1 Makabeo
Toko voalohany
1 I Aleksandra Lehibe, zanakalahin'i Filipo mpanjaka masedonianina, dia niainga avy ao Masedonia izay taniny mba hiantafika. Tamin'izay no nandreseny an'i Dariosa amperoran'ny Persianina sy Medianina, ka nanitarany fanjakana tamin'i Gresy aloha, ary koa nahatonga azy ho amperora nandimby an'i Dariosa.2 Dia niantafika imbetsaka i Aleksandra Lehibe, ka nahazo tanana mimanda maro sy namono ireo mpanjaka tompon-tany.
3 Tongany hatrany amin'ny faran'ny tany, ka firenena maro no nahazoany babo. Rehefa nilamina ny tany teo ambany fahefany, dia niavonavona am-po sy nibohibohy izy.
4 Namory tafika mahery tokoa izy, ka nampanaiky faritany amam-pirenena sy mpanjaka maro izay nanjary mpandoa hetra ho azy.
5 Avy eo dia nilamaka tao am-pandriana i Aleksandra Lehibe, ary nanandindona azy ny ho faty;
6 ka nantsoiny hanatona azy ny manamboninahiny, dia ireo andriambaventy namany hatry ny fahazazany, ary nozarainy tamin'ireo ny fanjakany dieny mbola tsy maty izy.
7 Naharitra 12 taona no nanjakan'i Aleksandra Lehibe, dia nodimandry izy.
8 Samy nandray fahefana teo amin'ny zarataniny avy ireo manamboninahiny.
9 Samy nisatroka ny fehiloha maha mpanjaka azy avy izy rehetra, taorian'ny nahafatesan'i Aleksandra; toy izany koa no nataon'ireo zanany nandimby azy nandritra ny taona maro, ary nampitomboiny be ny faharatsiana teto an-tany.
10 Nisy taranaka anankiray tsy mpivavaka, nipoitra avy amin'ireo mpanjaka ireo, dia i Antiokosa Epifana zanakalahin'i Antiokosa mpanjaka. Natao antoka tany Roma izy io, dia tonga mpanjaka tamin'ny taona faha-137 nisian'ny fanjakana grika tao Siria.
11 Tamin'izany andro izany, nisy andian'olom-poana avy amin'i Israely ka nahatarika hafa maro fony nanao hoe: "Ndeha isika hikambana amin'ireo firenena manodidina antsika, fa niharam-pahavoazana isika, hatrizay nitokanantsika lavitra an'ireo izay."
12 Noheverina ho tsara harahina izany teny izany,
13 ka ny sasany tamin'ny vahoaka dia dodona ery nanatona ny mpanjaka; izy kosa nanome lalana hanarahany ny fanaon'ny firenen-kafa.
14 Dia namboatra toerana fanaovana fanatanjahan-tena tao Jerosalema ireo olona ireo, araka ny fomban'ny firenen-kafa.
15 Nofoanany koa ny mariky ny famorana azy , ary nialany ny fanekem-pihavanana masina mba hikambanany amin'ny firenen-kafa. Dia nivaro-tena izy hanao ny ratsy.
16 Nony efa hitan'i Antiokosa fa mafy orina ny fanapahany, dia nihevitra izay hanjakany amin'i Ejipta izy mba ho tonga mpanjaka amin'ny fanjakana roa tonta.
17 Ka niditra tany Ejipta izy nitondra tafika goavana, nomban-kalesy aman'elefanta sy mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny sambo vaventy maro.
18 Nanomboka ady tamin'i Ptolemeo mpanjakan'i Ejipta izy; nefa raiki-tahotra io teo anoloany, ka nitsoaka nandositra ary miaramilany maro no niampatrampatra maty.
19 Azon'i Antiokosa ny tanana mimanda tao Ejipta ary nofaohiny ny babo eran'io tany io.
20 Rehefa avy nandresy an'i Ejipta izy tamin'ny taona faha-143 , dia niakatra nomban-tafika goavana hamely an'i Israely sy i Jerosalema.
21 Tamin'izay i Antiokosa dia nisolantsolana niditra tao an-tempoly; ka nalainy avokoa ny alitara volamena, ny fitoeran-jiron'ny fanazavana mbamin'ny kojakoja rehetra momba azy,
22 ny latabatra fasiana ny mofo atolotra ho an'Andriamanitra, ny jogy fandrarahan-divay, ny tsatokaty, ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra , ny efitra lamba, ary ny fehiloha. Nendahany hatraiza hatraiza ny peta-bolamena manontolo nandravaka ny rindrina anoloana teo amin'ny tempoly,
23 nalainy koa ny volamena sy volafotsy ary ny fanaka sarobidy mbamin'ny raki-tsoa niafina azony nokarohina.
24 Nentiny avokoa izany rehetra izany, dia lasa nody any amin'ny taniny izy. Namono olona betsaka tokoa izy ary namoaka teny feno avonavona mihoa-pampana.
25 Fisaonana lehibe no teo amin'ny Israelita manerana ny faritra manontolo nonenany.
26 Velon-taraina ny manampahefana aman-doholona; niraviravy tanana ny zatovovavy sy zatovolahy, nihamatroka ny bikan'ny vehivavy.
27 Ny vao nampaka-bady dia re nidradradra; ny avy nampakarina dia namarin-dranomaso nipetraka tao an'efitrano fampakarana.
28 Nihorohoro ny tany noho izay nanjo ny mponin'i Israely, fa safo-kenatra avokoa izay rehetra taranak'i Jakoba.
29 Roa taona taorian'izany ny mpanjaka no nandefa mpamory hetra ho any amin'ny tananan'i Jodea; dia tonga tao Jerosalema izy io, nomban-tafika goavana.
30 Nanao teny malefaka hamitahana ny mponina izy ka noraisin'ny olona tamin-toky. Kanjo nodainany tampoka ny tanana ka nianjadian'ny loza mafy; ary nahafatesany betsaka ny Israelita.
31 Nobaboiny ny tanana, nodorany tamin'ny afo, noravany ny trano sy ny manda manodidina.
32 Nentin'ny miaramila ho babo ny zaza amam-behivavy ary nalainy ho fananana koa ny biby fiompy.
33 Avy eo dia nohodidinin'ny Sirianina manda avo sy matevina ny Tananan'i Davida, sady nasiany tilikambo mafonja, ka nataony toera-mafy ho azy.
34 Karazan'olon-dratsy, tsy manam-pinoana ary tsy mpanara-dalana, no napetrany tao sy niorinamafy teo.
35 Fiadiana sy sakafo no natobiny tao; dia nangoniny koa ny remby azony tao Jerosalema ka napetrany tao; ary izany toera-mafy izany dia nataony fandrika goavana.
36 Eny, tonga fanotrehana izany hamelezana ny tempoly, sady asan-devoly mamohehatra hamelezana lalandava an'i Israely.
37 Teo amin'ny manodidina ny tempoly no nandrarahan'ireo fahavalo ireo ny ain'ny olona tsy manan-tsiny ka nandotoany io toeramasina io.
38 Ny nafitsok'ireo no nampandositra ny mponina hiala tao Jerosalema ka nahatonga ny tanana ho fonenan'olon-kafa, fa zary fivahiniana kosa ho an'izay teraka tao anatiny saingy voatery nandao azy.
39 Ny tempoly dia tonga foana toataniefitra,ny fetiny nivadika ho androfisaonana, ny sabatany nivadika ho fahafaham-baraka ary ny voninahiny nivadika ho fandatsana azy.
40 Araka ny haavon'ny voninahiny taloha no halalin'ny fietreny ankehitriny, ka ny fahalehibeazana nananany no nivadika ho fisaonana.
41 Tamin'izay ny mpanjaka Antio kosa dia namoaka didy an-tsoratra eran'ny fanjakany manontolo mba hiraisan'ireo olom-peheziny rehetra ho vahoaka tokana
42 ka samy hanariany ny lalanany manokana avy. Nanaraka ny didin'ny mpanjaka avokoa ny hafa firenena,
43 ary betsaka ihany koa tamin'ny Israelita no nanaiky am-pitiavanany fivavahan'ny mpanjaka, ka nanao sorona tamin'ny sampy ary tsy niraharaha ny sabata.
44 Ankoatra izany, nisy iraka nampitondrain'ny mpanjaka taratasy ho an'i Jerosalema sy ho an'ny tanana hafa ao Jodea mba handidy ny mponina hanaraka fomba tsy tokony hatao eo amin'ny taniny.
45 Nobaikoina izy mba hampitsahatra ao an-tempoly ny sorona dorana manontolo sy ny sorona amam-panatitra araraka, mba tsy hiraharaha ny sabata sy ny fety
46 ary mba hanimbazimba ny tempoly sy ny zava-masina.
47 Nobaikoina koa izy mba hanangana alitara sy toeram-pivavahana ary tempoly ho an'ny sampy, sady hanolotra kisoa amam-biby maloto hafa koa ho sorona fanajana azy.
48 Ary nobaikoina izy mba tsy hamela ny zanany lahy hoforana, ary mba handoto tena amin'ny fomba maloto sy fanimbazimbana isan-karazany
49 ka hahatonga azy hanadino ny lalanan'i Mosesy ary hanova ny zava-drehetra fanaony.
50 Koa na iza na iza tsy hankato ny didin'ny mpanjaka Antiokosa dia ho helohina ho faty.