Mpitsara

Toko faha-20

1 Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin'ny faritr'i Gilehada no nivory teo anatrehan'ny TOMPO tao Mitsepa.

2 Ny lehibe rehetra sy ny lehilahy rehetra tao amin'ny fokon'i Israely dia tonga tao amin'io fivorian'ny vahoakan'Andriamanitra io avokoa, izany hoe vatan-dehilahy andiany efajato, samy miaramila an-tongotra sy kinga famely sabatra.

3 Ary ren'ny Benjaminita fa tafakatra ao Mitsepa ny Israelita hafa. Dia hoy ireo Israelita ireo hoe: Tantarao aminay izay antony nahatonga izao heloka bevava izao.

4 Dia namaly ilay levita, vadin-dravehivavy novonoina ho faty, ka nanao hoe: Niditra tao Gibeha tanana benjaminita ny tenako sy ny vadikeliko mba handry tao.

5 Dia nisy nirongatra hamely ahy ny mponina tao Gibeha ka nanodidina ny trano nitoerako nony alina. Nikasa hamono ahy izy, ary nanolana ny vadikeliko ambara-pahafaty azy.

6 Dia nalaiko ny fatiny ary norasarasaiko; ka nandefasako toko iray avy isam-poko manerana ny tanin'i Israely, satria zavatra mahatsiravina sy fady tokoa eto Israely no nafitsok'ireo olona tao Gibeha ireo.

7 Indreto ianareo Israelita rehetra, koa samia miteny ary maka fanapahan-kevitra.

8 Dia nitsangana toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy olona hiverina any an-dainy na hody any an-tranony isika.

9 Izao no zavatra hataontsika momba an'i Gibeha.

10 Antsapaka no hifidianantsika ny ampahafolon'ny vatan-dehilahy isaky ny fokon'i Israely, izany hoe zato amin'ny arivo, na arivo amin'ny iray alina; ka ireo no hamatsy ny andian-tafika izay handeha hanafay an'i Gibeha tanana benjaminita, araka ny zava-pady nafitsony teto Israely.

11 Dia nifanaraka ny Israelita rehetra fa hiray hina toy ny olona iray hamely an'i Gibeha.

12 Koa nandefa iraka ho any amin'ny faritanin'i Benjamina manontolo ny foko tsirairay avy hanao hoe: Ahoana izao heloka mahatsiravina nitranga teto aminareo izao?

13 Atolory anay ny olo-meloka, dia ireo faikan'olona ao Gibeha, mba hovonoinay ho faty ka hataonay tsy hisy eto amin'ny tanin'Israely intsony ny ratsy. Kinanjo ny Benjaminita tsy nety nihaino ny feon'ireo Israelita mpiray firenena aminy.

14 Fa tonga avy any amin'ny tanana samihafa izy ireo ka vory tao Gibeha mba hiady amin'ny Israelita.

15 Tamin'izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin'ny tanana manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin'i Gibeha izay nanao fanisa-miaramila koa.

16 Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin'ny antsamotady nefa tsy mivaona.

17 Tetsy an-kilany, rehefa natao fanisana kosa ireo vatan-dehilahy tamin'ny Israelita hafa, dia nahitana vata-miaramila nisy andiany efajato samy kinga famely sabatra sady zatra ady avokoa.

18 Dia nandeha tany Betela aloha ny Israelita ka nanontany an'Andriamanitra hahalalana izay foko hiroso voalohany hanafika ny Benjaminita; ka ny fokon'i Joda no voatondron'ny TOMPO.

19 Niainga vao maraina ny vatan-dehilahy israelita ka nitoby tao akaikin'i Gibeha.

20 Ary niroso hifanandrina amin'ny Benjaminita izy ka nilahatra hiady teo anoloan'i Gibeha.

21 Nivoaka avy tao an-tanana kosa ny Benjaminita, ka naharingana Israelita andiany 22 izay niampatrampatra tamin'izany andro izany.

22 Ary nandeha nitomany teo anatrehan'ny TOMPO mandra-paharivan'ny andro ny Israelita sady nanontany AZY na tokony mbola hiady amin'ny Benjaminita mpiray firenena aminy na tsia; ka novalian'ny TOMPO hoe: Miakara hiady aminy. Dia nifampahery ny Israelita ary nandeha hilahatra hiady teo amin'ny toerana izay efa nilaharany tamin'ny andro voalohany ihany.

24 Tamin'ny andro faharoa no nanatona hamely ny Benjaminita indray ny Israelita.

25 Kinanjo tamin'io andro faharoa io dia nivoaka avy tao Gibeha ny Benjaminita ka nandringana andiany 18 indray tamin'ny vatan-dehilahy israelita, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

26 Ary nandeha niakatra tany Betela ny Israelita rehetra sy ny tafiny manontolo ka nipetraka nitomany teo anatrehan'ny TOMPO; tamin'izay dia nifady hanina mandra-paharivan'ny andro izy sady nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo anatrehan'ny TOMPO.

27 Tamin'izany andro izany moa mbola tao Betela ny Vatamasina misy ny fanekempihavanan'Andriamanitra; ary i Pinehasa, zanakalahin'i Elehazara sady zafikelin'i Aharona, no mpitandrina azy. Dia nanontany ny TOMPO ireo Israelita na tokony mbola handeha hiady amin'ny Benjaminita mpiray firenena aminy na tsia; ka novalian'ny TOMPO hoe: Mandehana, fa rahampitso dia hatolotro eo an-tananareo izy.

29 Dia nanafina miaramila manodidina an'i Gibeha ny Israelita.

30 Ary tamin'ny andro fahatelo no niakatra hamely ny Benjaminita ireo Israelita, ka nilahatra hiady teo anoloan'i Gibeha toy ny teo aloha ihany.

31 Fa nivoaka hiady aminy kosa ny Benjaminita ka voatarika handeha lavitra ny tanana. Ary toy ny teo aloha dia nanomboka namely ny Israelita izy ka nahafaty tokony ho telopolo lahy teny an-dalana mankany Betela sy mankany Gibehona.

32 Tamin'izay dia nihevitra ho naharesy ny Israelita toy ny teo aloha izy; kinanjo nanapa-kevitra ny Israelita fa hanao tari-dositra mba hisarika ny Benjaminita ho any amin'ny lalana mankany an-tsaha ka hanalavitra an'i Gibeha.

33 Dia niainga avy tamin'ireo toerana rehetra nisy azy ny Israelita ka nilahatra hiady tao Bahala-Tamara; tamin'izay kosa ny miaramila israelita niafina dia nipoitra avy tao amin'ny fiereny teo andrefan'i Geba.

34 Koa nisy andiany folo ny vatan-dehilahy voafantina, avy amin'i Israely manontolo, no tonga teo anoloan'i Gibeha. Nangotraka ny ady, nefa tsy nampoizin'ny Benjaminita ny fahavoazana hihatra aminy.

35 Nataon'ny TOMPO resy teo anatrehan'ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin'izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.

36 Takatry ny Benjaminita tamin'izay fa resy tokoa izy. Nanao tari-dositra ny Israelita, satria niantehitra tamin'ireo miaramila nafeniny manodidina an'i Gibeha.

37 Ireo miaramila niafina ireo dia niroatra haingana nankany Gibeha ka namely ny tanana manontolo sy nandringana ny mponina tao.

38 Ary ny famantarana efa nifanomezany tamin'ny Israelita sisa rehetra dia tsangan'afo lehibe midona-tsetroka avy ao an-tanana.

39 Koa rehefa nihemotra an'ady ny Israelita ka nahafatesana tokony ho telopolo lahy, dia nihevitra ho naharesy azy tahaka ny teo aloha ny Benjaminita.

40 Kinanjo tamin'izay indrindra no nitambolimbolina niakatra ny setroka avy tao Gibeha. Niherika ny Benjaminita ka nahatazana ny afo manaka-danitra avy tao an-tanana izay nirehitra tanteraka.

41 Nisampotina namely ny Benjaminita tamin'izay ny Israelita. Nivarahontsana ireto Benjaminita satria hitany ny fahavoazana nihatra taminy.

42 Vaky nandositra teo anoloan'ny vatan-dehilahy israelita izy ary nizotra nankany an-taniefitra; saingy narahin'ny andian-tafika lehibe sy ireo vatan-dehilahy israelita nivoaka avy tao an-tanana izy ka naringany.

43 Notemerin'ny Israelita ireo Benjaminita, nenjehiny tsy an-kiato ka nataony matin-kitsaka teny an-dalana mandra-pahatonga hatrany atsinanan'i Geba.

44 Nahafatesana vatan-dehilahy andiany 18 ny Benjaminita tamin'io andro io, dia lehilahy mahery fo avokoa.

45 Ny Benjaminita sisa dia nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra ho any amin'ny harambaton'i Rimona. Ny andiany dimy tamin'ireo anefa dia maty noraofim-potsiny teny an-dalana, fa ny sisa kosa nenjehina ka ny nokendrena dia ny hahafongana azy; ary mbola nahafatesana andiany roa koa ireo.

46 Ny tontalin'ny Benjaminita maty tamin'izany andro izany dia vatan-dehilahy andiany 25, ka lehilahy kinga famely sabatra sady samy mahery fo avokoa.

47 Na izany aza, dia nisy eninjato lahy tamin'ireo nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra no afaka nitsoaka ihany ka tonga tao amin'ny harambaton'i Rimona ary nitoetra tao efa-bolana.

48 Dia niverina namely ireo Benjaminita hafa ny Israelita ka isan-tanana no nandringanany tamin'ny lelan-tsabatra ny olona mbamin'ny biby fiompiny; ary ny tanana rehetra, izay hitany tamin'izany faritany izany, dia nodorany avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0688