1 Makabeo

Toko faha-16

1 Niakatra avy any Gezera i Johany, ka nilaza tamin'i Simona rainy ny nataon'i Kendebeo.

2 Dia nantsoin'i Simona i Joda sy i Johany zanany roa lahy zokiny indrindra, ka nitenenany hoe: -Izaho sy ireo rahalahiko ary ny ankohonan-draiko dia nandresy ny fahavalon'i Israely hatramin'ny fahatanoranay ka mandraka androany; ary matetika izahay no nahomby tamin'ny fanafahana ny Israelita.

3 Ankehitriny ny tenako efa antitra, ianareo kosa efa ampy taona noho ny fitahian'Andriamanitra; ka aoka ianareo handimby ahy sy ny rahalahiko. Mandehana miady ho an'ny firenentsika, ary homba anareo anie ny fanampiana avy amin'Andriamanitra!

4 Dia nifantenan'i Johany mpiantafika andiany roapolo ary koa mpitaingin-tsoavaly teo amin'ny tany, ka niainga ireo mba hamely an'i Kendebeo ary nitoby alina tao Modina.

5 Nifoha maraina ireo miaramila ireo, dia niroso ho eo amin'ny tany lemaka; ary indro tafika maro be an-tongotra sy an-tsoavaly no tamy hifanehatra aminy. Ranon-driaka anankiray no nanelanelana azy roa tonta.

6 Niorin-toby tandrifin'ny fahavalo i Johany sy ny tariny. Hitan'i Johany fa natahotra ny hiampita ny ranon-driaka ny miaramilany, ka dia ny tenany no nita voalohany; rehefa nahita izany ireto mpianta finy, vao nita nanaraka azy.

7 Nozarain'i Johany ho antokony roa ary nalahany teo anelanelan'ny miaramila an-tongotra ny an-tsoavaly, satria maro dia maro ny mpitaingin-tsoavalin'ny fahavalo.

8 Dia notsofin'ny Israelita ny trompetra fanaingana hiady, ka nitodi-doha nitsoaka i Kendebeo sy ny tafiny; fahavalo maro no nitsingidina maty, ary ny sisa nitady fialofana tao amin'ny tanana mimandan'i Kedrona.

9 I Joda rahalahin'i Johany dia naratra tamin'izay, fa i Johany kosa no nanenjika ny mpandositra ambara-pipakany tany Kedrona, izay vao naorin'i Kendebeo indray.

10 Nisy nandositra hatrany amin'ireo tilikambo teo akaikin'i Asdoda ; fa nodoran'i Johany kosa ny tanana ka nahafatesana vatan-dehilahy andiany roa ny fahavalo. Izay i Johany vao niverina soa aman-tsara ho any Jodea.

11 I Ptolemeo, zanakalahin'i Abobosa, no voatendry ho mpitari-tafika teo amin'ny lemak'i Jerikao; nanam-bolamena sy volafotsy betsaka izy,

12 satria vinantolahin'i Simona mpisorombe.

13 Nahatonga an'i Ptolemeo hiavonavona am-po sy haniry ho tompon'ny tany izany; dia nisain-dratsy izy hamely an'i Simona mbamin'ireo zanany lahy ka hahafaty azy am-pitaka.

14 Tamin'izay i Simona dia nitsiditsidika ireo tananan'i Jodea ary nilofo nitantana azy; ka nidina tany Jerikao izy sy ny zanany roa lahy Matatia sy Joda, tamin'ny taona faha-177, volana faha-11 na hoe volana Sebata.

15 Noraisin'ity zanakalahin'i Abobosa izy telo mianaka, tao amin'ilay tanana mimanda kely nampanaoviny ka nantsoina hoe Doka; nanomanan'i Ptolemeo fanasana lehibe ny vahiny, kanefa nanafenany miaramila tao.

16 Nony mamo i Simona sy ireto zanany lahy, dia nitsangana i Ptolemeo sy iretsy miaramilany ka nandray fiadiana sy niantoraka tamin'i Simona tao an-trano fanasana, ary namono nahafaty azy sy ny zanany roa lahy mbamin'ny mpanompony vitsivitsy.

17 Fivadihana mahatsiravina sady famalian-dratsy ny soa no nataon'i Ptolemeo tamin'izany.

18 Avy eo dia tatitra an-tsoratra momba ny zava-nitranga no nalefan'i Ptolemeo ho an'i Antiokosa mpanjaka; sady nangatahany koa izy handefa miaramila hanampy azy mba hanolorany aminy ny tany aman-tananan'ny Jiosy.

19 Nisy olon-kafa koa nirahin'i Ptolemeo ho any Gezera mba hamono hahafaty an'i Johany; ary nandefasany taratasy ireo komandin-tafika jiosy ka nasainy hiandany aminy sady nampanantenainy homena volafotsy sy volamena ary fanomezana.

20 Mbola nisy olona hafa koa nirahin'i Ptolemeo mba hanao izay hakana an'i Jerosalema sy ny tendrombohitry ny tempoly,

21 saingy nisy nisosoka mialoha handeha hampandre an'i Johany tao Gezera ny namonoana ho faty an-drainy mbamin'ireo rahalahiny sady nanampy hoe: -Naniraka olona i Ptolemeo mba hamono hahafaty anao koa.

22 Tohina mafy i Johany nony nandre izany vaovao izany; dia nosamboriny kosa ireo olona tonga hamono azy, dia novonoiny ho faty, satria fantany tsara ny fikasany hahafaty azy.

23 Ny sisa amin'ny tantaran'i Johany, ny ady nataony, ny herimpo nasehony, ny manda nampanaoviny mbamin'ny zavatra hafa rehetra vitany

24 dia efa voasoratra avokoa ao anatin'ny boky mitantara ny vaninandro naha mpisorombe azy, nanomboka tamin'ny andro nandimbiasany an-drainy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.059