1 Makabeo

Toko faha-12

1 Hitan'i Jonatana fa nanambina azy ny toe-javatra; ka nifidy olona izy nalefany tany Roma mba hanamafy sy hanavao ny fihavanan'ny Jiosy amin'ny Romanina.

2 Nandefasany taratasy araka izany tanjona izany koa i Sparta sy ny tanana hafa.

3 Ary nankany Roma ireto iraka, dia niditra tao amin'ny Antenimieran-doholona, ka nanao taminy hoe: -I Jonatana mpisorombe sy ny firenena jiosy no naniraka anay ho aty aminareo mba hanavao ny fihavanana amam-pifanekenareo aminy toy ny teo aloha.

4 Dia nomen'ny Antenimieran-doholona taratasy ireto iraka mba ho an'ny manampahefana romanina any amin'ny isan-tanana ho lalovany; ka hataon'ireo manampahefana ireo izay hiverenan'ny iraka soa aman-tsara any Jodea.

5 Izao kosa no kopian'ny taratasy nalefan'i Jonatana ho an'ny mponin'i Sparta:

6 "Izaho Jonatana mpisorombe sy ny loholom-pirenena ary ny mpisorona mbamin'ny vahoaka jiosy ankoatr'ireo no manoratra aminareo havanay monina ao Sparta ary koa miarahaba anareo.

7 Tany aloha dia efa nisy taratasy noraisin'i Onia mpisorombenay; i Areiosa, izay nanjaka taminareo fahiny, no nandefa io taratasy io ka nilaza fa havanay ianareo, araka ny voaporofon'ny kopia etsy ambanin'ity taratasiko ity.

8 Noraisin'i Onia tamim-pomba manetriketrika ny iraka reo; ary noraisiny koa ilay taratasy milaza mazava ny fiaraha-miasa sy fisakaizana.

9 Efa manana ny boky masina eo am-pelatananay izahay ho fiononam-po, ka tsy voatery hila izany zavatra izany,

10 saingy niezaka nandefa iraka taty aminareo ihany izahay hanavao ny fifankatiavana amam-pisakaizana ifamatorantsika, mba tsy ho zary olon-kafa aminareo izahay; taona maro manko izay no efa lasa, hatramin'ilay nandefasanareo iraka taty aminay.

11 Izahay aloha, amin'ny fotoana rehetra, dia tsy mitsaha-mahatsiaro anareo fony manolotra sorona sy mivavaka na amin'ny fety fankalazanay na amin'ny andro masina hafa, araka izay mety sy tokony hahatsiarovan-kavana.

12 I falianay koa ny lazanareo,

13 saingy izahay no hodidinin-doza maro amam-pamelezana tsy an-kijanona ary iadian'ireo mpanjaka manodidina anay.

14 Tsy satrinay tamin'izany ny nanahirana anareo sy ireo mpiara-miasa aminay ary sakaizanay hafa koa.

15 Fa manana ny vonjy avy amin'Andriamanitra hanampy anay izahay; ka dia Izy no manafaka anay sy manetry ny fahavalonay.

16 Kanefa nofidinay i Nomeniosa zanakalahin'i Antiokosa ary koa i Antipatera zanakalahin'i Jasona, ka nirahinay ho any amin'ny Romanina mba hanavao ny fisakaizana sy fiaraha-miasa nifanaovanay fahiny taminy."

17 Nohafaranay izy roa lahy hankaty aminareo koa mba hiarahaba anareo sy hitondra ny taratasinay momba ny fanavaozana ny fihavanantsika.

18 Ary ankehitriny, dia ny mamaly anay ny amin'izany no mety hataonareo.

19 "Izao no kopian'ny taratasy efa nampitondraina taloha tamin'i Onia:

20 Izaho Areiosa, mpanjakan'i Sparsiata, no manoratra aminao, ry Onia mpisorombe, ary miarahaba anao."

21 Misy tahirin-tsoratra momba ny Sparsiata sy ny Jiosy nahitana fampihavana ny firenena roa tonta ary samy taranak'i Abrahama.

22 Ka amin'izao ahalalantsika an'izany izao, tsara ho anay ny anoratanareo ny amin'ny toe-karenareo.

23 Fa izahay kosa dia manoratra aminareo hoe: Anareo ny biby fiompinay sy ny fanananay tahaka ny maha anay ny biby fiompinareo sy ny fanananareo. Noho izany, omenay baiko ny irakay hanao filazana araka izany aminareo."

24 Nahare i Jonatana fa niverina hamely azy ny jeneralin'i Demetry, mitondra tafika lehibe lavitra noho ny teo indray.

25 Ka niala tao Jerosalema i Jonatana, dia lasa nisehatra azy tao amin'ny faritr'i Hamata ; fa tsy navelany ho afa-kitsofoka amin'ny taniny akory ireo.

26 Nandefa mpitsikilo ho any an-tobin'ny fahavalo i Jonatana; ka nony tafaverina ireo, dia nilaza fa nikasa hanao sovok'ady amin'ny alina ny tafika sirianina.

27 Nony lentika ny masoandro, dia nodidian'i Jonatana ireo mpomba azy mba hiari-tory ka hitam-piadiana tontolo alina ho vonon-kiady; ary nandefa sany mpitily koa manodidina ny toby israelita.

28 Ren'ny fahavalo kosa fa mivonon-kiady i Jonatana sy ireo mpomba azy, ka raiki-tahotra mafy izy; nivadi-po ny tafika sirianina, dia nandrehitra afo teo an-toby ary lasa nandositra.

29 Maraina ihany vao fantatr'i Jonatana sy ireo mpomba azy ny zava-nitranga, satria hitany nirehitra hatrany ny afo.

30 Dia lasa nanenjika ny fahavalo i Jonatana, nefa tsy nahatratra azy intsony fa efa tafita ny ony Eleotera ireo.

31 Tamin'izay i Jonatana dia nihodina hamely an'ireo Arabo atao hoe Zabadeanina; noreseny ireo ary nobaboiny ny fananany.

32 Avy teo izy dia nankany Damasy sady nitety ny faritra manontolo.

33 I Simona koa teo an-daniny dia niainga hiantafika sy nandroso hatrany Askelona sy hatrany amin'ireo trano mimanda mifanila aminy; dia nihodina nankany Jopa izy sy nitana an'io tanana io,

34 satria reny fa nikasa hanolotra ny trano mimanda amin'i Demetry ny mponina; ka dia nametrahany andia-miaramila teo mba hiambina azy.

35 Nony tafaverina tao Jerosalema i Jonatana, dia namory ny loholom-bahoaka; ka tapa-kevitra ny mpivory fa hanorina trano mimanda ao Jodea.

36 Tinapany koa ny hanondrotra ny mandan'i Jerosalema, ary ny hanisy tamboho avo eo anelanelan'ilay toera-mafy sy ny tanana mba hampisaraka azy roa ireo; ka hiavahan'ny toera-mafy sady tsy hahazoana mivarotra na mividy zavatra amin'ny miaramila sirianina mitoby ao.

37 Nifarimbona hanao ny fanarenan-tanana ny mponina, indrindra fa nirodana ny manda manamorona ny lohasahan-driaka Kidrona; ary namboarina koa ny ampahan'ny tanana atao hoe Kafenata.

38 I Simona kosa nanorina an'i Hadida teo amin'ny lemak'i Sefela, dia nanisy vavahady sy hidy mafy azy.

39 I Trifona dia naniry hanjaka amin'i Azia sy hitondra ny satroboninahi-panjakana ary hamono hahafaty an'i Antiokosa mpanjaka.

40 I Jonatana no natahorany tsy hamela azy hanao izany sy hiady hanohitra azy; ary nitady izay hevitra hisamborana an'i Jonatana sy hamonoana azy i Trifona, ka lasa nankany Bety-Seana.

41 Fa niroso hitsena azy koa i Jonatana nitondra miaramila voafantina nisy andiany efapolo, ka nandroso ho any Bety-Seana.

42 Rehefa nahita an'i Jonatana tonga nomban-tafika goavana i Trifona, dia tsy sahy nisambotra azy

43 fa nandray azy tamim-pomba manetriketrika sady nanolotra fanomezana ho azy; nentiny haseho tamin'ny sakaizany rehetra izy ka nodidiany avokoa na ireo sakaizany na ireo miaramilany hanoa azy toy ny tenany.

44 Avy eo izy dia niteny tamin'i Jonatana hoe: -Ahoana ange no dia nanasaranao io tafika manontolo io, nefa tsy misy ady akory amintsika?

45 Koa ampodio ho any an-tranony ireo miaramila ireo; fa izay vitsivitsy hanaraka anao no fidio, dia ndeha ianao hiaraka amiko ho any Ptolemaida. Hatolotro anao manko io tanana io mbamin'ny trano mimanda hafa ary koa ny miaramila tavela ao sy ny mpiasam-panjakana rehetra, satria izany no nankanesako aty. Avy eo aho vao hiverina any Antiokia.

46 Natoky an'i Trifona i Jonatana ka nanao araka izay nolazainy; nampodiny ny tafiny, ary niverina ho any Jodea ireo.

47 Andiany telo monja no miaramila notanan'i Jonatana teo aminy, ka ny andiany roa nalefany ho any Galilea fa ny andiany anankiray no hany nanaraka azy.

48 Kanjo vantany vao tafiditra tao Ptolemaida i Jonatana, dia nohidian'ny mponina ny vavahady; nosamborin'ireo i Jonatana, ary novonoiny tamin'ny sabatra kosa izay rehetra niara-niditra taminy.

49 Nandefasan'i Trifona miaramila sy mpitaingin-tsoavaly koa tany Galilea sy tany amin'ny lemaka lehibe mba hamono ny miaramila rehetra napetrak'i Jonatana.

50 Noheverin'ireo kosa fa voasambotra i Jonatana sady niara-novonoina tamin'izay nanaraka azy; ka nifampirisika izy, dia nandroso nilahatra nifanety sy vonon-kiady.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0848