1 Makabeo

Toko faha-3

1 I Joda, izay atao hoe Makabeo, no nitsangana nandimby an'i Matatia rainy.

2 Nanampy azy avokoa ireo rahalahiny mbamin'izay rehetra mpomba an-drainy, ka niady tamin-kafaliana ho an'i Israely.

3 I Joda no nampitombo voninahitra ny fireneny. Rehefa nisalotra ny akanjo vy fiarovan-tena izy, dia miendrika lehilahy goavana. Nirongo ny fitaovam-piadiany izy ary namory ny olona hiady. Ny sabatra fitondran'i Joda no niarovany ny tafika israelita.

4 Teo am-pikatrohana izy dia tahaka ny liona, toy ny bibidia mieronerona amin'ny rembiny.

5 Nenjehiny sy nataony tsongodia ireo mpanohitra ny lalanan'i Mosesy; ary nodorany tamin'ny afo ireo mpanabataba ny fireneny.

6 Nilefitra natahotra an'i Joda ireo mpanohitra ny lalanan'i Mosesy, ary nivadi-po avokoa izay rehetra mpampanao ratsy anoherana io lalana io; tamin'ny alalan'i Joda Makabeo, dia niroso tsara ny fanafaham-pirenena.

7 Noho ny asa vitany dia niharan'alahelo mangidy ny mpanjaka maro , fa heni-kafaliana kosa ny taranak'i Jakoba; ka hatao tsara laza mandrakizay ny fahatsiarovana an'i Joda Makabeo.

8 Noteteziny ny tananan'i Jodea, ka naringany ny mpankahala fivavahana; ary naviliny tsy hihatra amin'ny Israelita ny fahatezeran'Andriamanitra.

9 Tonga nalaza hatrany am-paran'ny tany izy, ary navoriny indray ireo olona efa notandindomin'ny faharinganana.

10 Namory miaramila hafa firenena i Apolony , dia tafika lehibe nalainy tao Samaria, mba hiady amin'ny Israelita.

11 Vao nampahafantarina izany i Joda, dia niainga hifanehatra amin'i Apolony, ka naharesy azy ary namono nahafaty azy; maro ny fahavalo matin'ny ratra nanjo, ary ny sisa kosa nandositra.

12 Nobaboin'ny Jiosy ny fananany; ary nalain'i Joda ny sabatr'i Apolony, dia izany no nampiasainy an'ady tamin'ny androm-piainany sisa rehetra.

13 Ren'i Serona filohan'ny tafika sirianina fa mpiady maro sy antokon'olona mpivavaka betsaka no tafavorin'i Joda hiaraka aminy,

14 dia hoy izy anakampony hoe: "Hahatonga ny tenako halaza sy hahazo voninahitra amin'ny fanjakana aho, ka hiady amin'i Joda sy ireo mpomba azy sady mpaniratsira ny didin'ny mpanjaka."

15 Dia mba lasa nanafika koa ary i Serona; tafika goavan'ny tsy mpivavaka no niakatra niaraka taminy mba hanao valifaty eo amin'ny Israelita.

16 Nony mby akaikin'ilay fiakaran' i Bety-Horona i Serona, dia niainga i Joda nomba-miaramila vitsy foana hifanehatra aminy.

17 Rehefa nahita ity tafika tamy hamely azy ny miaramilany, dia nanao tamin'i Joda hoe: -Hataontsika vitsy kely ireto ahoana no fiady amin'ity tafika goavana dia goavana ity? Indrindra fa isika efa reraky ny tsy nihinan-kanina androany.

18 Fa novalian'i Joda hoe: -Mora foana ny hangejan'ny olona vitsy eo am-pelatanany ny vahoaka marobe; amin'Andriamanitra dia tsy hamaroana na havitsiana no zava-dehibe mba hahazoam-pahombiazana.

19 Ny fandresena an'ady manko tsy miankina amin'ny habetsahan'ny mpiady fa amin'Andriamanitra Izay iavian'ny hery.

20 Mandroso hamely antsika ny fahavalo feno avona sy fanoheran-dalana mba hamono hahafaty antsika mbamin'ny vady aman-janatsika sy handroba antsika.

21 Fa isika kosa miady hiarovana ny aintsika sy ny lalanantsika.

22 Andriamanitra mihitsy no hampivadi-po azy eo anoloantsika; koa aza matahotra an'ireo ianareo.

23 Vao nitsaha-niteny i Joda, dia niantoraka tampoka tamin'ny fahavalo; ka nivadi-po teo anatrehany tokoa i Serona sy ny tafiny.

24 Nenjehin'i Joda sy ny mpomba azy nitsontsorika ny fidinan'i Bety-Horona ka hatrany amin'ny tany lemaka ireo; dia nahafatesana valonjato lahy ny miaramilan'i Serona, ary ny sisa nandositra any amin'ny tanin'ny Filistinina.

25 Izay vao niely ny tahotra an'i Joda mbamin'ireo rahalahiny, ka nihorohoro ny firenena manodidina.

26 Tonga hatrany amin'ny mpanjaka ny lazany; ary niresaka ny fandresen'i Joda avokoa ny hafa firenena.

27 Nisafoaky ny hatezerana i Antiokosa mpanjaka, rehefa nandre izany vaovao izany; ka nanome didy hamory ny miaramilany rehetra ho tafika matanjaka dia matanjaka.

28 Nosokafany ny tahirin-drakiny, dia nomeny karama herintaona ny miaramilany sady nodidiany ho vonona amin'izay rehetra hilana azy.

29 Hitany tamin'izay koa fa tsy nisy vola intsony tao am-batany, satria kely ny hetra azo avy amin'ny faritany andrefana. Ny anton'izany moa dia ny korontana sy loza nampidiriny tamin'ny tany, fony izy namongotra ny lalana efa narahina hatramin'ny fahagola.

30 Fanaon'i Antiokosa ny fandaniana sy fizarana be loatra sady mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany aza; ka natahorany ny tsy hahavita izany intsony.

31 Sahirana mafy tokoa izy ka tapa-kevitra ny hankany Persia hamory hetra amin'ireo faritra any sy hanangom-bola be.

32 Ka dia i Lisia , lehilahy mendri-kaja sady anisan'ireo hoe "havan'ny mpanjaka ", no napetrany hiandraikitra ny raharaham-panjakana manomboka eo amin'ny ony Eofrata ka hatrany amin'ny sisintanin'i Ejipta,

33 nampisahaniny azy koa ny fikarakarana an'i Antiokosa zanany lahy, mandra-piveriny;

34 ary napetrany tamin'i Lisia ny antsasaky ny miaramilany sy ny elefanta , ka nomeny didy izy hanatanteraka ny hevitra rehetra voakasany. Ny amin'ny mponina any Jodea sy Jerosalema,

35 dia tsy maintsy handefasan'i Lisia tafika handrava sy hamongotra ny fahefan'i Israely mbamin'izay sisa ao Jerosalema, ary hanafoana ny fahatsiarovana azy amin'izany toerana izany,

36 ka olona hafa firenena no hasainy hiorim-ponenana eo amin'io tany manontolo io sy hitsinjarany izany.

37 Dia nentin'i Antiokosa homba ny tenany kosa ny antsasaky ny miaramilany, ka tamin'ny taona faha-147 no nialany tao Antiokia sy nitany ny ony Eofrata ary namakivakiany ny faritra am-patrana persianina.

38 Tamin'ireo "sakaizan'ny mpanjaka " no nifidianan'i Lisia an'i Ptolemeo zanakalahin'i Dorimeno ary koa an'i Nikanora sy i Gorjia izay samy kapiteny mahay,

39 ka miaramila an-tongotra misy antokony efapolo sy miaramila an-tsoavaly nisy antokony fito no nalefany hiaraka amin'izy telolahy hanafika ny tanin'i Jodea sy handrava azy, araka ny didin'ny mpanjaka.

40 Dia niainga ireto kapiteny mbamin'ny miaramilany rehetra, ka nony tonga teo akaikin'i Emaosy , dia nitoby teo amin'ny lemaka.

41 Vao nandre ny fahatongavany kosa ny mpandranto tamin'izany faritra izany, dia namory volafotsy sy volamena betsaka ary parapaingo, ka nitondra izany nankao amin'ny toby sirianina mba hividianana Israelita hatao andevo. Nikambana tamin'io tafika sirianina io koa ny andia-miaramila avy any Idomea sy avy any amin'ny tanin'ny Filistinina.

42 Hitan'i Joda mbamin'ireo rahalahiny fa nihamafotaka ny raharaha sady efa mitoby eo amin'ny tanin'ny Israelita ny fahavalo; fantany koa ny didy nomen'ny mpanjaka hampandringana sy hampamongotra ny fireneny.

43 Ka dia nifampilaza izy mirahalahy avy hoe: "Aoka isika hanangana indray ny firenentsika rava, ary aoka isika hiady ho an'izany firenentsika izany sy ho an'ny tempolintsika!"

44 Dia nantsoina hivory tamin'izay ny vahoaka mba hioman-kiady sy hivavaka hangata-pitsimbinana amam-pamindrampo.

45 I Jerosalema dia toy ny taniefitra tsy nisy olona; ny mponiny tsy hita niditrana nivoaka ny tanana intsony; ny tempoly voahosihosy; ny toera-mafy voatanan'ny vahiny ka tonga fonenan'ny hafa firenena. Niala teo amin'ny taranak'i Jakoba ny hafaliana; ary tsy re feo intsony ny sodina mbamin'ny valiha.

46 Dia nifamory ny Jiosy ka nankany Mitsepa tandrifin'i Jerosalema, satria tao fahiny no nisy toeram-pivavahana ho an'ny vahoaka Israely.

47 Tamin'io andro io dia nifady hanina ireo, nandraraka lavenona teo an-dohany, ary nandriatra ny fitafiany sy nitafy gony,

48 novelariny ny bokin'ny lalana mba hikarohany ny zavatra izay tadiavin'ny hafa firenena any amin'ny sarin-tsampiny.

49 Dia nentiny ny fanamia-mpisorona sy ny voaloham-bokatra mbamin'ny fahafolon-karena, ary nasainy nijoro ny nazirita nahatapitra fotoam- boady;

50 ka feo avo no niantsoan'ny Jiosy vonjy tamin'Andriamanitra hoe: -Inona no hataonay amin'ireo fanomezana ireo, ary aiza no hitondranay ireto olona ireto ?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.097