1 Makabeo

Toko faha-5

1 Nisafoaka mafy ireo firenena manodidina, nony nandre fa hoe voavoatra indray ny alitara fisoronan'ny Jiosy ary vita nody amin'ny toetrany taloha indray ny tempoly.

2 Koa nanapa-kevitra ireo fa handringana ny taranak'i Jakoba nitoetra teo aminy ary nanomboka namono sy nandripaka maro tamin'ny vahoaka israelita.

3 Namely an'i Israely ny taranak'i Hesao tao Idomea , ka niadian'i Joda tao Akrabatana ; nataony resy dia resy tokoa ireo ka naetriny sy nangalany babo.

4 Tsaroan'i Joda koa ny haratsiam-pon'ireo taranak'i Baiana , izay nitsangan-ko fandrika aman-tsakana ho an'ny vahoaka israelita, ka nanao otrika hahavoa azy teny an-dalana,

5 notemerin'i Joda hihidy ao anaty tilikambo ireo, dia nataony fahirano sy nianianany haringana; ka nodorany ny tilikambony mbamin'izay rehetra tao anatiny.

6 Avy eo i Joda nankany amin'ny Hamonita, ka nisehatra tafika iray lehibe, nisy miaramila maro notarihin'i Timoty ,

7 niadiany imbetsaka ireo, ka montsana teo anatrehany ary resy mihitsy.

8 Nalainy ny tanana Jazera mbamin'ny zana-bohitra miankina aminy; dia niverina nankany Jodea izy.

9 Nitambatra ny hafa firenena tao Gilehada mba hamely sy handringana ny Israelita nonina teo amin'ny faritaniny; fa lasa nialoka tao amin'ny tanana mimanda atao hoe Datema kosa ireo.

10 Dia nampitondra taratasy tany amin'i Joda mbamin'ny rahalahiny izy nanao hoe: -Nitambatra hamely anay sy handringana anay ny hafa firenena manodidina anay.

11 Efa miomana haka ny tanana mimanda ialofanay izy, ary i Timoty no mpitarika ny tafiny.

12 Koa avia hanafaka anay tsy ho azon'ireo, fa efa nahafatesana maro rahateo izahay.

13 Ny Jiosy rehetra havanay, nonina teo amin'ny tanin'i Tobia , dia voavono avokoa; nentin'ny fahavalo ho babo ny vady aman-janany, lasany ny fananany, efa ho arivo lahy no matiny tao.

14 Mbola vakina eo izany taratasy izany no nisy iraka hafa rovi-pitafiana, tonga avy any Galilea, nitondra izao vaovao izao:

15 -Nitambatra hamongotra anay ny olona avy any Ptolemaida sy Tiro ary Tsidona mbamin'i Galilea manontolo onenan'ny hafa firenena.

16 Nony nandre izany toe-javatra izany i Joda sy ny tafiny, dia nampanao fivoriana lehibe, handinihana izay tokony hatao ho an'ireo havana jiosy tra-pahoriana sy asiam-pahavalo.

17 Dia hoy i Joda tamin'i Simona rahalahiny: -Mifidiana miaramila ka mandehana manafaka ny mpiray firenena aminao any Galilea, fa ny tenako sy i Jonatana rahalahiko kosa ho any Gilehada.

18 Dia i Josefa zanakalahin'i Zakaria ary koa i Hazaria mpifehy vahoaka no navelany tao Jodea miaraka amin'ny miaramila sisa mba hiambina,

19 ka nomeny didy hoe: - Entonareo ity vahoaka ity, nefa aza mandrafitra ady amin'ny hafa firenena mandra-piverinay.

20 Vatan-dehilahy andiany telo no voatendry hiaraka amin'i Simona ho any Galilea, ary andiany iray kosa no hiaraka amin'i Joda ho any Gilehada.

21 Nankany Galilea i Simona, ka niady imbetsaka tamin'ny hafa firenena; dia resy ireo ka nitsoaka teo anoloany

22 ary nenjehiny hatrany amin'ny vavahadin'i Ptolemaida. Nahafatesan'ny Israelita sahabo ho andiany telo ny hafa firenena sady nentiny ny babo tamin'ireo.

23 Nangoniny koa ny Jiosy tany Galilea sy Arbata , mbamin'ny vady aman-janany sy izay rehetra nananany, dia nentiny ho any Jodea tamin-kafaliana lehibe.

24 Tamin'izay kosa ry i Joda Makabeo sy i Jonatana mirahalahy dia nita an'i Jordana, ka nandroso lalana telo andro tany an-taniefitra.

25 Ny Nabateanina no tojo azy sy nandray azy tamim-pihavanana, ka nitantarany ny manjo ireo Jiosy any Gilehada hoe:

26 -Maro amin'ireo Jiosy ireo no iharan'ny fahirano ao anatin'ireto tanana lehibe sady mafy ireto, dia i Bosora sy i Bosoro ary i Alema mbamin'i Kasfao sy i Makeda ary i Karnaima ,

27 misy koa voafahirano amin'ny tanana hafa any Gilehada. Efa tapa-kevitra ny fahavalony fa hananika ireo tanana mimanda ialofan'ny Jiosy ireo rahampitso, ka hahazo azy ary handringana amin'ny indray andro monja ny Jiosy rehetra ao.

28 Dia niova lalana tampoka i Joda sy ny tafiny, ka nizotra tany an-taniefitra hankany Bosora; nalainy ny tanana, novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra avokoa ny lahy rehetra tamin'ny mponina, nentiny avokoa ny babo tao, ary nodorany ny tanana.

29 Alina no nialan'i Joda sy ny tafiny teo ka nandrosoany hatrany Datema , izay tanana mimanda nialofan'ny Jiosy.

30 Nony maraina, nanopy maso izy ireo ka nahatazana miaramila tsy tambo isaina nitondra tohatra sy milina fandroba handrindrina ary efa rafitra ady tamin'ny Jiosy.

31 Rehefa hitan'i Joda fa efa rafitra ny ady ary efa nisondrotra nanaka-danitra ny akoran'ny mponina niaraka tamin'ny feon-trompetra mbamin'ny horakoraka be,

32 dia hoy izy tamin'ny miaramilan'ny tafiny: -Miadia anio ho an'ny mpiray firenena aminareo.

33 Dia nozarain'i Joda ho telo toko ny tafiny no nampandrosoiny hankeo ivohon'ny fahavalo; ka nampaneno ny trompetra ireo sady nanandra-peo nivavaka.

34 Ny tafik'i Timoty kosa, vantany vao nahafantatra hoe Makabeo izay, dia nandositra teo anoloany; ka nataon'i Joda resy mafy izy ireo ary sahabo ho vatan-dehilahy andiany valo taminy no maty androtr'io.

35 Taorian'izay i Joda dia nihodina nankany Alema; nasiany io tanana io, dia azony, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra tamin'ny mponina, nentiny avokoa ny babo tao, ary nodorany ny tanana.

36 Avy eo dia nirosoany ka azony avokoa i Kasfao sy i Makeda ary i Bosoro mbamin'ny tanana hafa any Gilehada.

37 Namory tafika hafa indray i Timoty taorian'izany, dia lasa nitoby tandrifin'i Rafona , teo an-dafin'ny lohasahan-driaka.

38 Nandefa iraka hizaha io tafika io i Joda, ka izao no tatitra natao taminy: -Nitambatra tamin'i Timoty avokoa ny firenena manodidina antsika, ka tonga tafika iray goavana tokoa,

39 nisy koa Arabo voakaramany hanampy azy. Naoriny ery an-dafin'ny lohasahan-driaka ny tobiny, ary efa vonona hirotsaka hiady aminao izy. Niroso kosa ry i Joda mba hifanehatra aminy.

40 Rehefa nanakaiky ny lohasahan-driaka i Joda sy ny miaramilany, dia hoy i Timoty tamin'ireo lehiben'ny tafiny:-Raha mita voalohany i Joda handroso hamely antsika, dia tsy hahatohitra azy isika fa ho resiny mihitsy.

41 Raha matahotra ny hita kosa i Joda, ka miorin-toby eny an-dafin'ny lohasahan-driaka, dia isika no hita hamely azy ary handresy azy.

42 Nony mby teo akaikin'ny lohasahan-driaka i Joda, dia nasainy nijoro teo amoron-drano ny mpitan-tsoratry ny tafika, sady nomeny didy hoe: -Aza avela hisy hijanona fa aoka hirosoan'ady avokoa ny olona!

43 Dia nita voalohany i Joda hankeny amin'ny fahavalo ary narahin'ny tafiny manontolo, ka nanamontsana ny hafa firenena izay teo anoloany. Dia nanary fiadiana ny fahavalo sisa ka rifatra nandositra tao amin'ny tempolin-tsampy tao Karnaima.

44 Saingy azon'i Joda sy ny tafiny kosa ny tanana, ka nodorany ny tempoly mbamin'izay rehetra tao anatiny. Dia rava tanteraka i Karnaima ary tsy nahatohitra an'i Joda intsony ny fahavalo.

45 Tamin'izay i Joda dia nanangona ny Israelita rehetra tany Gilehada, hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, mbamin'ny vady aman-janany sy ny fananany; dia vahoaka zavon-tany no nentiny ho any amin'ny faritanin'i Jodea.

46 Tao Hefrona , tanana lehibe sy mafy tokoa sady manakana ny lalany, no tonga izany vahoaka izany; ary tsy nisy azony hiviliana hiankavia na hiankavanana fa tsy maintsy hamaky ny tanana izy.

47 Kanefa tsy namela azy handalo ny mponin'i Hefrona, ary nanampina vato ny vavahady aza.

48 Dia nandefasan'i Joda tenim-pihavanana ireo ka nilazany hoe: -Aoka mba hahazo mamaky ny faritaninareo izahay hankanesanay any amin'ny taninay! Tsy hisy olona hanao ratsy aminareo izahay; fa ny handalo an-tongotra ihany no hataonay. Saingy tsy nety namoha azy mihitsy ny mponin'i Hefrona.

49 Ka nasain'i Joda nilazana ny miaramilany mba samy hivonon-kanafika eo amin'izay nisy azy avy,

50 dia samy nivonona amin'izany tokoa ny vatan-dehilahy mpiantafika. Niadian'ny tafik'i Joda nandritra ny andro sy nandritra ny alina ilay tanana, ka natolotr'Andriamanitra azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584