1 Makabeo
Toko faha-9
1 Nony ren'i Demetry fa maty tamin'ny ady i Nikanora sy ny tafiny, dia nalefany ho any Jodea indray i Bakida sy i Alkima , nitondra ny vondron-tafi-panjakana kinga indrindra.2 Ny lalana mankany Gilgala no nizorany; dia nataony fahirano i Mesalota izay tao anatin'ny faritany Arbela , ka azony io tanana io ary namonoany marobe ny mponina.
3 Tamin'ny taona faha-152, volana voalohany , dia nampitoby tafika teo anoloan'i Jerosalema i Bakida sy i Alkima.
4 Avy eo dia niainga nankany Bereta izy roa lahy, nitondra miaramila andiany roapolo sy mpitaingin-tsoavaly andiany roa.
5 I Joda kosa niorin-toby tao Elasa , nomba-miaramila voafantina andiany telo.
6 Raiki-tahotra mafy ny tafika jiosy, nony nahita ireto fahavalo maro tokoa; ka betsaka ny Jiosy no nitsoaka mangingina niala teo an-toby; valonjato lahy sisa tafajanona.
7 Hitan'i Joda fa nilofika ireto miaramilany, kanefa ny tenany tsindrian-daona hiatrika ady; koa torotoron'alahelo ny fony, satria tsy nisy intsony fotoana hamoriany ny mpitsoaka an-daharana.
8 Nahatsiaro reraka izy, saingy izao no teny nataony tamin'ireto sisa tafajanona teo aminy: -Ndeha isika hisehatra ny fahavalontsika sy hamely azy, raha mbola afa-miady aminy koa isika!
9 Notohain'ny miaramilany kosa i Joda mba tsy hanao izany sady nitenenany hoe: -Tsy afa-manoatra isika izao, fa aleo manavotra aina; aoriana isika vao hiverina hiaraka amin'ny namantsika indray mba hiady amin'ny fahavalontsika.
10 Fa hoy i Joda taminy: -Sanatria ahy ny hanao izany, ka hiamboho handositra! Raha tonga ny fotoana hahafatesantsika, dia aoka isika ho faty amin-kerimpo ho an'ny mpiray firenena amintsika; ary aza asiana pentina ny voninahitsika.
11 Dia nivoaka ny toby ireo fahavalo mba hifanehatra amin'ny Jiosy; nizara roa toko ny an-tsoavaly ka ny mpirongo antsamotady sy tsipika no teo aloha mbamin'ireo zatra ady eo an-dohalaharana, dia olona mahery fo avokoa; i Bakida kosa tery amin'ny ilany ankavanana.
12 Nandroso ho antokony roa ny miaramila an-tongotra sady nampaneno trompetra.
13 Ry Joda koa, tetsy an-daniny, dia nampaneno trompetra; ka nihorohoro ny tany, azon'ny firohondrohon'ny tafika roa tonta. Rafitra ny ady, nanomboka tamin'ny maraina ka naharitra hatramin'ny hariva.
14 Nony hitan'i Joda fa teo amin'ny ilany ankavanana i Bakida sy ny miaramilany kinga indrindra, dia novoriny hanodidina azy ny Jiosy rehetra mahery fo indrindra,
15 ka nitsofohany ny ilany ankavanana amin'ny fahavalo ary notanarahiny hatrany an-tendrombohitra Azara.
16 Rehefa hitan'ny ilan-tafika ankavia amin'ny fahavalo fa resy ny ilan-tafika ankavanana, dia nifoterany avy ato aoriana i Joda sy ny namany.
17 Nihanangotraka ny ady, ka samy be maty izy roa tonta.
18 Maty koa i Joda, dia vaky nandositra ireo namany sisa.
19 Dia nentin'i Jonatana sy i Simona ny fatin'i Joda rahalahiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drazany ao Modina.
20 Nitomanian'ny Israelita rehetra sy nigogogogoany mafy i Joda; ary naharitra andro maro no nisaonany azy sy nanaovany hoe:
21 Ahoana re no dia nahafaty an'ilay mahery, an'ilay nanafaka an'i Israely?
22 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joda mbamin'ny ady hafa nataony sy ny herimpo hafa nasehony ary ny anaram-boninahitra hafa nananany dia tsy ary ho voasoratra mihitsy satria maro loatra.
23 Nony efa maty i Joda, dia nitrangatranga eran'ny tany Israely manontolo ireo mpanohitra ny lalanan'Andriamanitra ary niarin-doha izay rehetra mpanao ratsy.
24 Nisy mosary tena mafy koa tamin'izany andro izany, ka lasa nivadika niandany taminy mbamin'ny firenena iray manontolo.
25 Ny olona mpankahala fivavahana rahateo no voafidin'i Bakida sy notendreny hitondra ny tany.
26 Nokarohin'ireo ny sakaizan'i Joda sady nataony tsongodia, ary nentiny any amin'i Bakida, ka nofaizan'io sy nataony fihomehezana.
27 Lalina loatra ny fahoriana nanjo ny Israelita, fa nanomboka teo amin'ny andro tsy nahitana mpaminany teo aminy intsony dia tsy mbola nisy fahoriana toy izany.
28 Koa nivory izay rehetra sakaizan'i Joda ary nilaza tamin'i Jonatana hoe:
29 -Hatrizay nahalasanan'i Joda rahalahinao izay, dia tsy misy lehilahy toa azy intsony mba hitsangan-kanohitra ny fahavalontsika, izany hoe i Bakida mbamin'ireo rehetra mankahala ny firenentsika.
30 Ka dia ianao no fidinay anio ho filohanay hisolo azy, sy ho mpitari-tafika amin'ny ady hatrehintsika.
31 Dia noraisin'i Jonatana ny fanapahana tamin'izany andro izany, ary nandimby an'i Joda rahalahiny izy.
32 Vao nandre ny nifidianana an'i Jonatana i Bakida, dia nitady hamono azy.
33 Nony nahafantatra izay fikasana izany i Jonatana sy izay rehetra nomba azy mbamin'i Simona rahalahiny, dia nandositra tany an-taniefitr'i Tekoa sy nitoby teo akaikin'ny rano amin'ny lava-drano Asfara.
34 Ren'i Bakida, indray andro sabata, ny toeran'ireo; ka niainga izy mbamin'ny tafiny manontolo ho any andafin'i Jordana.
35 Nirahin'i Jonatana hankany amin'ny Nabateanina sakaizany kosa i Johany rahalahiny sady mpifehy vahoaka; hiangavy ny Nabateanina no anton-diany mba homeny lalana hametraka entana any aminy satria be entana tokoa ny tafika israelita.
36 Kanjo nivoaka avy ao Medeba ireo Jambrita ka nisambotra an'i Johany mbamin'ny entany rehetra, dia nandeha nitondra ny babony.
37 Taorian'izany zava-nitranga izany, dia nisy nilaza tamin'i Jonatana sy i Simona rahalahiny fa hoe hanao fampakaram-bady malaza ny Jambrita, ka avy any Nabata nohavoaka amim-boninahitra lehibe razazavavy izay zanaky ny andriambaventy kanahanita anankiray.
38 Tsaroan'izy roa lahy tamin'izay ny namonoana an'i Johany rahalahiny; dia niakatra izy, ka nitampify takon'ny tendrombohitra.
39 Nanopy maso nitsirika izy mirahalahy, ka indro tetsy ankilany andian'olona maro miraondraona sy enta-miavosa be dia be; tetsy an-daniny kosa ny mpampakatra otronin'ireo rahalahiny aman-tsakaizany no mandroso mitsena azy ka nomban'ny feon'amponga tapaka aman-javamaneno sady nirongo fiadiana be dia be.
40 Nahita izany i Jonatana sy ireo olony, dia niroatra avy ao am-panotrehany, ka niantoraka tamin'ny mpikorana hamono azy; niharan'ny ratra mafy ny maro tamin'ireo ka maty, fa ny sisa velona kosa nandositra tany an-tendrombohitra, ary nobaboin'ny Jiosy ny entana rehetra nananany.
41 Ka niova ho fisaonana ny fampakara-bady, ary ho fidradradradrana ny feon-javamaneno.
42 Nony avy namaly faty ny namonoana ny rahalahiny ry i Jonatana sy i Simona, dia nihataka ho any amin'ny henihenin'i Jordana.
43 Ren'i Bakida ny toeran'i Jonatana sy ny olony; ka, indray andro sabata, dia tonga hatrany amoron'i Jordana izy nitondra tafika lehibe.
44 Dia hoy i Jonatana tamin'ireo namany: -Mitsangana ankehitriny, miadia ho fiarovana ny aintsika! Fa tsy tahaka ny omaly sy afak'omaly intsony ity anio ity.
45 Indro fahavalo vonon-kiady no eo anoloantsika, ny ranon'i Jordana no ao ivohontsika, ary ala aman-keniheny no eo an-daniny roa, ka tsy misy azo andosirana akory.
46 Koa miantsoa vonjy amin'Andriamanitra ankehitriny mba ho afa-doza isika fa tsy ho azon'ny fahavalontsika.
47 Dia nanomboka ny ady. Naninji-tanana i Jonatana mba hikapa an'i Bakida; fa lasa nankany aoriana i Bakida hialana azy.
48 Tamin'izay kosa i Jonatana sy ireo olony no nivikina niroboka an'i Jordana, ka nita nilomano; nefa ny fahavalo tsy nita hanenjika azy.
49 Nisy vatan-dehilahy andiany iray no maty tamin'ireo mpomba an'i Bakida androtrizay.
50 Niverina ho any Jerosalema i Bakida. Ary nohamafisiny ny tanana sasany tao Jodea, ka nasiany manda avo sy vavahady ary hidy mafy; ireo tanana ireo dia i Jerikao sy i Emaosy ary i Bety-Horona mbamin'i Betela sy i Timna ary i Paratona sy i Tefona.