Mpitsara
Toko 1 Taorian'ny nahafatesan'i Josoa dia nanontany ny TOMPO ny Israelita hoe: Iza amin'ny fokonay no tokony handeha voalohany hanafika ny Kanahanita?
Toko 2 Dia niainga avy any Gilgala ka tonga tany Bokima ny anjelin'ny TOMPO ary nanambara tamin'ny Israelita hoe: Izaho no nampakatra anareo hiala tany Ejipta ka nampiditra anareo amin'ny tany izay nianianako homena ny razanareo. Ary nilaza Aho fa tsy hanapaka na oviana na oviana ny fanekempihavanako aminareo.
Toko 3 Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan'ny TOMPO haharitra teo amin'ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin'ny ady nahazoana an'i Kanahana;
Toko 4 Ary rehefa maty i Ehoda, dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita.
Toko 5 Tamin'izany andro izany i Debora dia nihira niaraka tamin'i Baraka zanakalahin'i Abinohama ka nanao hoe:
Toko 6 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'ny Midianita nandritra ny fito taona.
Toko 7 Vao maraina be i Gidehona, izay nantsoina koa hoe Jerobahala, no niainga niaraka tamin'ny tafiny manontolo ka nandeha nitoby teo akaikin'i Haina-Haroda. Ny tobin'ny Midianita kosa dia tery avaratra, teo amin'ny lemaka anilan'ny havoana More.
Toko 8 Ary hoy ny vatan-dehilahy efraimita tamin'i Gidehona: Nahoana no nanao izao fihetsika izao taminay ianao? Nahoana no tsy niantso anay ianao fony nandeha niady tamin'ny Midianita? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
Toko 9 I Abimeleka, zanakalahin'i Jerobahala na Gidehona, dia nankany Sekema mba hifandinika tamin'ny anadahin-dreniny sy izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny ka nanao taminy hoe:
Toko 10 Taorian'ny nahafatesan'i Abimeleka dia nitsangana i Tola, zanakalahin'i Pova sady zafikelin'i Dodao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin'ny fokon'i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima.
Toko 11 Tany Gilehada, dia nisy miaramila mahery fo nantsoina hoe Jifta, zanakalahin'ny vehivavy janga sy ny lehilahy atao hoe Gilehada.
Toko 12 Nifamory ny vatan-dehilahin'i Efraima, dia niampita an'i Jordana ary tonga tao Tsafona, ka niteny tamin'i Jifta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny Hamonita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.
Toko 13 Ary mbola nanao ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita, ka natolotry ny TOMPO teo an-tanan'ny Filistinina nandritra ny efapolo taona.
Toko 14 Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.
Toko 15 Nony afaka andro vitsivitsy, tamin'ny fotoam-pijinjana varimbazaha, dia nandeha nitsidika ny vadiny i Samsona, ka nitondra zanak'osy ho azy. Ary nangataka izy mba hahazo hiditra ao amin'ny efitrano misy ny vadiny, fa nolavin'ny rafozan-dahiny
Toko 16 Dia nankany Gaza i Samsona ka nahita mpivarotena iray tao, ary niditra tao aminy mba handry.
Toko 17 Tao amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima dia nisy lehilahy natao hoe Mika.
Toko 18 Tamin'izany fotoana izany dia tsy nisy mpanjaka tany Israely. Ary ny fokon'i Dana tamin'izay dia nitady faritany honenany, satria tsy mbola nahazo anjara tahaka ireo foko israelita hafa izy.
Toko 19 Tamin'izany andro mbola tsy nisian'ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin'ny toerana mihataka, an-tsisin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.
Toko 20 Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin'ny faritr'i Gilehada no nivory teo anatrehan'ny TOMPO tao Mitsepa.
Toko 21 Fony nivory tao Mitsepa ny lehilahy israelita, dia nianiana fa tsy hisy hanome ny zanany vavy hanambady lehilahy Benjaminita.