taona dia tsy ho esorina intsony satria anjaran'ny mpisorona manao ny fanompoany.

43 "Na iza na iza nialoka tao amin'ny tempolin'i Jerosalema na tao amin'ny faritra voafefy manodidina azy, ka mbola ananan'ny fanjakana trosa na voarohirohy amin-javatra hafa, dia ho afaka amin'izany izy; ary tsy hisy ho voatazona ny harena rehetra ananany eto amin'ny fanjakako.

44 Ny lany amin'ny fanamboarana na fanavaozana ny tempoly dia ho tsoahina amin'ny tahirim-bolan'ny mpanjaka.

45 Ny lany amin'ny fanamboarana ny mandan'i Jerosalema sy fanamafisana ny manodidina azy dia ho tsoahina amin'io tahirim-bolan'ny mpanjaka io ihany; toraka izany koa ny fanamboarana manda hafa ao Jodea."

46 Nony nandre ireo tenin'i Demetry ireo i Jonatana sy ny vahoaka, dia tsy nety ninona nanaiky izany; tsaroany manko ny voina lehibe nahatran'io mpanjaka io tamin'i Israely sy ny namoretany mafy azy.

47 Ka dia tapa-kevitra izy ireo fa homba an'i Aleksandra, satria ny tenan'ity mpanjaka ity no nisantatra ny fifandraharaham-pihavanana taminy; ka nandritra ny androm-piainan'i Aleksandra dia nijanona ho mpiandany aminy hatrany ny Israelita.

48 Namory tafika goavana i Aleksandra mpanjaka, ka niroso hamely an'i Demetry.

49 Dia rafitra ny adin'ireto mpanjaka roa lahy, ka vaky nandositra ny tafik'i Demetry; saingy nanenjika azy i Aleksandra ary nahery kokoa noho ny miaramilan'i Demetry ny azy.

50 Niadiany tamin-kerimpo mandra-pilentiky ny masoandro i Demetry ka maty tamin'io andro io.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0635