1 Makabeo

Toko faha-8

1 Ren'i Joda Makabeo ny laza nananan'ny Romanina fa hoe mahery an'ady ireo, manisy soa an'izay rehetra miandany aminy, ary manao fihavanana amin'izay rehetra manatona azy. Eny, mahery an'ady tokoa ireo

2 fa notantarain'olona tamin'i Joda ny ady nataony sy ny herim-po nasehony tany amin'ny Goloa izay nampanekeny azy sy tongany mpandoa hetra ho azy.

3 Teo koa izay rehetra vitan'ny Romanina tany Espaina mba hahazoany ny toerana fihadiam-bolamena sy volafotsy tao,

4 ny fahamalinana amam-paharetany no nampanekeny manontolo io tany io, na dia lavitra an'i Roma tokoa aza. Nataony toy izany koa ny mpanjaka avy tany am-paravazan-tany tonga nanafika azy; noreseny sy nampitondrainy faisana ireny, ary ny sisa velona kosa nampandoaviny hetra ho azy isan-taona.

5 Resiny an'ady sy nampanekeny azy avokoa i Filipo sy i Persea mpanjaka masedonianina mbamin'izay nandray fiadiana hamely azy.

6 Resin'ny Romanina koa i Antiokosa Lehibe mpanjakan'i Azia , izay tonga hiady taminy, nitondra elefanta120, mpitaingin-tsoavaly, kalesy ary tafika goavana tokoa:

7 Nataony sambo-belona ilay io, dia notereny handoa hetra be dia be ho azy ny tenany mbamin'ny dimbiny sady hametraka olona ho antoka.

8 Farany notereny izy hamoy ny ampahan'ny taniny, dia i India sy i Media ary i Lidia mbamin'ny faritany sasany tsara indrindra; ka rehefa voarain'ny Romanina avy amin'i Antiokosa Lehibe ireo dia natolony ho an'i Eomena mpanjaka.

9 Nanapa-kevitra hamely sy handrava ny Romanina ny Grika; fa nony nandre izany ireo,

10 dia naniraka jeneraly iray monja hamely azy, ary niady taminy ka be no matiny; dia nobaboiny ny vady aman-janany, norobainy ny fananany, nampanekeny ny taniny, noravany ny mandany ary nandevoziny mandraka androany ny mponina.

11 Ny fanjakana hafa rehetra mbamin'ny nosy, izay nanohitra ny Romanina, dia noravany sy nampanekeny avokoa; fa izay sakaizany sy izay nametra-pitokiana taminy kosa dia nitandroany fihavanana.

12 Nampaneken'ny Romanina ireo mpanjaka na ny akaiky na ny lavitra azy, ary natahotra azy avokoa izay nandre ny lazany.

13 Izay rehetra tiany hampiana sy homem-panjakana, dia manjaka; izay tiany halam-pahefana kosa dia alany; nahery dia nahery ny Romanina.

14 Na eo aza izany rehetra izany, tsy mba nisy nisatroka satroboninahitra izy na nitafy jaky hanambony tena,

15 namorona antenimieran-doholona nisy solotena 320 lahy izy, ka isan'andro ireo loholona ireo no miara-nidinika sy mikarakara tsy tapaka ny raharaham-bahoaka mba ho fanasoavana azy.

16 Lehilahy iray no ametrahany ny fahefana isan-taona mba hifehy azy Romanina sy hanapaka ny fanjakany manontolo; dia samy manaiky izany lehilahy iray izany ny besinimaro, ary tsy mba misy fitsiriritanana fialonana eo aminy.

17 I Eopolema zanakalahin'i Johany sady zafin'i Hakosa ary koa i Jasona zanakalahin'i Elehazara no voafidin'i Joda Makabeo sy nirahiny ho any Roma mba hamitrana fisakaizana sy fifarimbonana amin'ny Romanina.

18 Ny zava-kendren'i Joda dia ny hanafahana ny Jiosy amin'ny zioga, satria hitan'ny Romanina ny fanandevozan'ny fanjakana grika an'i Israely.

19 Dia lasa nankany Roma i Eopolema sy i Jasona, nandeha lalan-davitra dia lavitra. Nony tafiditra teo anoloan'ny antenimieran-doholona izy roa lahy, dia nandaha-teny toy izao:

20 -Naniraka anay ho aty aminareo i Joda Makabeo sy ireo rahalahiny mbamin'ny vahoaka jiosy hamitrana fifarimbonana sy fihavanana aminareo, ka ho voasoratra ho anisan'ny mpifarimbona aminareo sy sakaizanareo.

21 Dia nankatoavin'ireo loholona izany fangatahana izany,

22 ka ny kopian'ny fifanekena nosoratan'ny Romanina tamin'ny takelaka halimo sy nalefany ho any Jerosalema, mba hampahatsiarovana amin'ny Jiosy izany famitranam-pihavanana sy fifarimbonana izany, dia toy izao:

23 "Hambinina mandrakizay anie ny Romanina sy ny firenena jiosy, na an-dranomasina na an-tanety! Ho lavitra azy roa tonta anie ny sabatra amam-pahavalo!

24 Raha misy ady atao hamelezana ny Romanina aloha na ny anankiray amin'ireo firenena mpifarimbona aminy, ao anatin'ny fanjakany manontolo,

25 dia hazoto fo hifarimbona aminy tokoa ny firenena jiosy, araka izay takin'ny toe-javatra aminy.

26 Ka izay mpamely ny Romanina dia tsy homen'ny Jiosy na hampindraminy vary na fiadiana na vola na sambo, araka izay tinapak'i Roma; ary ho tanterahin'ny Jiosy ny zavatra nekeny, ka tsy handraisany setriny na inona na inona izany.

27 Toraka izany koa, raha misy ady apoaka hamelezana ny fienena jiosy aloha, dia hazoto fanahy hifarimbona aminy tokoa ny Romanina, araka izay takin'ny toe-javatra aminy.

28 Tsy homen'ny Romanina vary na fiadiana na vola na sambo ireo fahavalon'ny Jiosy, araka izay tinapak'i Roma; ary hotanterahiny amin-kitsimpo ny zavatra nekeny.

29 Araka izany rindran-teny izany no nanaovan'ny Romanina fifanarahana tamin'ny vahoaka jiosy.

30 Any aoriana, raha misy te hanampy na hanala amin'izany izy roa tonta, dia azony atao araka izay tiany izany; ka hanan-kery izay zavatra nanampy na nalana.

31 Ny amin'ny fampahoriana nafitsok'i Demetry mpanjaka tamin'ny Jiosy kosa dia nanoratra ho any amin'io izahay nanao hoe: Nahoana no ampitondrainao fampahoriana mavesatra ny Jiosy sakaizanay sy mpifarimbona aminay."

32 Raha mbola toriny aminay indray ary ianao, dia hiaro ny rariny ananany izahay ary hiady aminao na an-dranomasina na an-tanety."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0623