1 Makabeo
Toko faha-4
1 Tamin'izay i Gorjia dia naka miaramila andiany dimy sy mpitaingin-tsoavaly voafantina andiany iray; ary niainga alina izany tafika izany2 mba hiroatra tampoka amin'ny tafika jiosy ka handresy azy. Olona avy amin'ny toera-mafin'i Jerosalema no nitari-dalana ny tafik'i Gorjia.
3 Vao nandre izany i Joda, dia niainga niaraka tamin'ny mahery fo nomba azy; ny nokendreny dia ny hamely ny tafi-panjakana izay ao Emaosy ,
4 fony mbola tafaely tany ivelan'ny toby ny andiany nentin'i Gorjia.
5 Alina no nahatongavan'i Gorjia tao an-tobin'i Joda, saingy tsy nahita olona izy. Noheveriny ho nandositra azy ny Jiosy, ka dia nokarohiny tany an-tendrombohitra.
6 Vao nipoaka kosa ny masoandro, dia niseho teo amin'ny tany lemaka i Joda nitondra miaramila andiany telo, izay tsy mba nanana ny fitaovam-piadiana niriny, na ny hiarovan-tena na ny hamelezana.
7 Hitan'ireo fa voaaro mafy ny tobin'ny hafa firenena, hitany fa mitafy akanjo vy fiarovan-tena izy ary voahodidin'ny mpitaingin-tsoavaly sady samy zatra ady avokoa;
8 ka hoy i Joda tamin'ireo miaramila nomba azy: -Aza matahotra izay hamaroan'ireo namivadi-po amin'izay famelezany.
9 Tsarovy ny namonjena ny razantsika teo amin'ny Ranomasina Mena, fony nanenjika azy ny Farao nomban-tafika lehibe.
10 Koa ankehitriny miantso vonjy amin'Andriamanitra isika; raha mitia antsika Izy, dia hahatsiarony fanekem-pihavanana nataony tamin'ny razantsika sy handrava io tafika io anio eo imasontsika.
11 Ka ho fantatry ny firenena rehetra fa mana-mpanafaka sy mpamonjy azy ny vahoaka Israely.
12 Tamin'izay ireo hafa firenena no nanopy maso ka nahatazana ny Jiosy tonga hamely azy,
13 ary dia nivoaka ny toby mba hiady. Notsofin'ireo mpomba an'i Joda kosa ny trompetra,
14 dia rafitra ny ady, ka rava ny hafa firenena sy nandositra teny amin'ny tany lemaka,
15 ary matin-tsabatra avokoa ny vodilaharana. Hatrany Gezera sy hatrany amin'ny lemak'i Idomea ary hatrany Asdoda sy Jamnia no nanenjehan'ny Jiosy ireo fahavalo ka nahafatesany andiany telo eo ho eo.
16 Izay vao niverin-dalana tsy nanenjika intsony i Joda mbamin'ny tafiny,
17 sady hoy izy tamin'ny miaramilany: -Aza liana ny hamabo ianareo, fa mbola misy ady miandry antsika.
18 Ato an-tendrombohitra akaikintsika ato izao i Gorjia sy ny tafiny; ka tohero mafy sy reseo aloha ny fahavalontsika, vao izay ianareo no hahazo maka ny babony tsy amin'ahiahy.
19 Vao nitsaha-niteny i Joda, dia indro niseho avy ao an-tendrombohitra sady mitsikilo ny zava-nitranga ny antoko miaramilan'i Gorjia.
20 Hitan'ireo fa ny namany nandositra, ny toby nodoran'ny Jiosy, satria tazana ny setroka maneho izay natao.
21 Raiki-tahotra mafy ny fahavalo nahita izany; nony tazany koa ny tafik'i Joda nivonon-kiady teo amin'ny tany lemaka,
22 dia nandositra any amin'ny tanin'ny Filistinina avokoa izy rehetra.
23 Fa i Joda kosa niverina nandraoka ny babo tao an-toby, ka volamena sy volafotsy betsaka mbamin'ny lamba jaky volomparasy sy jaky mena mangatrakatraka ary harem-bevava no nentiny.
24 Fiderana sy fankalazana an'Andriamanitra no nataon-dry i Joda rehefa nody: "Eny, tsara Izy, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany!"
25 Nahazo famonjena lehibe ny vahoaka Israely tamin'izany andro izany.
26 Nilaza ny nanjo rehetra tamin'i Lisia ireo miaramila hafa firenena izay afa-nandositra,
27 ka nampalahelo sy nahakivy azy ny nandre izany vaovao izany; tsy ny zavatra nirin'i Lisia manko no nihatra tamin'i Israely ary tsy izay voadidin'ny mpanjaka no nitranga.
28 Tamin'ny taona manaraka no namorian'i Lisia tafika anankiray, dia miaramila voafantina nisy vondron-tafika enimpolo sy mpitaingin-tsoavaly nisy vondron-tafika dimy mba hoenti-miady amin'ny Jiosy.
29 Dia nankany Idomea io tafika io, ka niorin-toby teo akaikin'i Bety-tsoro. I Joda kosa niaraka tamina miaramila nisy vondron-tafika folo no nandeha hifanehatra aminy.
30 Nony nahita izany tafika matanjaka nentin'i Lisia izany i Joda, dia nivavaka nanao hoe: -Hankalazaina anie Ianao, ry Mpamonjy an'i Israely o! Ianao no nanorotoro ny herin'i Goliata, lehilahy goavana , tamin'ny tanan'i Davida mpanomponao. Ianao no nanolotra ny tafika filistinina teo an-tanan'i Jonatana , zanakalahin'i Saoly, sy teo an-tanan'ilay mpitana ny fitaovam-piadiany.
31 Toy izany no aoka hangiazanao ity tafik'i Lisia ity eo an-tanan'ilay Israely vahoakanao; ary aoka hampahamenatra ny hafa firenena ny miaramilany na ny an-tongotrana ny an-tsoavaly!
32 Ataovy raiki-tahotra izy, levony ny hery be rehaka ananany; ary aoka hampangozohozo azy ny fahareseny!
33 Ataovy matin'ny sabatr'ireto mpitia Anao izy; ary aoka izay rehetra mpahalala ny anaranao hiventy hira fiderana Anao!
34 Dia natombok'izy roa tonta ny ady, ka nisy andiany dimy tamin'ny tafik'i Lisia no nitsitra teo anoloan'ny Jiosy.
35 Hitan'i Lisia ny faharesen'ny tafiny, ary tsapany ny fahasahiana nananan'ny miaramilan'i Joda, izay nitomban-ko velona na ho faty amim-boninahitra; ka dia nody tany Antiokia i Lisia, ary nampiditra hafa firenena hampitombo isa ny miaramilany mba hiverenany hamely an'i Jodea indray.
36 Tamin'izay kosa no nitenenan'i Joda sy ireo rahalahiny hoe: -Indreo efa resy ny fahavalontsika, koa ndeha isika hiakatra hanadio ny tempoly sy hanokana azy amin'Andriamanitra indray.
37 Dia nifamory ny tafika manontolo ka niakatra ho any an-tendrombohitra Tsiona.
38 Hitany ny tempoly foana, ny alitara voazimbazimba ary ny varavarana may; nisy koa hazo madinika naniry tao amin'ny kianja, toy ny anaty ala na eny an-tendrombohitra; ary hitany ny efitrano voarava.
39 Dia nandriatra fitafiana ny miaramila, nigogogogo tamim-pisaonana mafy, ary nanoso-davenona ny lohany,
40 nampihohoka tarehy tamin'ny tany izy, ary nanao fitalahoana tamin'Andriamanitra rehefa naneno ny trompetra famantarana.
41 Tamin'izay no nakan'i Joda antokony iray tamin'ny tafiny mba hiady amin'ny Sirianina tao amin'ny toera-mafy mandra-panadio ny tempoly.
42 Nifidy mpisorona tsy azo kianina sady miraiki-po amin'ny lalanan'Andriamanitra koa i Joda,
43 dia nodiovin'ireo ny tempoly ary notateriny tany amina toerana maloto ny vato voazimbazimba.
44 Nifampidinihana ny amin'izay tokony hanaovana ny alitara fanaovana sorona dorana manontolo, dia ilay alitara nozimbazimbain'ny hafa firenena,
45 ka ny hevitra tsara niaraha-nahita dia ny handrava izany, fandrao hahatonga fahafaham-baraka ho an'ny Jiosy satria alitara efa voaloton'ny hafa firenena. Dia noravana tokoa ilay alitara;
46 ka ny vatony dia napetraka tamina toerana sahaza teo amin'ny tendrombohitry ny tempoly, mandra-pahatongan'izay mpaminany hanapaka ny amin'ny hanaovana azy.
47 Araka ny Lalana , dia vato tsy voapaika no nalaina, ka nanangana na alitara anankiray vaovao mitovy amin'ilay taloha.
48 Namboarina ny Toeramasina mbamin'ny atin'ny tempoly ary naverin-kasina ny kianjany.
49 Fanaka masina vaovao koa no natao; dia napetraka tao an-tempoly indray ny fitoeran-jiro sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra ary ny latabatra fametraha-mofo.
50 Nodorana hanetona eo ambony alitara ny vovo-javamanitra; nampirehetina ny lahin-jiro teo amin'ny fitoeran-jiro ary voazava ny tempoly.