1 Makabeo

Toko faha-11

1 Tamin'izay i Ptolemeo mpanjakan'i Ejipta dia namory miaramila tsy tambo isaina hoatra ny fasika amoron-dranomasina ary koa sambo maro; ka nitady hahazo an-kafetsena ny fanjakan'i Aleksandra izy mba hakambana amin'ny fanjakany.

2 Dia niroso nankany Siria i Ptolemeo ka nanao tenim-pihavanana hatrany. Novohain'ny mponina teo anoloany ny tanana; ary nirohotra hitsena azy ny olona, fa nodidian'i Aleksandra hitsena an'i Ptolemeo noho ny maha rafozany azy.

3 Kanefa isaky ny tafiditra amin'ny tanana anankiray ity mpanjakan'i Ejipta, dia mametraka miaramila hiambina an'io.

4 Fony izy mby teo akaikin'i Asdoda , dia nasehon'ny mponina azy ny tempolin'i Dagona may, ny tanana mbamin'ny manodidina azy rava, ny faty nihahaka etsy sy eroa, ny sisan-taolan'ireo nodoran'i Jonatana nandritra ny ady ka nangonin'ny Asdodita hiavosa teny amin'ny lalana handalovan'i Ptolemeo.

5 Nitantarana ny nataon'i Jonatana ny mpanjakan'i Ejipta mba hankahalany an'io kanefa nangina fotsiny izy.

6 Tamin'ny fomba manetriketrika no nankanesan'i Jonatana tao Jopa mba hihaona amin'i Ptolemeo; nifampiarahaba izy ireo, dia samy nandry tao.

7 Nanatitra ny mpanjaka hatreo amin'ny ony atao hoe Eleotera i Jonatana, vao niverina ho any Jerosalema.

8 Lasan'ny mpanjaka Ptolemeo tamin'izany ireo tanana amoron-tsiraka hatrany Seleosia eo amoron-dranomasina. Ary zava-mamohehatra no mbola kasainy hatao amin'i Aleksandra.

9 Dia nandefasan'i Ptolemeo maso ivoho i Demetry mpanjaka mba hilaza aminy hoe: -Avia hanao fifanekena isika fa homeko ho vadinao ny zanako vavy novinadin'i Aleksandra, ary hanjaka eo amin'ny fanjakan-drainao ianao.

10 Nanenenako ny nanome azy ny zanako vavy, satria nitady hamono hahafaty ahy i Aleksandra.

11 Naniry hahazo ny fanjakan'i Aleksandra ny mpanjakan'i Ejipta no nanivaiva azy toa izany.

12 Dia notsoahany tokoa ny zanany vavy ka nomeny an'i Demetry. Nanomboka teo no tafasaraka tamin'i Aleksandra i Ptolemeo; sady nitranga ampahibemaso ny fifankahalany.

13 Niditra ny tanana Antiokia i Ptolemeo, dia nitonon-tena ho mpanjakan'i Azia; ka satro-panjakana roa no indray nentiny, dia ny an'i Ejipta sy ny an'i Azia.

14 Tany Silisia i Aleksandra tamin'izay fotoana izany, satria nikomy ny mponina tao amin'io faritra io.

15 Vao nandre ny nataon'i Ptolemeo i Aleksandra, dia niroso hamely azy; kanefa niroso koa i Ptolemeo ka nanehatra azy tamina tafika matanjaka, ary naharesy tosika azy.

16 Nandositra tany Arabia i Aleksandra mba hitady fialofana any; ka nisandratra avo ny fiambonian'i Ptolemeo mpanjaka.

17 Kanjo notapahin'ny Arabo anankiray atao hoe Zabdiela ny lohan'i Aleksandra, dia nampitondrainy ho any amin'i Ptolemeo.

18 Andro fahatelo taorian'izany koa dia maty i Ptolemeo mpanjaka; ka novonoin'ny mponina ho faty ny andia-miaramila ejiptianina napetrany tany amin'ireo tanana mimanda.

19 Dia i Demetry no tonga mpanjaka tamin'ny taona faha-167.

20 Tamin'izany andro izany no namorian'i Jonatana ny lehilahy tao Jodea mba haka ny toera-mafin'i Jerosalema; ary nanangana milina betsaka fandrobahan-drindrina izy mba hamelezana azy.

21 Dia nisy lehilahy vitsivitsy, mpankahala firenena sady mpanohitra ny lalanan'Andriamanitra, nandeha nankany amin'i Demetry mpanjaka mba hilaza taminy fa ataon'i Jonatana fahirano ilay toera-mafy.

22 Nahatezitra an'i Demetry ny nandrenesana izany, ka niezaka faingana nankany Ptolemaida izy sy nanoratra tamin'i Jonatana hitsaharany tsy hanao fahirano ny toera-mafy sy hahatongavany malaky dia malaky any Ptolemaida hidinika aminy.

23 Nony voarain'i Jonatana izany taratasy izany, dia nodidiany hotohizina ny fahirano; ary nifidy loholona israelita vitsivitsy sy mpisorona maromaro hiaraka aminy izy, dia niseha-doza hanatona an'i Demetry.

24 Naka volamena sy volafotsy ary lamba amam-panomezana hafa betsaka izy, dia nankany amin'ny mpanjaka any Ptolemaida ka noraisiny tsara.

25 Nisy nanao fitarainana namely an'i Jonatana ny olona sasany mpiray firenena aminy saingy tsy mpandala ny lalanan'Andriamanitra.

26 Toy ny nataon'ny mpanjaka talohany ihany no nataon'i Demetry tamin'i Jonatana; nofenoiny voninahitra teo anatrehan'ireto rehetra atao hoe "sakaizan'ny mpanjaka " izy.

27 Nohamafisiny ny andraikitra maha mpisorombe azy ary koa ny tombontsoa rehetra efa azony taloha ; ary nasainy nosoratana ho anisan'ireo "sakaiza voalohan'ny mpanjaka" izy.

28 Nangatahin'i Jonatana tamin'ny mpanjaka mba ho afaka amin'ny hetra rehetra i Jodea sy ireo faritra telo ao Samaria ; ka hanome azy volafotsy valo arivo kilao izy ho setrin'izany.

29 Neken'ny mpanjaka io fangatahana io, ka naraikitra an-tsoratra ho an'i Jonatana avokoa izany rehetra izany araka izao endrika izao:

30 "Izaho, Demetry mpanjaka, dia miarahaba an'i Jonatana rahalahiko sy ny firenena jiosy.

31 Indro alefanay aminao ny kopian'ny taratasy milaza ny aminareo; nosoratanay ho an'i Lastena izay anisan'ny havan'ny mpanjaka "" izany mba hampahafantarina anareo:"

32 Izaho, Demetry mpanjaka, dia miarahaba an'i Lastena araka ny anaram-boninahitra hoe ray".

33 Nanapa-kevitra aho ny hanisy soa ny firenena jiosy noho ny hitsimpo asehony amiko. Sakaizantsika manko ny Jiosy ary manao ny rariny amintsika;

34 koa hamafisiko ho fananany ny faritany Jodea ary ny faritra telo nesorina tamin'i Samaria mba hatambatra amin'i Jodea, dia i Aferema sy i Lida ary i Ramataima mbamin'ny tanana madinika miankina aminy. Ho fanambinana an'izay rehetra mandeha hanolotra sorona any Jerosalema no anaovako izany; tsy handoa ny hetra ho an'ny mpanjaka intsony izy toy ny fanao teo aloha, isan-taona, avy amin'ny vokatry ny tany sy avy amin'ny voankazo.

35 Manomboka izao ny zavatra hafa rehetra fandoany ho ahy avy amin'ny fahafolon-karena, na avy amin'ny haban-tsena, na avy amin'ny famokaran-tsira, na avy amin'ny hetran'andriana manokana, dia anafahanay azy avokoa.

36 Manomboka izao no mankany, dia tsy azo anovana ireo fepetra ireo na iray aza.

37 Koa ankehitriny, imasoy ny hanao kopian'ity taratasy ity; dia atolory an'i Jonatana izany mba hapetrany amin'ny toerana miharihary, any an-tendrombohitra masina.

38 Nony hitan'i Demetry mpanjaka fa nandry feizay ny tany teo ambany fifehezany ary tsy nisy olona nanohitra azy intsony, dia nalefany hody any an-tokantranony avy ny miaramilany rehetra. Ireo miaramila hafa firenena, izay nalainy tany amin'ny nosy grika, no hany notazoniny; ka tonga fahavalon'i Demetry avokoa ny miaramila rehetra nanompo ireo mpanjaka nodimbiasany.

39 I Trifona , izay nomba an'i Aleksandra taloha, dia nahita fa nimonomonona tamin'i Demetry avokoa ireto miaramila ireto; ka nandeha izy nankany amin'ilay Arabo atao hoe Imalko , izay nitaiza an'i Antiokosa, zanakalahin'i Aleksandra mbola tanora.

40 Noteren'i Trifona i Imalko hanolotra an'i laikely aminy mba hampanjakainy handimby an-drainy; notantarainy tamin'ilay Arabo ny zavatra rehetra nataon'i Demetry mbamin'ny fankahalan'ireto miaramila ireto azy. Naharitra andro maromaro no nitoeran'i Trifona tao.

41 Tamin'izay ny miaramila sirianina, nitoby tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema sy tany amin'ireo tanana mimanda hafa any Jodea, dia mpila ady tamin'ny Israelita. Koa nandefasan'i Jonatana iraka i Demetry mpanjaka mba hangataka ny hanalany an'ireo miaramila ireo.

42 Ka ny valinteny nasain'i Demetry natao tamin'i Jonatana dia toy izao: -Tsy izany angatahinao izany ihany no hataoko ho anao sy ho an'ny firenenao, fa homeko voninahitra mitafotafo ianareo raha vantany vao misy ahazoako manao izany.

43 Ankehitriny kosa mety ny andefasanao miaramila hamonjy ahy, fa lasa nitsoaka avokoa ny miaramilako.

44 Dia vatan-dehilahy andiany telo anisan'ireo mahery fo indrindra no nalefan'i Jonatana ho an'i Demetry tany Antiokia; ka nahafaly ny mpanjaka tokoa ny fahatongavan'ireo.

45 Nisy roa alina sy iray hetsy manko ny mponin'i Antiokia no nivory tao afovoan'ny tanana ka nitady hamono hahafaty ny mpanjaka.

46 Nibosesika teny an-dalamben'ny tanana ireo vahoaka sady efa nanomboka namely; fa i Demetry kosa nialoka tao an-dapa.

47 Tamin'izay no nantsoin'ny mpanjaka hamonjy azy ny Jiosy, ka indray nirohotra izy rehetra nankeo aminy; avy eo dia niparitaka eran'ny tanana ireo, ka namono nahafaty olona sahabo ho iray hetsy androtrizay.

48 Nodoran'ny Jiosy ny tanana, sady babo be dia be no azony tamin'io andro io; ary voavonjiny koa ny mpanjaka.

49 Voatanan'ny Jiosy araka izay tiany hanaovana azy ny tanana Antiokia; ka nony hitan'ny mponina izany, dia niraviravy tanana izy ary nandefa fitarainana tamin'ny mpanjaka hoe:

50 -Mangataka fanekem-pihavanana aminao izahay; ary aoka ny Jiosy mba hitsahatra hamely ny tenanay sy ny tanana!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.075