1 Makabeo

Toko faha-7

1 Tamin'ny taona faha-151 dia nitsoaka avy tao Roma i Demetry zanakalahin'i Seleokosa, ka teo amin'ny tanana anankiray amoron-dranomasina no nitodiany nomban'olona vitsivitsy ary teo no nitononany tena ho mpanjaka.

2 Fony i Demetry nizotra ho any amin'ny lapan'ireo mpanjaka razany, dia nosamborin'ny miaramila i Antiokosa sy i Lisia mba hoentina mankeo aminy.

3 Kanjo nony nampandrenesina izany i Demetry, dia nilaza hoe: Aza atao mifanatri-tava amiko ireo.

4 Ka dia novonoin'ny miaramila ireo, fa i Demetry no nipetraka eo amin'ny seza fiandrianam-panjakany.

5 Nirohotra nankao amin'ny mpanjaka ireo Israelita rehetra mpanohitra ny lalana sy mpankahala ny fivavahana; ary i Alkima, izay naniry ho mpisorombe , no nitarika azy.

6 Teo anatrehan'ny mpanjaka no niampangan'ireo ny vahoaka jiosy hafa toy izao: -Novonoin'i Joda sy ireo rahalahiny ny olona rehetra mpiandany aminao ary noroahiny hiala amin'ny taninay izahay.

7 Koa ankehitriny maniraha olona iray mahatoky anao mba handeha hizaha ny fanimbana rehetra nafitsok'i Joda taminay sy tamin'ny faritaninao, ry mpanjaka. Dia asaovy faiziny mafy i Joda sy ireo rahalahiny mbamin'izay rehetra manampy azy.

8 Nofidin'i Demetry mpanjaka tamin'ireo antsoina hoe "sakaizan'ny mpanjaka " i Bakida governoran'ny faritra andrefan'ny ony Eofrata sady lehilahy ambony tao anatin'ny fanjakana no niraiki-po tamin'ny mpanjaka; io no nirahiny miaraka amin'i Alkima izay mpankahala ny fivavahana.

9 Ity Alkima ity dia notendren'i Demetry ho mpisorombe sy nodidiany hamaly ny ratsy nataon'ny Israelita.

10 Nony nandeha izy roa lahy, dia niaraka tamina tafika goavana; vao tonga tany Jodea ireo, dia nandefa iraka nitondra tenim-pihavanana ho any amin'i Joda mbamin'ireo rahalahiny hamitahana azy.

11 Saingy noho i Bakida sy i Alkima hita fa tonga nomban-tafika lehibe, dia tsy nohenoin'ny Jiosy ny teniny.

12 Kanefa nanatona an'i Alkima sy i Bakida ihany ny mpahay lalana andiany anankiray mba hitady izay vahaolana ara-drariny;

13 ary ny Hasidianina , teo amin'ny samy Israelita, no lohalaharana nila fihavanana,

14 fa hoy ireo hoe: "Mpisorona taranak'i Aharona io Alkima tonga niaraka tamin'ny tafi-panjakana io, ka tsy hanisy ratsy antsika."

15 Dia nanao tenim-pihavanana tamin'ireo mpahay lalana tokoa i Alkima, sady nianiana hoe: -Tsy mihevitra akory ny hanisy ratsy anareo na ny sakaizanareo izahay.

16 Dia natoky an'i Alkima ireo, kanjo nasain'io nosamborina ny enimpolo tamin'ny mpahay lalana, ka nasainy novonoina tamin'ny indray andro ihany, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe:

17 Nanely ny fatin'ireo mpivavaka aminao izy ary nampandriaka ny rany manodidina an'i Jerosalema, ary tsy nisy olona handevina an'ireny akory.

18 Koa raiki-tahotra sy nivadi-po ny vahoaka jiosy rehetra tamin'izay sady loa-bolana hoe: "Tsy misy rariny sy hitsiny ao amin'ireo olona ireo, satria ny fifanekena amam-pianianana nataony no nivadihany."

19 Niala tao Jerosalema kosa i Bakida, dia nandeha nampitoby tafika tao Bety-Zeta ; ary nampisambotra olona maro niandany taminy sy Jiosy hafa sasantsasany izy, ka nampamono azy sy nampamarina ny fatiny tao amin'ilay lava-drano lehibe.

20 Avy eo i Alkima no nanankinan'i Bakida ny faritany sady namelany miaramila hanampy azy; izay vao niverina ho any amin'ny mpanjaka i Bakida.

21 Nanao izay tratry ny ainy kosa i Alkima mba hankatoavam-bahoaka ny maha mpisorombe azy.

22 Nivory teo aminy avokoa ireo mpanabataba ny vahoaka jiosy, dia nahazo nitantana ny tanin'i Jodea ary nampidi-doza lehibe tamin'i Israely.

23 Hitan'i Joda ny ratsy isan-karazany nafitsok'i Alkimasy ireo mpiandany aminy, dia ratsy mangidy kokoa noho izay nataon'ny hafa firenena aza,

24 koa nitety ny faritra Jodea manontolo izy, ary namay ny mpivadika sy nisakana azy tsy hivezivezy eran'ny faritany.

25 Nony tsapan'i Alkima fa nihanahery i Joda sy ny namany ka tsy ho zakany toherina intsony, dia niverina ho any amin'ny mpanjaka izy sady niampanga iretsy ho nanao ratsy lozan-tany.

26 I Nikanora, iray amin'ireo mpitari-tafika malaza tokoa ho an'i Demetry, dia nankahala sy nanohitra ny Israelita. Koa nirahin'ny mpanjaka izy sady nomeny didy handringana izany vahoaka izany.

27 Nony tonga tany Jerosalema i Nikanora nomban-tafika goavana, dia nandefa tenim-pihavanana tamin'i Joda sy ireo rahalahiny mba hamitahany azy izy nanao hoe:

28 Aoka retsy hisy ady aminareo sy amiko; mba te ho avy aho miaraka amin'olona vitsivitsy hahita tava anareo amim-pihavanana!

29 Rehefa tonga teo amin'i Joda i Nikanora, dia nifampiarahaba tamim-pihavanana izy roa lahy; kanjo iretsy fahavalo efa nivonon-kisambotra an'i Joda.

30 Nisy nampandre an'i Joda kosa fa fikendrena hamadika no nankanesan'i Nikanora teo aminy; ka natahotra izy sady nihataka tsy nety nihaona taminy intsony.

31 Fantatr'i Nikanora tamin'izay favaky ny tetik'adiny; ka niala tao Jerosalema izy mba hifanehatra sy hiady amin'i Joda teo akaikin'i Kafarsalama.

32 Nahafatesana vatan-dehilahy andiany dimy eo ho eo ny tafik'i Nikanora tamin'izay, ary nandositra nankao an-Tananan'i Davida ny sisa.

33 Taorian'izany no niakatra tao an-tendrombohitra Tsiona i Nikanora; ka nivoaka ny tempoly ireo mpisorona sasantsasany nomban'ny ampahan'ny loholom-bahoaka mba hiarahaba azy tamim-pihavanana sy haneho aminy ny sorona dorana manontolo natolotra tamin'Andriamanitra ho an'ny mpanjaka.

34 I Nikanora kosa anefa naniratsira sy namingavinga an'ireo olona ireo ka nandrora taminy sy nahatonga azy ho voaloto ara-pivavahana, ary koa nanao teny avonavona taminy,

35 sady nanonona tamin-kavinirana izao fianianana izao: -Raha tsy atolotra ho eo an-tanako izao ankehitriny izao i Joda mbamin'ny tafiny, dia hodorako ity tempoly ity raha vao tafaverina avy nampandry tany aho.

36 Dia lasa nandeha tamin-katezerana mafy i Nikanora; fa ny mpisorona kosa niditra ny tempoly ka nitsangana teo anoloan'ny alitara sy ny Toeramasina sady nanao tamin-dranomaso hoe:

37 -Ianao, ry TOMPO, no nifidy ity trano ity hiantsoana ny anaranao eo aminy mba ho trano fivavahana amam-pitarainana ho an'ny vahoakanao.

38 Koa valio ny ratsy nafitsok'iny lehilahy iny mbamin'ny tafiny. Tsarovy fa nanao teny fanimbazimbana ireo, ka aza avela hiaina intsony.

39 Niala tao Jerosalema i Nikanora, dia lasa nampitoby tafika teo akaikin'i Bety-Horona; ary nisy antoko miaramila avy any Siria nanatevin-daharana azy.

40 I Joda kosa niaraka tamina miaramila andiany telo no nitoby teo akaikin'i Hadaka , ary nivavaka nanao hoe:

41 -TOMPO o, rehefa nanevateva Anao fahiny ireo iraky ny mpanjaka asirianina , dia tonga ny anjelinao namono andiany 185 tamin'ny miaramilany.

42 Koa mba aringano toraka izany koa ity tafika eto anatrehanay ity anio, mba hieken'izay rehetra sisa velona fa niteny ratsy ny tempoly tokoa i Nikanora; araka ny haratsiam-panahiny no itsarao io lehilahy io.

43 Dia nanomboka ady ireto tafika roa tonta tamin'ny volana Adara, andro faha-13; ka montsana mihitsy ny miaramilan'i Nikanora, ary ny tenany aza no maty voalohany teo amin'ny ady.

44 Rehefa nahita an'i Nikanora maty ireo miaramilany, dia nanary fiadiana ka lasa nandositra.

45 Ary nenjehin'ny Jiosy lalana indray andro ireny, hatreo Hadasa ka hatrany Gezera , sady nampitatatatainy ny trompetra fanairana.

46 Koa ny olona avy amin'ny tanana manodidina rehetra tany Jodea no niainga nanarona ny fahavalo ka nampiverina azy hifanehatra; dia lavon-tsabatra avokoa ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza.

47 Nendahan'ny Jiosy ireto resy ary nobaboiny fananana. Ny lohan'i Nikanora kosa mbamin'ny tanany havanana izay faninjiny tamim-pireharehana dia samy notapahiny ka nentiny hahantona nanatrika an'i Jerosalema.

48 Feno hafaliana tokoa ny vahoaka ary nankalaza io andro io toy ny androm-pifaliana lehibe.

49 Dia naraikitra hankalazaina isan-taona koa izany amin'ny volana Adara, andro faha-13.

50 Ary nandry feizay nandritra ny fotoana kelikely ny tanin'i Jodea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561